Tsara ho fantatra momba ny fiantohana (assurance)
10 février 2023

Nohavaozina ary manan-kery manombika ny zoma 10 febroary 2023 ho an’ny herintaona manaraka ny fiantohana antsika (Assurance) Araka ny fehin-kevitry ny FIFITI 2022 Morondava dia nohatsaraina izany fiantohana izany ka niakatra ho 200.000Ar ny tahan’ny fandraisana an-tanana fitsaboana (raha toa ka 60.000Ar) izany teo aloha. Ny vola alohan’ny Tily tsirairay rehefa mandoa FAFI dia tsy […]

Ireo marika andraikitra (barety)
5 février 2023

Ny fampiasana ny “barety” eo an-tsoroka ho marika andraikitra dia isan’ny marika nolovaintsika tamin’ny fampiasan’ny skotisma frantsay tany amin’ny taona 1956 ka mbola notanana hatramin’izao (Sur les traces, 1956). Mirefy 5 x 1,5 cm ny marika andraikitra ary mipetraka eo amin’ny soroka. Ny mpanabe efa nahavita ny fanekena maha-mpiandraikitra no miambozona barety. Marika andraikitra fanabeazana […]

Zon’olombelona
5 décembre 2022

Ireo foto-kevi-dehibe iorenan’ny zon’olombelona Fitoviana : Mitovy daholo ny olombelona rehetra amin’ny fisitrahana 20, eo anatrehan’ny lalĂ na, tsy misy fijerena saranga, finoana, fihodirana,fiaviana … Tsy fanavahana : Tsy misy anavahana ny olombelona rehetra na ara-piaviana, na ara-pinoana, na ara-tsaranga, na ara-pananahana fa misatraka zo daholo. Fampandraisana anjara sy fandraisana anjara : Rehefa misy hetsika atao […]

Fifamatoran’ny tontolo iainana sy ny zo maha-olona

Ny ala sy ny zo fototra maha-olona Mitazona anjara toerana amin’ny fiainanan’ny olombelona ny Ala. llaina eo amin’ny andavan’androm-piainana mihitsy izy. Miantoka ny fahavitan-tena ara-tsakafo ohatra izany; toy izany koa ny rano fisotro madio, izay ianteheran’ny fambolena sy ny fiompiana ihany koa; iantohan’ny fahasalamana feno ihany koa ny fananana ala voakajy ary miantoka ny fisitrahana […]

Marika faha-35 taona Menafify
18 novembre 2022

Ho fanamarihana ny faha-35 taona nijoroan’ny Sampana Menafify dia misy ny sary famantarana manokana ampiasaina mandritra ny taona 2023. Lalao nandraisan’ny rehetra nisafidianana ny marika ho ampiasaina ka asa tanan’i TSITSIHY Mandamy no voafidy hanamarihana ny taom-ankalazana faha-35 taonan’ny Menafify. Niainga tamin’ny teny fanevan’ny fankalazana no nanamboarana ny marika sy ny heviny. « Ary, indro, ato […]

Ireo karazana fehitenda fampiasan’ny Tily
31 juillet 2022

Isan’ny endrika fampiainana iombonan’ny skoto eran’izao tontolo izao ny fehitenda, ary marika voalohany ahafantaran’ny olona ny skoto. Mariky ny fiombonana ny fehitenda, fiombonana eo amin’ny sehatra irotsahana (mitovy lokom-pehitenda) no sady fiombonana amin’ny skoto rehetra eran’izao tontolo izao mihitsy. Tsy haingokaingo fotsiny ny fehitenda fa sady fitaovana afaka ampiasaina amin’ny toe-javatra maro : rehefa sendra […]

Tondrozotra fananganana Tranombitsika rezionaly
5 mai 2022

Mizara roa tanteraka ny paikady sy tetika hananganana Tranombitsika rezionaly. Ny voalohany dia manaraka ny fepetra voalazan’ny fifanarahana teny Antsahamarofoza (TEM/MEDD) tamin’ny 30 jolay 2021. Ny faharoa dia dingana fohifohy kokoa tsy miankina amin’ny fifanaraham-piaraha-miasa. Avy hatrany dia jerena eny am-potony ny tany. Iarahana amin’ny Kaomina sy ny sampandraharahan’ny Domaine na Service topographique any amin’ny […]

Fitsipika ifampifehezana, hitantanana ny Tranombitsika
26 avril 2022

Famaritana Ny saha ivotoeran’ny Tily eto Madagasikara no antsoina hoe Tranombitsika. Anarana nalaina araka ny voalazan’ny Soratra masina : « Mandehana … diniho ny fanaon’ny vitsika ka mba hendre » (Ohabolana 6, 6). Io koa no fototra hamaharana entina hampivelarana sy hanapariahana ny tanĂ nan’ny Tily manerana ny Nosy. Alain-tahaka ny Gilwell park, izay naorin’i Baden […]

Politika iraisam-pirenena « Aro amin’ny herisetra »
8 mars 2022

Hodidina  Nanomboka teo amin’ny nandraisan’ny Fivoriamben’ny skotisma manerantany ny Fanapahan-kevitra 2002-07 « Arovy amin’ny herisetra sy ny loza ny skoto », ny taona 2002, dia fivoarana maro no efa hita teo anivon’ireo fikambanana Skoto isaky ny firenena (A/OSN) sy teo amin’ny sehatra manerantany izay nahafahana nandray anjara tamin’ny fampandrosoana ny sehatry ny fiarovana ny ankizy sy ny […]

Zon’ny ankizy
2 mars 2022

Amin’ny maha-hetsi-panabeazana tanora ny skotisma dia saika voakasiky ny zon’ny ankizy avokoa ny maro amin’ireo beazina ao (06 hatramin’ny 25 taona). Ny volana janoary 2022 dia nanomboka niara-niasa tamin’ny UNICEF sy ny MĂ©diature de la RĂ©publique ny Tily eto Madagasikara, izay samy misehatra amin’ny fampiroboroboana ny zon’ny ankizy. Inona no atao hoe zon’ny ankizy ? […]