Tantaran’ny Faritany Tily Matsiatra Ambony
22 septembre 2021

1938: Dokotera teny Tambohobe i DENIS RAKOTOARIMANANA. Izy no namory tanora maromaro tao Ivory Avaratra fa manam-pikasana hitondra ny skotisma tao Fianarantsoa. Teny amin’ny Sekoly Rabaut Saint Etienne Ivohidahy no nisoratra anarana, ary teny no nivory ireo nanolo-tena hanao Skoto tao Fianarantsoa. 12 mirahalahy no niara-nivory, nianatra teknika sy ny momba ny Tily. Tafatsangana soa […]

Ny tsara ho fantatra momba ny code morse: teknolojian’ny taonjato faha-XIX
7 mai 2021

Raha vao miresaka teknika fampitan-kafatra dia « morse » no tonga  voalohany ao an-tsaina. Teknika nanana ny maha-izy azy mihitsy ny morse nandritra ny taonjato faha-XIX sy ny fiandohan’ny taonjato faha-XX rehefa niroborobo ny fifandraisana tamin’ny alalan’ny telegraphe. Ny skoto no anisan’ny tena nampiasa io teknolojia io ary nalaza tamin’ny fifehezana azy, ankoatra ireo nampiasa […]

Litorijia firaisam-pinoana iombonan’ny tily
18 avril 2021

Ireto zaraina ireto misy tondrozotra fandrafetana ny fotoam-pivavahana amin’ny karazam-potoana samihafa mety hiainan’ny Tily any am-pivondronana na eny anivon’ny Faritany, indrindra raha hetsika iraisam-pinoana iarahana sinodam-piangonana maromaro. Litorjia Salamo (azo hiraina na vakiana) Hira Vavaka fisaorana Hira Toriteny na hafatra Vavaka fifonana Hira Ranombavaka (faranana amin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo) Rakitra Tsodrano Vavaka sy hira famaranana […]

Vavaky ny Tily

Ry Andriamanitra Ă´, Raiko any an-danitra Ianao.Mahatsiaro ny tenako ho kely aho ka mivavaka Aminao.Omeo hery aho mba ho tonga zaza lahy salama, matanjaka, sahy, maharitra sy marina.Tohano aho mba hahay manoa ny LalĂ na sy manatanteraka ny Fanekena TilyTolory ny Fanahinao Masina aho dia ho tonga zazalahy tsara fanahy, madio fo sy mazava saina ka […]

Jamboree 2023 : Tandremo voalohany!
17 avril 2021

Tapaky ny Fivoriambe faha-41 notanterahin’ny Organisation Mondiale du Mouvement Scout (OMMS) tany Baku (Azebaidjan) ny taona 2017, fa ny Repoblikan’i Korea Atsimo no hampiantrano ny Jamboree faha-25, ny 1 hatramin’ny 12 Aogositra 2023. ao amin’ny tanĂ na antsoina hoe SaeManGeum, Jeollabuk-do.  Inona no atao hoe Jamboree ? Ny Jamboree dia hetsi-panabeazana iraisam-pirenena karakarain’ny OMMS isaky ny […]

Mifamatotra tanteraka ny maha-Tily sy ny fiainam-Piangonana
4 avril 2021

Ny asa ivelany no fanehoana ny fahaveloman’ny Fiangonana ary anisan’ny tomponandraikitra amin’izany ny Tily. Ho hitan’ise ato : Inona no atao hoe Fiangonana? Ankohonan’Andriamanitra. An’Andriamanitra irery. Vavolombelon’I Jesoa Kristy Ny iraka na antom-pisiany Tomponandraikitra eo anivon’ny Fiangonana ny Tily Kristianina ny Tily Mpanompon’Andriamanitra ny Tily Tsy mihataka amin’ny Fiangonana ny Tily Tsy hihidy anaty rindrina […]