Sokajy
Marika sy endrika fampiainana Sampana Menafify

Marika faha-35 taona Menafify

Ho fanamarihana ny faha-35 taona nijoroan’ny Sampana Menafify dia misy ny sary famantarana manokana ampiasaina mandritra ny taona 2023.

Lalao nandraisan’ny rehetra nisafidianana ny marika ho ampiasaina ka asa tanan’i TSITSIHY Mandamy no voafidy hanamarihana ny taom-ankalazana faha-35 taonan’ny Menafify.

Logo faha-35 taona Menafify

Niainga tamin’ny teny fanevan’ny fankalazana no nanamboarana ny marika sy ny heviny.

« Ary, indro, ato aminay Andriamanitra ho Mpitarika anay… Tanteraho ny fanompoanao »

I Tantara 13:12a


Hazo Fijaliana baben’ny ny soratra hoe « 35 » : manambara fisian’Andriamanitra, ho mpitarika ny Menafify, ary ny maha zava- dehibe ny Asa fanompoana (izay no mahatonga ilay 35 mibaby hazo fijaliana).

Maraefadafy (losange) : miainga avy amin’ny hazo fijaliana, ka ao anatin’izay ilay sary mpitarika menafify. Midika Fifehezana sy Fahefana ananan’l Jesoa Kristy Mpamonjy, amin’ny maha-Mpitarika Azy. Manambara ihany koa ampinga miaro.

1988-2023 : taona niforonan’ny Menafify ka hatrami’izao taona fankalazana izao.

Loko volondavenina: fanetren-tena (hazo fijaliana, maraefadafy manodidina « mifehy » ny Menafify.

Loko Menafify : masoandro Mody, dia taratr’ilay Sampana Menafify mihitsy.


Aza misalasala manatona ny Departemanta Serasera (DSS) ao amin'ny Faritany misy an'ise raha mila torohevitra momba ny fampiasana ny marika, na manatona ny Departemanta Fandraharahana sy Vola (DFaV) mahakasika izay mety ho fitrandrahana azy hanaovana fitadiavam-bola na varotra.