Sokajy
Sampana Maitso Tily

Lomay

Roso tsy miverina

Irina sy telina tokoa ny mba hisian’ny fitoviana lenta eo amin’ny sampana maitso manerana ny Nosy, indrindra eo amin’ny fiatrehana ny fifaninana nasionaly. Iray amin’izany ny LOMAY ka ilaina ny fampitoviana tadin-dokanga amin’ny isika, mba samy faritany, faritra ary fivondronana mitovy lenta amin’ny fiomanana ny sampana maitso rehetra.

Inona no atao hoe Lomay ?

Ara-pamaritana ny hoe LOMAY dia, nalaina avy amin’ny voambolan’ny foko bara, entina ilazana hazakazaka: izany hoe olona iray na olona maromaro mihazakazaka hanatratra tanjona iray.

Nofidiana io anarana hoe LOMAY io entina iantsoana ny lalao fifaninanana teknika tily sampana maitso eo amin’ny sehatra nasionaly.

Foto-kevitra niaingana ho an’ny LOMAY (sy ny TENDRO amin’ny ankapobeny)

Tany am-piandohana dia fitaovana iray entina handrefesana ny zava-bita nandritra ny taom-piasana ny TENDRO. Lasy miendrika LALAO RANORAY FOTSINY izay hihaonan’ny sokajy voafantina isam-paritany manerana ny nosy mba hisian’ny fifanankalozana, fitoviana ary indrindra ny firaisan-kina sy fitiavana; ary hanamafisana hatrany ilay fiainam-bondrona. Amin’ny maha TENDRO azy izay dia izay tena lohany eo anivon’ny faritany no miatrika azy.

Izany hoe ny TENDRO (ao anatin’izany ny LOMAY) dia natao ho :

  • Fampiainana ny fiainan-tsokajy
  • Fanehoana ny firahalahiana
  • Fampiainana ny talenta ao anatin’ny fotoana fohy mba hanodrotana ny lenta vaovao ho an’ny isam-batanolona

Ho an’ny sampana mavo dia ny REMBY (nantsoina koa fahiny hoe VIKINA), ho an’ny sampana maitso dia LOMAY, ho an’ny sampana mena DIGNIERY, ary sampana menafify dia ny AMPAMOLOANA (hanavahana ny lalao nasionaly amin’ny FOTASA, izay sehatra Faritany).
TENDRO kosa no iantsoana ny fitambaran’ireo rehetra ireo, ary natokana ho fiantsoana amin’ny sehatra nasionaly ireo.

Vakio ato ny momba ny TENDRO

Tarigetran’ny LOMAY

« Roso tsy miverina« , izay no tarigetra tratrarina.
Raha ny tokony ho izy izany, izay sokajy rehetra niatrika, ny Filoha rehetra nitarika dia ho niaina traikefa miavaka indray mandeha amin’ny fiainany ka tsy tokony hiverina hitarika sy hanatrika intsony.

Hiran’ny LOMAY

Roso tsy miverina izay no tarigetra
Na inona itsapana na inona fepetra.
Hainandro mahatorana fanala vao maraina
Sokajy sahy sedra sokajy iray aina.

Lalao na teknika fampiasana herim-batana
Asehonay zahay fa tily roso lalana
Ka indro faneva no asandratray tokoa
Ny satan’ny sokajy mandrisika ao am-po.

Tsy manana ahiana, tena feno toky
Fa ny mitarika dia i Jesosy Zoky
Na ino mampijaly, na ino manahirana
Atao am-pitsikiana sy tava mirana.

Fiverenana
ka hira no manako hatrany lavitra any
Hira tily sambatra mavitrika fandeha
Famindra sy fihetsika manintona aoka izany
Handeha hamakivaky havoana marobe.

Feony sy tonony:
VITSIKA Mpitarika
MAKY Mpampifaly

Mariky ny LOMAY

đŸƒâ€â™‚ïž Mari-dalana HAINGANA
🏞 miampy KIJANA be misy FANEVA iray eny an-tendrony.
đŸŸ© Ireo rehetra ireo samy miloko MAITSO avokoa (satria sampana maitso),
đŸȘ ary ao anaty endrika papango toy ny mariky ny TENDRO (hamantarana fa ao anatin’ny TENDRO, ary mandray anjara amin’ny fanabeazana iray ny sampana rehetra)

Ny lalao anatin’ny LOMAY

Satria sehetra nasionaly no hilalaovana dia natao ho lenta MENAVAZANA ary indrindra miainga avy amin’ny TALENTA misy eo amin’ny sampana maitso ny lentan’ny LOMAY.

Toe-tsaina iatrehana ny LOMAY

  1. Hatsarana 
  2. Hakingana
  3. Fahombiazana
  4. Toe-tsaina tily

Mpandray anjara

Sokajy iray isam-paritany no miatrika ny LOMAY, ka sokajy voafantina isam-paritany niainga avy amin’ny LALAO nifototra amin’ny TALENTA misy eo anivon’ny  sampana maitso.

Endriky ny lalao anatin’ny LOMAY

Ny lalao rehetra dia ezahina hanabe ny ara-batana, ara-tsaina, ara-panahy, ara-pihetseham-po ary ara-piarahamonina.

OLOMAY

Lalao ara-batana ranofotsiny. Tsara raha efa miomana ara-batana ny sokajy tsirairay avy.

Ireto avy ireo mety hita ao anatin’ny OLOMAY.

  • Mamindra (mandeha tongotra)
  • Hazakazaka
  • Miakatra amin’ny tady
  • Mitsambikina
  • Manipy zavatra
MAITEK

Lalao ara-teknika ranofotsiny no eto. Ilaina eto ny fahaizana teknika tily rehetra. Mety hisy poste maromaro araka izany ny endriny. Mety hisy koa hazakazaka mamonjy  poste.

LOMAIKETI

Sehatra hanehoan’ny sokajy ny fahaiza-mamorona ka mifototra amin’ny talenta ananany. Miainga avy amin’ny talenta sampana maitso ny fanaovana azy. Miainga amin’ny fitsidihan’ny sokajy ny toerana iray mampiavaka azy ny fanaovana ny MAKETY.

KOLOMAY

Sehatra kolotsaina no tena asongadina eto. Misafidy fomba amam-panao mampiavaka azy ny faritany tsirairay; aseho amin’ny alalan’ny tantara an-tsoratra mba ho raketina izany ary hisy sehatra hanehoana azy.

Ny fomba hanatanterahana azy dia amin’ny famaranana ny LOMAY ka sady hialana voly no mbola hifaninanan’ny sokajy rehetra.

Tsara raha efa mijery sy manomana mialoha ny isam-paritany.

LOMAINANDRO

Natokana ho an’ireo karazana lalao maro samihafa hanehoana fahalalana sy fahaizamanao ankapobeny, ary indrindra misy hifandraisana amin’ny talenta sampana maitso izay hitantsika ao amin’ny boky ANTSAHA.  Ao anatin’ity no ahitana ireo lalao toy RALLY LOMAY, LOMAIPIKA

MAISOMA

Lalao hamporisihana ireo sokajy hamaky sy hifehy ny soratra masina no atao eto. Omena mialoha ny  soratra masina ho dinihana mba hitovian’ny sokajy rehetra manerana ny Nosy. Ny Filazantsara (Matio, Marka, Lioka, Jaona) no hisintonana ny lalao.

SOMI

Sehatra ahafahan’ny sokajy tsirairay avy mifandray amin’ny alalan’ny tontolon’ny fifandraisana misy.

Tanjona ny hisian’ny fifanankalozana eo amin’ny samy sokajy, tokony ho hita ao ny zava-misy eo amin’ny sokajy, ny fananany, boky volamena, zavatra mampiavaka ny sokajy sns.

Milalao aloha vao mifaninana