Sokajy
Tranombitsika

Fitsipika ifampifehezana, hitantanana ny Tranombitsika

Famaritana

Ny saha ivotoeran’ny Tily eto Madagasikara no antsoina hoe Tranombitsika. Anarana nalaina araka ny voalazan’ny Soratra masina : « Mandehana … diniho ny fanaon’ny vitsika ka mba hendre » (Ohabolana 6, 6). Io koa no fototra hamaharana entina hampivelarana sy hanapariahana ny tanànan’ny Tily manerana ny Nosy. Alain-tahaka ny Gilwell park, izay naorin’i Baden Powell, tany Angletera. 

Azo ny tany tao Antsahamarofoza tamin’ny 1994. Roapolo taona taty aoriana, 2017, no nanomboka ny asa fananganana isankarazany. Nitsiry ny hevitra hanapariahana ny Tranombitsika any amin’ny Faritra. Nosantarina tamin’ny fifanekem-piarahamiasa teo amin’ny Tily eto Madagasikara sy ny Ministeran’ny tontolo iainana ary ny fandrosoana lovainjafy izany ny 30 jolay 2021 : « Convention d’Antsahamarofoza ». Nanomboka teo dia antsoina hoe Tranombitsika nasionaly ny eny Antsahamarofoza ary Tranombitsika rezionaly ny any amin’ny Faritra. Mila lamina maty paika sy tsara rindra ny fanitarana ny tanànan’ny Tily. 

Espace vitsika

Fitantanana sy andraikitry ny isan’ambaratonga

Komity Lehibe (KL)
Filoha Foibe sy ireo mpanampy azy, ny sefon’ny DFF sy ny mpanampy azy, ary ny Filan-kevitry ny Foibe (FFB/DFF/FKF)
Ireo Filoha Foibe teo aloha
Ny Birao mpanatanteraka foibe (Bureau exécutif central na BE)
sehatrasa (Pôles d’activité)

Rafitra

Misy antanan-tohatra telo ny rafitra:

  1. Ny Komity Lehibe (Mpanaramaso / Araka ny Fitsipika anatiny, and. 10)
    Ny Filoha Foibe sy ny mpanampy azy, ny filohan’ny DFF sy ny mpanampy azy, ary ny Filan-kevitry ny Foibe (FFB/DFF/FKF)
    Ho fakan-kevitra amin’izay rehetra mety ilana azy ireo FFB teo aloha 
  2. Ny Birao mpanatanteraka foibe (Bureau exécutif central).
    Mitarika ny ekipa amin’ity rafitra ity ny Mpiandraiki-draharaha ankapobeny (Intendant général) avy amin’ny DFF. Manampy azy ny solotena iray avy avy amin’ny DEF sy DFB. Afaka miantso mpanampy azy avy ao amin’ny DFF ny Mpiandraiki-draharaha.
  3. Ny Mpiandraikitra ny Tranombitsika rezionaly isaky ny Faritra (araka ny fitsinjaram-paritry ny Fanjakana). Aty am-pihandohana dia ny Filoham-paritany Tily sy Filoha iray avy amin’ny Faritany, tendren’ny ekipam-paritany, no misahana ny Tranombitsika rezionaly iray. Miara-mitantana amin’ny Birao mpanatanteraka foibe izy roa ireo amin’izany.
    Miaraka amin’io ireo sehatrasa samihafa ao amin’ny Tranombitsika nasionaly (Pôles d’activité). 

Ireto avy ireo sehatrasa efa misy :

  • IFTEM, iandraiketan’ny DEF
  • Atiala, iandraiketan’ny Sampana Mavo. Misy komity mitantana izy io. 
  • Vinkina, iandraiketan’ny Sampana Maitso
  • Toeram-panatanjahan-tena, iandraiketan’ny Sampana Mena
  • Fampidiran-drano, iandraiketan’ny Sampana Menafify
  • Espace vitsika, iandraiketan’ny DFF
  • Antsahamanitra bis, amboarin’ny Réseau Fivoarana Développement (RFD, mpiaramiombon’antoka amin’ny Tily) ary iandraiketan’ny DFF rehefa vita io foto-drafitrasa io.   
  • Fandraharahana ankapobeny (Affaires générales), iandraiketan’ny DFF sy ny mpiambina ny tanàna. 

Andraikitra iray no sahanin’ny olona iray. Raha tsy ampy olona ny DFF dia afaka maka olona any anaty departemanta hafa, na maka Tantsoroka. Azo atao ny maka olona ivelan’ny fikambanana raha tsy misy afaka manao ny asa takiana manokana ny ao anaty fikambanana, kanefa olona tsy maintsy manaiky ny fifampitondrana sy ny soatoavina skoto.

Tsy maintsy manendry mpisolo toerana (Interim) ny tompon’andraikitra rehetra ao amin’ny Tranombitsika rehefa misy tsy maha-afaka ny tompon-toerana, mba tsy hampitarazoka ny asa aman-draharaha.

Toy izao ny rafitra raha aseho an-tsary :

Fitantanana sy andraikitry ny isan’ambaratonga

Komity Lehibe (KL)

Manara-maso sy manolo-tsaina no asan’ny KL, araka ny Fitsipika anatin’ny fikambanana Mpanazava sy Tily Eto Madagasikara (and.10). 

Manome fankatoavana ny tetikasa (plan triennal) avy amin’ny Birao mpanatanteraky ny Tranombitsika izy. Afaka mangataka fanitsiana ihany koa. 

Manana fahefana feno mijery eny ifotony ny fampandehanana ny Tranombitsika ny KL. Milaza mialoha ny mpitantana ny Tranombitsika izay hanatanteraka izany mba ahafahan’ity farany manomana ny fandraisana am-pahavononana. 

Afaka misolo tena ny mpikambana ao anaty KL ny filohan’ny KL.

Filoha Foibe sy ireo mpanampy azy, ny sefon’ny DFF sy ny mpanampy azy, ary ny Filan-kevitry ny Foibe (FFB/DFF/FKF)

Ny FFB/DFF/FKF no rafitra misolo tena ireo rantsa-mangaikan’ny TEM. Manara-maso sy manolo-tsaina ny Birao mpanatanteraky ny Tranombitsika izy. Manana fahefana feno mijery eny ifotony ny fampandehanana ny Tranombitsika ny FFB/DFF/FKF. Manome fahefana ny DFF Fotodrafitrasa/Fitaovana ny FFB/DFF/FKF momba ny fanaraha-maso ny fotodrafitrasa sy fitaovana ary fananana rehetra ao amin’ny Tranombitsika. Manome fahefana ny DFF Tetikasa/Fiaraha-miombon’antoka ny FFB/DFF/FKF momba ny fanaraha-maso ireo tetikasa sy fiarahamiombon’antoka rehetra ao amin’ny Tranombitsika. Milaza mialoha ny mpitantana ny Tranombitsika izay hanatanteraka izany mba ahafahan’ity farany manomana ny fandraisana am-pahavononana. 

Manamarina ny fahamarinam-pototry ny tetikasa sy ireo hetsika rehetra tanterahana ao anaty Tranombitsika ny FFB/DFF/FKF mba hifanaraka amin’ny foto-kevitry ny TEM. 

Mahasolo ny FKF avy hatrany ny FFB raha misy ny hamehana. Anaovany tatitra amin’ny FKF izany. Mety hanana fandaminana anatiny koa ireo sehatra roa ireo. Afaka manome iraka sy andraikitra ny DFF koa anefa ny FFB sy ny FKF arakaraky ny hamehana sy ny zava-miseho..

Izany rehetra izany dia « ho an’ny fanabeazana avokoa »

Ireo Filoha Foibe teo aloha

Mpanolo-tsaina, ary antsoina amin’izay rehetra ilana azy amin’izany andraikitra izany ny FFB teo aloha. Natao izany mba hisian’ny fitohizan’ireo asa efa natao teo aloha amin’ny tetikasa misy sy ho avy. 

Tsy manapa-kevitra izy, kanefa afaka mitondra ny anjara birikiny amin’ny fanohanana ny tetikasa samihafa anaty Tranombitsika.

Arak’izany dia azo lazaina fa tsy ao anaty rafitry ny Tranomitsika ny FFB teo aloha fa fakan-kevitra noho ny traikefa ananany.

Ny Birao mpanatanteraka foibe (Bureau exécutif central na BE)

Misolo tena ny Tranombitsika ny BE. Manasongadina ny maha iray ny Tranombitsika izy. Anjarany no mametraka lamina ahafahana mandamina sy mandrindra ny asa rehetra ao anaty Tranombitsika. Iarahana amin’ireo sehatrasa samihafa izany.

Anjaran’ny BE ny mamorona tetikasa hanatsarana, handravahana, hiarovana sy hiambenana, ary hivelaran’ny Tranombitsika. Anisan’izany ny fanentanana sy ny fambolena hazo ary ny fanaovana zaridaina mahafinaritra ny Tranombitsika. 

Manao volavolan-tetikasa ho tanterahana ao anaty telo taona ny Birao mpanatanteraka (Plan triennal). Ny volavolan-tetikasan’ny sehatrasa tsirairay sy ny tetikasa tsy sahanin’ireo sehatrasa no mandrafitra ny volavolan-tetikasan’ny Birao mpanatanteraka. Atolotra ny FFB/DFF/FKF izany ary aroso eo amin’ny KL hakana fankatoavana. 

Isaky ny faran’ny taona dia manao tatitra amin’ny KL sy ny FFB/DFF/FKF ny Birao mpanatanteraka (rapport moral et financier), ny volana janoary aorian’ny taona voahitsaka no hanatanterahany izany. Ny FFB/DFF/FKF no mandamina ny fihaonan’ny BE amin’ny KL.

Anjaran’ny BE no mitsinjara ny faritry ny Tranombitsika hanatanterahana ireo sehatrasa samihafa. 

Tsy maintsy manana Boky fitantanana (Livret de gestion) ny BE. Hita ao farafahakeliny ireto : 

  • taratasy fanendrena isankarazany, 
  • ny fitsipika anatin’ny BE, 
  • ny lisitry ny fotodrafitrasa iandraiketany, 
  • lisitry ny fitaovana iandraiketany rehetra, 
  • ny tatitra isankarazany, ny fazahoan-dalana isankarazany.

Mpiandraikitra ankapobeny na “Intendant général” no iantsona ny tomponandraikitra voalohany ao amin’ny BE. Atolotry ny DFF izy ary tendren’ny FFB rehefa nahazo fankatoavan’ny FKF.

Manampy ny mpiandraikitra ankapobeny amin’ny asany ny solotena 01 avy amin’ny DFB sy solotena iray avy amin’ny DEF ary solotena vitsivitsy avy amin’ny DFF tsy mbola manana andraikitra anaty Tranombitsika. 

Manao fandaminana anatiny momba ny fomba fiasany ny ekipa anaty BE.

Ny vavahady fidirana ao amin’ny Tranombitsika, Antsahmarofoza

Sehatrasa (Pôles d’activité)

Ny Departemanta ao anaty rafitry ny foibe Tily eto Madagasikara no manolotra ireo olona hitantana ny sehatrasa. 

Anjaran’ny sehatrasa tsirairay ny mikojakoja sy manatsara ny tandrify azy avy. Tsy maintsy mangarahara ny fitantanana rehetra, ary tokony mifanaraka amin’ny lamina sy fandaminana apetraky ny BE. Noho izany dia anjaran’ny sehatrasa no mampahafantatra ny tetikasa na hetsika tiany ho atao ao amin’ny BE. Manome fankatoavana na fanitsiana ny tetikasa entin’ny sehatrasa ny BE.

Ezahana hajaina ny fahaleovantenan’ny sehatrasa tsirairay avy na ara-pitantanana, na ara-bola. 

Tsy maintsy manana Boky fitantanana (Livret de gestion) ny sehatrasa tsirairay. Hita ao farafahakeliny ireto : taratasy fanendrena isankarazany, ny fitsipika anatin’ny sehatrasa, ny lisitry ny fotodrafitrasa iandraiketany, lisitry ny fitaovana iandraiketany rehetra, ny tatitra isankarazany, ny taratasy fazahoan-dalana samihafa).

Olona roa farafahakeliny no mitantana ny sehatrasa iray. Afaka manangana rafitra anatiny izy arakaraky ny filàny.

Mpitantana na gérant no iantsona ny tomponandraikitra voalohany ao amin’ny sehatrasa iray. (Ohatra : Mpitantana ny IFTEM, na Gérant de l’IFTEM). Atolotry ny Departemanta niaviny izy. Izy kosa avy eo no manendry izay ho mpiara-miasa aminy rehefa nahazo fankatoavan’ny Departemanta niaviny. 

Raha misy vahiny manam-pikasana hanao hetsika ao amin’ny sehatrasa iray dia ny Mpitantana no tompo-marika voalohany (manao ny fandraharahana, manara-maso ny toerana manandrify ny sehatrasa). Raha sehatrasa mihoatra ny roa no voakasika dia ny BE no tompo-marika voalohany eo anatrehan’ny vahiny (fandraharahana). Anjaran’ny BE avy eo no mizara andraikitra amin’ny sehatrasa voakasika momba ny fanaraha-maso ny toerana misy ny sehatrasa voakasika.

Anjaran’ny sehatrasa tsirairay no mampahafantatra ny tetiandro, miovaova sy mandavan-taona any amin’ny BE, atao tsy an-kiato izany.

Fandraharahana ankapobeny (Affaires générales)

Ny fandraharahana ankapobeny no miara-miasa akaiky indrindra ny BE amin’ny fanatanterahana ny asa samihafa anaty Tranombitsika izay tsy mifanandrify ireo sehatrasa samihafa. Solotena avy amin’ny DFF no ao anaty Fandraharahana, ary tsy mbola manana andraikitra anaty sehatrasa. Manampy azy ireo ny olona manana fahaizana manokana, izay ilain’ny Tranombitsika. 

Fitantanam-bola sy samihafa

Tsy maintsy manangana teti-bola (budget prévisionnel) ho ampiasaina mandritry ny taona sehatrasa tsirairay. Rehefa mifarana ny taona dia manao tatitra ara-bola feno (bilan, compte de résultat, journalier). Manao toy izany koa ny Birao mpanatanteraka. 

Ny kaonty isaky ny sehatrasa dia mahaleo tena ny fitantanana azy, saingy mitambatra ho kaontin’ny Tranombitsika nasionaly amin’ny alalan’ny sora-bola. Raha ilaina ny fitehirizana izany amin’ny banky dia ao amin’ny kaontin’ny Tily Eto Madagasikara no apetraka (zana-kaonty Tranombitsika). Mazava ho azy fa manana zana-kaonty ao amin’ny Tily Eto Madagasikara ny Tranombitsika. 

An’ny Tily Eto Madagasikara ny Tranombitsika. Noho izany dia tohana ho an’ny fanabeazana izy. Manatanteraka ny filàna samihafa avy amin’ny Foibe Tily Eto Madagasikara na arak’olona na ara-bola na ara-pitaovana ny Tranombitsika. Manana fahefana feno amin’ny fanaraha-maso ny fitantanana amin’ny lafiny rehetra ary amin’ny alalan’ny rafitra mijoro ny Tily eto Madagasikara.

Raha misy fifanolanana amin’ny fitantanana ny Tranombitsika dia entina eo anatrehan’ny ODK Foibe (raharaha anatin’ny Foibe aloha). Raha tsy mbola milamina dia entina eo amin’ny FFB/DFF/FKF ny raharaha. Raha sanatria tsy mbola miravona ny olana dia entina ao amin’ny KL.

Ny mpikambana ao anatin’ny TEM rehetra dia afaka mitondra anjara biriky hanatsarana ny Tranombitsika. Raha sehatrasa no voakasika dia ny Mpitantana sehatrasa no mandrindra ny fanatanterahana izany. Raha ivelan’ny sehatrasa dia anjaran’ny BE no mandrindra ny fanatanterahana izany. Anjaran’ny tomponandraikitry ny Tranombitsika voakasiky ny anjara biriky no mandamina ny fanatanterahana izany.

Afaka misitraka ny Tranombitsika ny tily rehetra ara-dalàna, tsy misy anavahana. Manaraka ny lamina apetraky ny tomponandraikitra samihafa eny amin’ny Tranombitsika izy amin’izany fisitrahana izany (fanadiovana, filaminana, tetiandro).

Ny firahalahiana skoto sy ny fanekena Tily no aro fanina hialana amin’ny fifanolanana samihafa. Omena vahana ny tenierana amin’ny fifampitondrana.

Atiala: Toerana filalaovana katro

Tarazo

Amin’izao taom-piasana 2021-2024 izao dia notsongain’ny Birao mpanatanteraka ho filamatra manerana ny Tranombitsika ny voalaza ao amin’ny Soratra masina hoe : « Ary Jehovah Andriamanitra nitondra an-dralehilahy ka namponina azy tao amin’ny saha Edena hiasa sy hitandrina azy ». Gen. 2, 15.

Manana faneva ny Tranombitsika (1,20 m x 1 m). 

Tokony misy fametrahana amin’ny toerana ny Mpiandraiki-draharaha ankapobeny (Intendant général) sy ny ekipany isaky ny fihatombohan’ny fotoam-piasany. Mamindra ny faneva amin’ny fomba ofisialy sy fomba skoto amin’ny mpandimby toerana ny Intendant général sy ny ekipany rehefa vita ny fotoam-piasany. Ny Filoha foibe no manolotra ny faneva amin’ny Intendant général. Rehefa vita ny fotoam-piasana dia averin’ny Intendant général amin’ny FFB ny faneva, ary ity farany indray no manolotra izany ho an’ny mpandimby toerana. Fomba iray entina hanomezan-danja ny tanànan’ny Tily manerana ny Nosy ity tarazo ity. 

Ny Tranombitsika rezionaly

Ny Filoham-paritany sy Tily iray avy amin’ny ekipan’ny Faritany no mitantana ny Tranombitsika rezionaly. Miara-miasa akaiky amin’ny BE izy ireo eo am-panatanterahana izany.

Vao ho foronina ny Tranombitsika rezionaly. Manaraka tsara ny toromarika avy amin’ny BE ny any amin’ny faritany eo am-pananganana azy.

Fankatoavana sy fikitihana ity Fitsipika ity

Ny fanovana rehetra ao anatin’ity Fitsipika ifampifehezana hitantanana ny Tranombitsika ity dia tsy maintsy aroso hakana fankatoavana ao amin’ny FFB/DFF/FKF.

« Ny tao-trano tsy efan’ny irery ».

« Hikolokolo sy hiambina ny saha … » Gen. 2, 15

Fanazavana fanampiny:

Ny Birao mpanatanteraka Tranombitsika
Tily eto Madagasikara