Sokajy
Marika sy endrika fampiainana

Ireo karazana fehitenda fampiasan’ny Tily

Isan’ny endrika fampiainana iombonan’ny skoto eran’izao tontolo izao ny fehitenda, ary marika voalohany ahafantaran’ny olona ny skoto. Mariky ny fiombonana ny fehitenda, fiombonana eo amin’ny sehatra irotsahana (mitovy lokom-pehitenda) no sady fiombonana amin’ny skoto rehetra eran’izao tontolo izao mihitsy.

Tsy haingokaingo fotsiny ny fehitenda fa sady fitaovana afaka ampiasaina amin’ny toe-javatra maro : rehefa sendra ny voina, afaka hiarovana amin’ny masoandro, ny hatsiaka, ary ny tadio, …

Ny nihavian’ny fehitenda skoto

Nandritra ny fandraisain’i Baden Powell anjara tamin’ny ady faharoa tao Matabele, ny taona 1896, dia niara-niasa tamin’i Frederick Russell Burnham izay mpisava lalana Amerikana nampiasain’ny tafika britanika izy. Nalain’i Baden Powell tahaka ny fomba fiakanjon’i Burnham, ka tanatin’izany “ilay lamba kely miloko volon-davenona nifatotra teo an-tendany nataony fiarovana mba tsy ho main’ny masoandro”. Rehefa nanokatra ny lasy skoto voalohany tao amin’ny Nosy Brownsea izy ny 01 aogositra 1907, dia nataony fitoviana ho an’ireo zazalahy mpiara-nilasy tao ny fisalorana fehitenda. Rehefa nanoratra ny boky Scouting for boys izy tamin’ny taona 1908, dia nampidiriny ho isan’ny fanamiana skoto ny fehitenda.

Ny fomba fisalotra ny fehitenda ho an’ny tily

Na dia tsy manao fanamiana ara-dalàna aza ny skoto rehefa manao sahan’asa, dia tsara manao fehitenda hatrany ho fifankahafantarana, sady fijoroana ho vavolombelona eo amin’izay fiaraha-monina irotsahana. Mety hisy ny fehitenda vokarina manokana araka ny filàna ao anaty hetsika iray ho mariky ny fiombonana.

Aorina milamina  tsara ny fehitenda ary avona amin’ny alalan’ny vona na vonam-pehitenda, mifanitsy haavo amin’ny vanin-taolana ambony amin’ny tratra (manubrium sternal).

« Mety ho toy ny hoe tsy misy dikany ny fianjaika sy ny maha-ara-dalàna ny pitsopitsony kely rehetra amin’ny fanamiana, nefa tena misy lanjany be amin’ny fivelaran’ny fanajana ny maha-izy azy ny tena ireny; sady tena misy dikany be dia be amin’ny fijerin’ny olona ivelany ny fikambanantsika ireny satria izay hitan’ny masony no hitsarany antsika. » 

Baden Powell, Aids to Scoutmastership (1920) p.26

Ho an’ny Tily Eto Madagasikara manokana, dia manana ny refy voafaritra tsara ny fehitenda :

Ireo karazana fehitenda fampiasan’ny Tily eto Madagasikara 

Ny fehitendam-pivondronana

Samy manana ny lokom-pehitendany ny fivondronana tsirairay avy, ary matetika dia misy heviny ny loko hita eo amin’ny fehitenda. 

Ireo tily efa nanao ny fanekena skoto no misalotra ny fehitendam-pivondronana.

« Samy manana ny lokom-pehitendany ny antoko tsirairay. Ary satria mifamatotra amin’ny fehitendan’ise ny hasin’ny antokon’ise, dia mila ise mitandro azy hadio sy milamina tsara foana »

Baden Powell, Scouting for Boys (Campfire Yarn No 2). P.29 oldscoutbooks.com/yarns00-28.pdf 

Ny fehitenda Menafify

Ny fehitenda Menafify dia natokana ho an’ireo zatovolahy beazina ao amin’ny sampana menafify. Miloko menafify (bordeau) ny tokotaniny ary ahitana telozoro ny lokom-pivondronany eo amin’ny tendrony izay mipetraka eo amin’ny hatoka.

Ny mariky ny Menafify apetraka eo amin‟ny fehitenda ao aoriana no famantarana ireo Mpitarika efa nahavita Fanekena Fanorenana. (Boky Torolalana ho an’ny Menafify)

Ny fehitendan’ny toniam-pivondronana

Ny fehitenda toniam-pivondronana dia ho an’ny toniam-pivondranana efa natolotra tao am-piangonana. Miloko volomboasary ny tokotaniny ary ahitana telozoro mitondra lokom-pivondronana eo amin’ny tendrony mipetaka eo amin’ny hatoka.

Ny fehitendan’ny Mpiraidia faritany

Ny fehitenda miloko manga no ahafantarana ireo Filoha Tily voaantso eny anivon’ny faritany. Miloko manga antitra manontolo izy io ary ahitany ny marika Ravinala.

Mitovy avokoa io fehitenda io ho mariky ny fiombonana fa samy Filoha Tily eto Madagasikara. Misoratra manodidina ny marika Ravinala ny anaran’ny Faritany hanompoany.

Ny fehitenda tantsoroka

Ny fehitendan’ny tantsoroka faritany dia natokana ho an’ireo mpanabe manana fahaiza-manao manokana ka nantsoina hanome fanohanana an-tselika na dia mbola mitana andraikitra eny anivon’ny fivondronana na Faritany aza. 

Miloko volondavenona manontolo ny fehitendan’ny tantsoroka.

Ho an’ny tantsoroka faritany dia ahitana ny marika Ravinala sy ny anaran’ny faritany hanompoany eo amin’ny tendrony.

Ho an’ny tantsoroka nasionaly dia misy sisiny miloko fotsy, mena, maitso (lokon’ny sainam-pirenena malagasy), ary ahitana ny marika fleur de lys eo amin’ny tendrony.

Ny fehitenda Ekipa Nasionaly

Ny fehitendan’ny mpiraidia nasionaly dia miloko fotsy ny tokontaniny, misy sisiny miloko fotsy, mena, maitso (lokon’ny sainam-pirenena malagasy) ary ahitana ny marika Fleur de Lys eo amin’ny tendrony, mariky ny fiombonana amin’ny fianakaviamben’ny skoto eran-tany.

Ny fehitendan’ny rafitra mpitantana (Komitim-paritany sy Komity lehibe)

Ny fehitendan’ny rafitra mpitantana  (Komitim-paritany – KOPA, Komity Lehibe – KL) dia misy sisiny ahitana ny marika Fleur de Lys (mariky ny skoto zazalahy) amin’ny tapany ilany tandrify ny soroka ankavanana ary ny marika Trèfle d’or (mariky ny skoto zazavavy) amin’ny tapany ilany tandrify ny soroka ankavia.

Ho an’ny Komitim-paritany, ny tokontaniny dia miloko tapany volomparasy ary tapany manga. Misalotra io fehitenda io koa ny filohan’ny Komitim-pivondronana amin’ny maha-isan’ny Komitim-paritany azy.

Ho an’ny Komity Lehibe, ny tokotaniny dia miloko fotsy.
Ny filohan’ny Komitim-paritany dia misalotra ny fehitenda tokotany fotsy noho izy isan’ny Komity Lehibe.

Ny fehitendan’ny rafitra mpanohana (FMT2S)

Ny fehitendan’ny Firaisan’ny Mpanazava sy Tily Tranainy ary Sakaiza (FMT2S) dia miloko maitso manontolo ary ahitana ny marika FMT2S eo amin’ny tendrony.

Ny fehitenda manokana iraisam-pirenena 

Misy karazana fehitenda maromaro iombonana amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Ny fehitenda Gilwell (Tari-panofanana)

Marika iraisan’ny tari-panofanana rehefa amin’ny andraikitra tandrify izany ny fehitenda Gilwell. Tsy mandeha irery ny fehitenda Gilwell fa tsy maintsy miaraka isalorana amin’ny vonam-pehitenda hoditra sy ny tapa-porohana.

Ny fehitenda FSM

Rehefa amin’ny sehatra iraisam-pirenena dia ny anaran’ny Firaisan’ny Skotisma eto Madagasikara no entintsika. Ankoatra ny mpiraidia nasionaly dia misy ny fehitenda manokana anaovana rehefa misolo tena an’i Madagasikara dia ny fehitenda tapany mena (ankavia), sy tapany maitso (ankavanana) ary misy sisiny fotsy.

Ny fehitenda Messenger of Peace

Ireo niatrika lasy « Messenger of peace » ka miatrika asa firotsahana eny amin’ny fiaraha-monina, mety ho mpandray anjara na mpitarika ilay asa firotsahana, dia misalotra ny fehitenda Messenger of Peace.

Miloko fotsy, misy ny mariky ny fandaharam-panabeazana iraisam-pirenena « Messenger of peace », ary misy sisiny maitso (ho an’ireo mpandray anjara tsotra) na manga (ho an’ireo mpanofana Messenger of Peace)

Ny fehitenda Scouts4sdgs

Ny fehitenda Scouts for SDGs no anaovan’ireo skoto « Ambasadaoron’ny Tanjon’ny Fandrosoana Lovainjafy » rehefa manao asa firotsahana, tetikasa, na sahanasa manokana momba ny ODD. Miloko fotsy, misy sisiny volomparasy ary misy ny marika « Scouts for SDGs » eo amin’ny hatoka.

Ny fehitenda International Leadership Training 

Manana fehitenda manokana ireo mpisitraka ny fiofanana « International Leadership Training » (ILT). Miloko manga tanora ary misy ny mariky ny fiofanana ILT eo in’ny hatoka.

Ny sisiny no misy mampiavaka azy tsirairay : sisiny volomparasy ho an’ireo mpanofana iraisam-pirenena, sisiny fotsy ho an’ny mpitarika nasionaly, ary ho an’ny mpiofana dia notsinjaraina ho mena (Antilin’i Madagasikara), volomboasary (Kiadin’i Madagasikara) ary mavo (Tily eto Madagasikara).