Sokajy
Aim-panahy

Litorjia fanekena mpanabe ho an’ny FSFLM (FLM)

HIRA : 283 and.1

Mandroso eo amin’ny alitara ny PASTORA hanomboka ny fotoana.

Ny TONIAN’NY FS.FLM (na ny SOLONTENANY NOTENDRENY) no mitarika ny fotoana manazava fohy ny raharaha.

Ny TONIA FS.FLM na ilay solontenany no miangavy ny Filoha MPANAZAVA sy TILY handroso ety aloha hitarika ny FANEKENA hampanao hira fahavononana MTEM ho fanokafana ny fotoana.

FILOHA MTEM: Mitsangana ny SKOTO rehetra manao fanamiana ara-dalàna.

Mpanazava! Vonona !

Manamparasaka fiainam-pifaliana …

Tandremo, Tily, hatrany hatrany! Vonona !

Indreto vonona …

Rehefa vita izany dia mijoro amin’ny andaniny roa eo amin’ny alitara ireo filoha.

PASTORA: (ao anaty alitara)

Ry Kristiana malala,

Jesosy Kristy Tompontsika manao hoe: « Be ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy, koa amin’izany mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra”Mat 9:38.

Indro ankehitriny misy Mpiandraikitra MPANAZAVA /TILY handroso eto anatrehantsika fa isan’ny hampandehananan’ny Tompo amin’ny asany, ka hanao ny Fankena manandrify izany. Koa misaotra an’Andriamanitra isika fa noho ny fahasoavany dia nomeny mpiara-miasa hanatanteraka ny fitaizana MPANAZAVA sy (na) TILY eto amin’ny Fiangonantsika.

Manana andraikitra isika Fiangonana amin’ny fanolokoloana sy fitaizana ireo ankizy eto amin’ny manodidina antsika, araka ny tenin’I Jesosy hoe:”ATAOVY MPIANATRO NY FIRENENA REHETRA”.

Koa mangataka ny Filohan’ny KOMITIM-PIVONDRONANA KP (Komitin’ny Skoto) hanononany mombamomba azy ireo: (dia tanisaiana avokoa ny mombamomba ilay mpiandraikitra)

FILOHAN’NY K.P: Manao ny filazalazana momba ny Mpiandraikitra.

(Izay voatonona miakatra eny aloha mitodika any amin’ny Fiangonana aloha)

PASTORA : indro/ indreto ny mpiandraikitra MPANAZAVA /TILY eto amintsika izay efa nahavita ny dingam-piofanana takiana aminy ary efa nahazo ny fankatoavana avy amin’ny FOIBEM-PIKAMBANANA sy ny KOMITY ny sampana FSFLM eto amintsika ka hiroso amin’ny fanekena ho mpiandraikitra.

Rehefa vita izany mitodika any amin’ny Alitara ny Mpinadraikitra ka manotany azy ireo ny Pastora ka manao hoe:

Moa ekena (ekenareo) tokoa va ny hanao izao fanompoana Masina atolotra anao (nareo ) izao araka ny tenin’Andriamanitra ?

Valiny : ENY TOMPOKO.

Manaiky tokoa va ianao (ianareo) fa hiankina amin’ny fahasoavan’Andraiamanitra, ka hangataka amin’ny Tompo isan’andro ny hery sy ny fanazavana avy amin’ny Fanahy Masina mba hampandroso anao (anareo) amin’ny fanompoana izay niantsoana anao (nareo)

Valiny : ENY TOMPOKO!

Rehefa vita izany dia miangavy ireo filoha ny PASTORA hanatanteraka ny anjarany, ka eo amin’ny toerany (andaniny roa) hatrany izy ireo, ka mandray fitenenana ny filoha MPANAZAVA na TILY. (marihina fa TSY MIAMBOHO ALITARA).

FILOHA MTEM :

Miangavy anareo (ISE) hanonona tsirairay ny fanekena, ka mandritra izany MITSANGANA ISIKA FIANGONANA ka tsy hipetraka raha tsy vita ny hiran’ny fanekena izay ataon’izy ireo ka izy ireo hihira ny andininy voalohany, isika SKOTO rehetra kosa hanaraka eo amin’ny fiverenana.

Hanao fiarahabana lehibe izy ireo hanonona ny fanekeny sady miatrika hatrany ny alitara fa isika rehetra efa vita fanekena kosa hanao fiarahabana kely sady hamerina ao am-potsika ny fanekena efa nataontsika.

FILOHA MTEM : Mangataka ny Fiangonana hitsangana Tompoko .

Mpanazava! Vonona !

Tandremo, Tily, hatrany hatrany! Vonona !

Tanterao ny fanekenareo (tsy manotany intsony ny filoha fa avy hatrany dia manonona ilay mpiandraikitra)

Manonona  ny  fanekeny  ilay  Mpiandrakitra : “amin’izao  fiantsoana  ahy  ho mpiandraikitra….”

TILY: Amin’izao fiantsoana ahy ho mpiandraikitra izao dia milaza ny marina aho fa azoko tsara sady ekeko ny zava-kendren’ny fikambanana TILY ETO MADAGASIKARA, hikely aina tokoa aho hanatenteraka ny adidiko amin’ny finoana sy fankatoavana an’I Jesosy Kristy Tompoko sy mpamonjy ahy. Andriamanitra anie hanampy ahy amin’izany”.

MPANAZAVA: “ Amin’izao fiantsoana ahy ho mpiandraikitra izao dia milaza ny marina aho fa azoko tsara sady ekeko ny zavakendren’ny fikambanana MPANAZAVA ETO MADAGASIKARA, hiezaka aho amin’ny fivoarana ara-tena sy ara-tsaina ary handalina ny fiainam-panahiko amin’ny fahalalana sy finoana an’I Jesosy Kristy Tompoko sy Mpamonjy ahy ary ho vavolombelony ao amin’ny Vorokely/Mpanazava/Afo izay iandraketako. Ny Herin’Andriamanitra no iankinako hanatanterahako izany.

Hiran’ny fanekena :

FILOHA MTEM: Mametraka avy hatrany ny mariky ny andraikitra natao teo.

“Apetrako amin’ISE ity marika ity fa ise dia mpiandraikitra…. Eto amin’ity…”

Rehefa vita izany dia asain’ny filoha mipetraka ny fiangonana. Mandroso eo amin’ny alitara ireo Mpiandraitra

PASTORA: (ao anaty alitara)

Noho ny fanekena izay nataona (ise) teo, dia aoka hifandray Tanana amin’izany isika.

Misolo vavany fiangonana aho ary mandray anao (ise) ho mpiandraikitra MPANAZAVA/TILY amin’ny anaran’Andriamanitra Ray sy zanaka ary Fanahy Masina.

Dia mandohalika ilay mpiandraikitra ary mametra-tanana aminy ny Pastora ka manao hoe :

“ ENGA ANIE KA HO SIKININ’NY TOMPO HERY AVY ANY AMBONY IANAO, MBA HO VITA TSARA NY ASANAO HO FAHASOAVANA HO ANAO, HO FITAHIANA HO ANAO AN’NY FIANGONANA SY NY FIRENENA IZAY HOTOMPOINAO ARY HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA ANIO SY HO MANDRAKIZAY” Amen.

Ataon’ny Pastora tsirairay toy izany izy ireo. Rehefa vita izay dia mitodika amin’ny Alitara ny Pastora ary manao ny VAVAKA hoe:

PASTORA: (Ritoaly p.139: FANOKANANA NY MPANAO RAHARAHA)

Ry Andriamanitra be indrafo o! Ianao no efa nampianatra anay amin’ny alalan’ny Zanakao Lahy tokana mba hangataka mpiasa amin’ny vokatrao, satria be ny hojinjaina fa ny mpiasa no vitsy. Koa dia mba henoy ny fangatahanay ho an’ity (IRETO), izay atokanay anio ho mpanomponao eo amin’ny Fiangonana. Tompo o! arovy izy (ireo) noho ny anaranao, ary hamasino noho ny fahamarinanao.

Hatanjaho amin’ny Finoana sy ny Fitiavana Anao izy (ireo), amin’ny alalan’ny Fanahinao Masina, mba hahatonga azy (ireo) ho tena mpiasa amin’ny tanimboalobokao.Mba ataovy sahy sy mahatoky izy (ireo) amin’ny fitoriana ny teninao, hampionona sy hanoro ary hananatra amin’ny fahamorana sy ny Fahendrena rehetra, ary mba hiseho ho mpitandrina tsara ny fahasoavanao rehetra amin’izay rehetra ataony.

Mombà azy (ireo) amin’ny adim-panahy sy fahoriana rehetra, ary ampahareto sy ampanetreo tena ao ampony izy (ireo), mba hisehoan’ny herinao eo amin’ny fahalemeny. Ampahavokary araka izay ankasitrahanao ny asany. Ary rehefa tapitra ny andro iasany, aoka izy (ireo) mba hiditra amin’ny fifaliana eo anatrehanao, ary mba hiara-mandova ny fahasambarana mandrakizay amin’ny olona masina rehetra.

Henoy ny hatakay amin’ny alalan’I Jesoa Kristy.  AMEN!

Mitodika any amin’ny Fiangonana ireo Mpiandraikitra

FILOHA MTEM

Amin’ny      anaran’ny      FOIBEM-PIKAMBANANA       MPANAZAVA      sy     TILY      ETO MADAGASIKARA, dia ambaranay fa vita ny fanekena Mpiandraikitra ireto tanora ireto.

Koa mangataka ny Ray aman-dReny Pastora, ny Tonia, ny Katekista, ny filohan’ny Komity  ny  Sampana  Skoto  FS.FLM  eto  aryireo  Filoha  Mpanazava  sy  Tily …sns…Handroso aty anoloana hiarahaba sy handray Tanana ireto vita fanekena.

FANDRAISAN-TANANA

FILOHA MTEM: Teny fanolorana ataon’ny FILOHA

“Ry Fiangoanana, ry Tily sy Mpanazava eto………………………indreo ny Mpiandraikitrareo. Koa mivavaha ho azy ireo ahavitany ny andraikitra lehibe izay iantsorohany.”

“Ry Mpiandraikitra! Indro ny ankizy beazinareo, koa mandehana ary tanteraho ny asa fanompoanareo.”

Dia maka ny toerana eny ambany ny Mpiandraikitra.

FILOHA MTEM: Famaranana

Mitsangana ny SKOTO rehetra manao fanamiana ara-dalàna.

Mpanazava! Vonona !

N’aiza n’aiza Mpanazava

Tandremo, Tily, hatrany hatrany! Vonona !

Ho tiavinay mandrakizay Madagasikara