Sokajy
Aim-panahy

Litorjia fanokanana fivondronana FSFLM (FLM)

Ny TONIA FS.FLM, na izay olona tendreny no manatanteraka ny FANOKANANA

HIRA: 283 and.1

MPITARIKA: Mampandroso amin’ny ALITARA ny Pastora ary mandray ny toerany voatokana ho azy ireo ny solon-tenan’ny fikambanana hampanao ny fanokanana.

MPANOKANA (PASTORA):

Manatrika   ny   fanokanana   ny   Sampana   SKOTO   isika   noho   ny fahasoavan’Andriamanitra koa aoka ary hivavaka isika:

“Faly misaotra anao izahay Tompo o! Noho ny fahasoavanao miasa eto amin’ity Fiangonana ity, ka nanomezanao ny FS.FLM ho fitaizana ny vahoakanao araka ny fanomezam-pahasoavana natolotrao azy. Atokanay ho anao izao Sampana izao, mba hahavokatra be amin’ny fiangonana sy ny fiarahamonina. Koa amin’ny asa rehetra ho sahaniny hampamirapiratra mandrakariva anie ny voninahitrao, hitaizana ireo zaza sy tanora hanompo Anao Andriamanitra sy Jesosy Kristy Tomponay ary hiasa ho an’ny Tanindrazana.” AMEN

MPITARIKA: Amin’izao fanokanana izao ary dia ireto avy ny KOMITY izay ho tokanantsika anio. Komitim-pivondronana (KP) no ilazana azy ireo izay fantantsika Fiangonana hoe: Komity ny Sampana SKOTO.Ireto avy ary (Tanisaina daholo) Birao…….. Prezida…………….Komity…………..

Izay voatonona miakatra eny amin’ny ALITARA.

MPITARIKA: Ataontsika ny hira 283 and.2 (dia mitodika any amin’ny Alitara ny Komity)

PASTORA: TENIM-PAHEFANA HO FANORENANA NY FANOKANANA (vakin’ny Pastora)

Hoy Jesosy: « Tomoera amiko ary Izaho aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, raha tsy miray amin’ny voaloboka izy, dia toy izany koa ianareo, raha tsy miray amiko”.
Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona. » (Jaona 15:4- 5)
Raha misy tsy miray amiko, dia ariana eny ivelany tahaka ny sampany izy ka malazo, ary angonina izy ka atsipy ao anaty afo, dia ho may.
Raha miray amiko ianareo, ka mitoetra aoa anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany. (Jaona 15 5-7)

Koa eto anatrehan’Andriamanitra sy ny Fiangonana dia manotany anareo aho :

Moa manaiky marina ve ianareo fa hitaiza sy hifampitaiza mba hahatonga ity sampana ity ho fiasana hanompoana an’Andriamanitra sy hitiavana ny namana?

Valiny : ENY TOMPOKO!

Vonona ve ianareo hanao izay azonareo atao mba hahatonga ny ankizy sy ny zatovo ary ny tanora rehetra tezaina amin’ ity sampana ity ho tia ny tanindrazana

Valiny : ENY TOMPOKO!

Manaiky ve ianareo fa hankato ny fitondrana atao amin’ny FLM, hanaraka ny fitsipiky ny FS FLM ary ny fitsipika mifehy ny MPANAZAVA sy TILY ETO MADAGASIKARA na ny MTEM.

Valiny : ENY TOMPOKO!

MANDOHALIKA AMIN’NY ALITARA NY Komity rehetra

PASTORA : Aoka isika hivavaka.

Andriamanitra Tompo be famindram-po ô ! Ianao no efa nanendry sy nanokana ity sampan ity mba ho fitoriana ny Filazantsaranao amin’ny alalan’ny fanabeazana SKOTISMA ary miantso ireto mpanompo ireto mba hompiara-miasa aminao eo amin’ny tanimboalobokao. Koa dia mangataka aminao, tsarovy amin’ny indrafonao lehibe anieity sampana ity.

Hamarino sy hamasino ny asany. Arovy sy tantano ny lalany . ampahavokary ho anao ny asany ,ampahareto amin’ny fiantsoana izy ka momba azy mba hisehoan’ny voninahitrao mandrakariva eo amin’ny asany. Henoy ny hatakay amin’ny alalan’ny Jesosy Kristy Tomponay.

Rainay izay any an-danitra, ho hamasinina anie ny anaranao ….. Amen

FANAMBARANA ATAON’NY PASTORA ANATY ALITARA

(Mitsangana ny Fiangonana, Mitsangana koa ireo KP izay nadohalika)

PASTORA : Izao dia ambarako ankehitriny fa voatokana ho sampana velona sy miasa eto amin’ny FLM ………………………………………. ny Sampana SKOTO FS FLM, amin’ny anaran’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina, Amen !

MPITARIKA :

Mipetraka ny Fiangonana fa isika SKOTO LOTERANA rehetra kosa hitsangana hihira ny HIRA FANEVA ny FS.FLM “ Redony re ! ny hira …. Feon’anjomara”.

MPITARIKA : Misaotra an’Andriamanitra isika fa vita soa aman-tsara ny fanokanana ny sampana FS FLM eto amin’ny Fiangonana misy antsika amin’ny maha sampana eto amin’ny Fiangonana azy ny FSFLM anefa dia ao anatin’ny Fikambanan MPANAZAVA sy TILY eto Madagasikara, koa mangataka ireo solotenan’ny fikambanana handray ity sampana ity ary HANOKANA azy araka ny fomba sy ny tarazom-pikambanana SKOTO.

Mitsangana ny Filoham-paritany TILY sy MPANAZAVA ary ny komitim-paritany

FILOHA MTEM : Mitsangana ny SKOTO rehetra MPANAZAVA…..TILY….. hatrany hatrany…….. VONONA.

  • Manaparasaka
  • Indreto vonona
NY KOMITY LEHIBE na KOMITIM-PARITANY:

Misaotra anareo Fiangonana tamin’ny nanekenareo amim-pitiavana ny hiasan’ny Fikambanana Mpanazava sy Tily eto, ary dia misaotra anareo Komitim- pivondronana nanolotena tamin-kitsi-po”

Tompon’andraikitra eo anatrehan’ny Fiangonana sy ny Mpanazava eto Madagaskara ary ny Tily eto Madagasikara ianareo komitim-pivondronana amin’ny FANOHANANA ny fivondronana hanatanteraka ny fanabeazana ara- SKOTO, mianga amin’ny LALANA sy ny FANEKENA

  • Fitiavan’Andriamanitra sy ny namana
  • Fahavononana amin’ny asa tsara rehetra
  • Fitandrovana ny fahaveloman’ny Fikambanana/sampana

NY KOMITI LEHIBE na KOMITIM-PARITANY (Fandraisana ny komity KP)

Koa eto anatrehan’Andriamanitra sy ny Fiangonana, noho ny fahasoavan’I jesoa Kristy tompon’asa no andraisanay anareo eto amin’ny Fikambanan’ny Mpanazava sy Tily eto Madagasikara.

Homba anareo anie ny Tompo, ka hanolo-tsaina anareo, hampahery anareo anie ny Tompo ka hanome anareo fahombiazana eo amin’ny asany ho tontosainareo.

Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Jesosy Kristy Tompontsika fa hoy Jesosy “indro izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongavan’ny fahataperan’izao tontolo izao”

FANOLORANA KARATRA

“ Ho marika ny asa dia indro atolotray anareo ny karatra maha mpikambana anareo ato amin’ny MTEM na ny Mpanazava sy Tily et Madagasikara.

FANOLORANA SY FANDRAISAN-TANANA IREO KOMITY                           

Dia miroso amin’ny fandraisan-tanana ataon’ny Komity lehibe ( KL) ny Komitim- paritany (KOPA) ny Filoha , ny TONIA, ny pastora , ny katekista , ny mpitondra…..

FILOHA MTEM : fanorenana ny sampana ( tarazom-pikambanana SKOTO no atao)

Antsoina avokoa ny MPIANDRAIKITRA tsirairay araka ny faneken’ny Komity sy fitsinjarana araham-panazavana. Izay voatonona dia mitsangana eny aloha (Miankina amin’ny fotoana).

Miakatra avokoa hatramin’ny ANKIZY BEAZINA arahan’ny HIAKA sy tarigetran’izy ireo.

TONIAM-PIVONDRONANA, na MPIANDRAIKITRA iray.

Manazava fohy mikasika ny FEHITENDA sy KRAVATO ny anton’ny loko, manazava ny anaran’ny fivondronana, ny fotokevitra ijoroan’ny tenin’Andriamanitra nanorenana izany….sns…

FILOHA MTEM na KL, na KOPA

Ry  Fiangonana  eto  amin’ny  FLM……………………………………………………. Ambaranay ampahibemaso amin’ny anaran’ny Fikambanana MPANAZAVA sy TILY eto Madgasikara   fa   mijoro   ara-dalana   anio [Daty] ny Fivondronana mitondra ny laharana faha-[LAHARAM-PIVONDRONANA] hahatontosa antsakany sy andavany ny asam-panabezana anie ianareo, izay ny SKOTISMA fototra no fitaovana entinareo hanatontosana izany andraikitra lehibe izany.

Andrimanitra Tompon’ny asa anie hitahy antsika mandrakariva ary ho eo ambany fahasoavany hatrany no hanatanterahantsika ny asa nomeny hiantsorohana.

NB: Raha misy Mpiandraikitra hanao fanekena Mpiandraikitra, dia aorian’ny Fanokanana no hanaovana izany izay vao faranana eo ambony

FAMARANANA Miverina mipetraka ny rehetra.

FILOHA MTEM : Mangataka ny SKOTO rehetra manao fanamiana ara-dalàna hitsangana.

Mpanazava! Vonona!

  • N’aiza n’aiza Mpanzava….

Tandremo, Tily. Hatrany hatrany! Vonona !

  • Ho tiavininay mandrakariva….