Sokajy
Marika sy endrika fampiainana

Ny vonam-pehitenda

Talenta azo trandrahana :

Ireo skoto amerikanina no fantatra fa nanomboka nampiasa vonam-pehitenda (bague) voalohany tamin’ny fanamiany tany amin’ny taona 1917 tany ho any rehefa nanomboka nampiasa fehitenda koa izy ireo (tsy mba nanao fehitenda ny skoto amerikanina talohan’io).

Mpiasa raikitra tao amin’ny Gilwell Park, antsoina hoe William « Bill » Shankley, no naheno io fanaon’ny amerikanina io ka namolavola ilay vona « bonnet turc » ho lasa fampiasa amin’ny fehitenda. Vetivety dia niparitaka io fomba io rehefa nankatoavina, hany ka nampidirin’i Baden Powell tao anatin’ny boky « L’Eclaireur » nanomboka tamin’ny edisiona faha-13 (1928).

Ireo karazana peratra sy vonam-pehitenda voafaritra manokana

Vona peratra (bague) :

Vona peratra hoditra narandrana, ho an’ny mpitana hazomanga rehetra (manana tapa-porohana 2) sy ny taripanofanana (tapa-porohana 3 sy 4).

Vona peratra fotsy namboarin’ny tanany, vita avy tamin’ny tady na tamin’ny “fil” narandrana, ho an’ny beazina Sampana Maitso, ambaratonga Mpikatroka

Vona peratra mainty namboarin’ny tanany, vita avy tamin’ny tady na tamin’ny “fil” narandrana, ho an’ny beazina Sampana Maitso, ambaratonga Menavazana

Vona peratra maitso vita avy tamin’ny tady na tamin’ny “fil” narandrana, ho an’ny Mpiandraikitra Sampana Maitso, tompo-toerana sy ny Filoha Sampana Maitso.

Vona peratra volondavenona (gris) vita avy tamin’ny tady na tamin’ny “fil” narandrana, ho an’ny Mpiandraikitra Sampana Maitso, mpanampy.

Vona peratra volotany (marron) vita avy tamin’ny tady na tamin’ny “fil” narandrana, ho an’ny (1) Mpiandraikitra Sampana Maitso, mpampilalao sy ny (2) Menafify rehetra (araka ny FIFITI 2022).

Vona peratra mena vita avy tamin’ny tady na tamin’ny “fil” narandrana, ho an’ny Sampana Mena rehetra.

Tsy mampiasa vona peratra :

Vona vavarana (ho an’ny lovitao)

Sary: Tily eto Madagasikara/VAZO Milofo

Vona efamira na noeud carré, antsoina koa hoe « friendship knot » (vonan’ny finamanana/firahalahiana) ho an’ny beazina Sampana Maitso, ambaratonga Zazavao

Fomba fitafy ny vonam-pehitenda ho an’ny Tily

Aorina milamina  tsara ny fehitenda ary avona amin’ny alalan’ny vona na vonam-pehitenda, mifanitsy haavo amin’ny vanin-taolana ambony amin’ny tratra (manubrium sternal).

Fomba famatorana ny vonam-pehitenda « bonnet turc »

Maro karazana ny vonam-pehitenda fa ny fampiasa matetika indrindra dia ny vona antsoina hoe « bonnet turc 4 spires et 3 ganses »

Loharano nanovozan-kevitra :
- KIJÀNA, Boky Torolalana ho an'ny Mpiandraikitra Sampana Maitso, p10;p52
- FIZIANTSIKA, Boky torolalana momba ny aromarika sy fanehoana maha-tily
- Timeline showing the development of Scout Uniform from 1908 to the present day, p14 https://prod-cms.scouts.org.uk/media/21351/scout-youth-sections-and-adult-leader-uniform-development-time-line.pdf