Sokajy
Aim-panahy

Litorjia fanekena mpanabe ho an’ny SFTIMPA (METM)

Mpitandrina:

Ry hava-malala ao amin’ ny Tompo, tonga amin’ ny fotoana fampanaovana fanekena mpiandraikitra eto anivon’ ny Fiangonana METM……………………………………………………………………. Isika izao.

Koa antsoina ny solontenan’ ny komity nasionaly Sampana Fanabeazana Tily sy Mpanazava hiakatra ety amin’ ny alitara hitarika izany.

Tonia teknika SFTIMPA (na ny solotenany)

Ry mpitandrina sy ny Fiangonana eto amin’ ny METM ……………… ………… ……………

………………… ary ho an’izay rehetra malalan’ Andriamanitra sady voaantso no masina, ho aminareo

anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo. Tonga amin’ny fotoana fampanaovana fanekena mpiandraikitra tokoa isika, noho izany dia mangataka ny Filoham-paritana Mpanazava sy tily n any solotenany avy eto amin’ ny Faritany

…………………………….. hanokatra izao fotoana izao amin’ ny fomba skoto.

Filoham-paritany Mpanazava sy tily (na ny solotenany)

Ankehitriny ary dia mangataka ireo skoto rehetra manao fanamiana ara-dalàna mba hitsangana.

Mpanazava_vonona (Manaparasaka ….)

Tily hatrany hatrany_vonona (indreto vonona…)

Filoham-paritany (Na ny solotenany)

Mba hanampiana ireo mpiandraikitra amin’ ny asany dia mifidy olona isika fiangonana ho mpikambana mpitantana izay antsoina hoe komitim-pivondronana.Aoka mba ho olona vonona tsara amin’ ny fanatanterahana ny asany no hofidintsika ho mpikambana ao.

Izao ary dia mangataka ny filohan’ ny Komitim-pivondronana hiakatra ety amin’ ny alitara ka hiantso sy hanolotra ireo mpiandraikitra hanao ny fanekeny.

Filohan’ ny komitim-pivondronana:

Izahay komitim-pivondronana avy eto amin’ ny fivondronana faha ……., METM …………

……………………………….. dia manolotra an’i

AnaranaSolon’anaranaSampanaVondrona
    
    
    

Hiroso amin’ ny fanekena

Mpitandrina

“Ary nandre ny feon’ ny Tompo aho ka nanao hoe: iza no hirahiko ary iza no handeha ho irakay? Dia hoy izaho: Inty aho, iraho aho.

Koa vavolombelona eto anatrehan’ Andriamanitra amin’ izao fanoloran-tenan’ireto mpiandraikitra ireto isika fiangonana, ary aoka hampiray ny fontsika sy ny fivavahantsika mba ho isan’ ny tenan’I Jesosy Kristy.

Koa amin’izany ry malala, miadia ny ady tsaran’ ny finoana, hazony ny fiainana mandrakizay fa ho amin’izany no niantsoana anareo sy hanaovana ilay fanekena tsara eto imason’ ny vavolombelona maro. Andeha hivavaka isika.

Filoham-paritany (na ny solotenany)

Ireo mpiandraikitra ireo dia efa nahavita ny dingam-piofanana ary efa nahafeno ny fepetra mifanaraka amin’ ny andraikiny avy, ary efa nekan’ ny foibem-pikambanana izany.

Toy izao ny fizotry ny fanekena:

Ny mpiandraikitra hanao ny fanekeny dia mitodika aty amin’ ny alitara, sy manao ny ffiarahabana lehibe ary manonona ny fanekena mpiandraikitra. Ny filoha sy ny mpiandraikitra efa nahavita ny fanekena mpiandraikitra kosa dia hamerina izany ao am-pony sady manao ny fiarahabana kely.

Aorian’ ny fanekena izay ataon’izy ireo dia hanao ny andininy voalohany amin’ ny hira fanekena, ary isika rehetra kosa hiara-hiredona ny isan’andininy sy ny andininy manaraka rehetra.

Mialoha izany anefa dia hisy fanontaniana apetraky ny mpitandrina sy ny KN-SFTIMPA Hiroso amin’ ny fanekena isika ary koa manainga ny fiangonana rehetra hitsangana.

Mpitandrina

Amin’izao fiantsoana anao ( anareo) ho mpiandraikitra izao, moa ve ekenao(nareo) ny hiasa an- kitsim-po, hanatanteraka ny fanompoana masina araka ny tenin’Andriamanitra?

Eny tompoko

Hanampy ireo beazina amin’ ny fampandrosoana ny asan’Andriamanitra eto anivon’n y METM Eny tompoko

Tonia SFTIMPA

Amin’izao fiantsoana an’ise(anareo) ho mpiandraikitra izao moa ve eken’ise (nareo) ny fitsipika mifehy ny Sampana Fanabeazana Tily sy MPanazava?

Eny r’ise

Vonona ve ise (ianareo) hanaja sy hampanaja izany ho fampandrosoana ny fikambanana?

Eny r’ise

(Aorian’izany dia miroso amin’ ny fanatanterahana ny fampanaovana fanekena mpiandraikitra iraisan’ ny mpanazava sy tily eto Madagasikara MTEM amin’izay.

Ny filoham-paritany nany solotenany no mitarika izany.

Vita izay (ny fanekena sy ny hira) dia apetraky ny filoham-paritany n any solotenany ny fiangonana)

Filoham-paritany (na ny solotenany)

Indro apetaka aminareo ny marika nahavitanareo fanekena

(Mbola mitodika any amin’ ny alitara ny mpiandraikitra mandritra ny fametrahana ny marika)

Ny mpitandrina

Hivavaka isika

(Fisaorana an’Andriamanitra sy fitondrana am-bavaka ny mpiandraikitra hahavita ny asany)

Ny filoham-paritany ( na ny solotenany)

“Ankino amin’ ny Jehovah ny lalanao fa ho tanteraka izany.” (Salamo 37: 5)

Amin’ ny anaran’I Jesosy Kristy lohan’ ny fiangonana, amin’ ny anaran’ ny foibem-pikambanana Mpanazava sy tily eto madagasikara, amin’ ny anaran’ ny Faritany…………………………………………….. amin’izao

nahavitanareo fanekena mpiandraikitra izao dia hiarahaba anareo izahay izay tarihin’ ny mpitandrina.

(Miroso miarahaba ireo nahavita ny fanekeny sy izay natolotra ho tonia ny filoham-paritany na ny solotenany sy ny KN-SFTIMPA, tarihan’ ny Mpitandrina)

Ny filoham-paritany (na ny solotenany)

Ry Fiangonana METM eto ………………………………………………….

Indro ny mpiandraikitra TILY / MPANAZAVA eto aminareo. Ento am-bavaka izy ireo hahavitany an- tsakany sy an-davany ny andraikitra goavana izay sahaniny.

(Ny filohan-tsampana no miteny eto)

  • Araka ny fizaran’andraikitra eto amin’ ny andiany, I Cheftaine……………………. no

………………………….

Ry Andiany …………………..

  • Araka ny fizaran’andraikitra eto amin’ ny antoko, I………………………….. no

…………………………….

Ry antoko …………………………………

  • Ry fileovana ………………………………………….

Eto amin’ ny fiangonana METM ………………………………………..

indro ny mpiandraikitrareo, mahareta ary mivavaha ho azy amin’ ny andraikitra izay iantsorohany.

Ry ……………………………. mandehana vonjeo ny Andiany / antoko/ fileovana Ise

Filoham-paritany (na ny solotenany)

Eto ampamaranana dia mangataka ny skoto rehetra manao fanamiana ara-dalàna mba hitsangana hamarana izao fotoana izao

Mpanazava_vonona (N’aiza n’aiza mpanazava) Tily hatrany hatrany_vonona (Ho tiavinay)

Mpitandrina:

Koa amin’izany ry rahalahy, satria manana fahatokiana hiditra ao amin’ ny fitoerana masina isika noho ny ran’ I Jesosy Kristy dia aoka isika hanatona amin’ ny fo marina sy amin’ ny fahatokiana be amin’ ny finoana satria hitanareo fa miha atomotra ny andro

Koa aoka tsy ho hadinointsika Fiangonana ny mitondra am-bavaka ireo mpiandraikitra nahavita ny fanekeny mba hahatontosany ny andraikiny sy ny fanabeazana ny zanatsika.

Ho an’ Andriamanitra irery ny voninahitra. (Teny fisaorana ataon’ ny Mpitandrina sady mampipetraka ny KNSFTIMPA sy ny FILOHAM-PARITANY na ny solotenany izay avy nampanao fanekena).