Tanjon’ity talenta ity ny manabe ny tanora ho afaka hanaja ny hafa sy hahay hifanakalo hevitra am-pirahalahiana na inona na inona fahasamihafana (ara-tsaranga, foko, ara-pivavahana, ara-politika, …)
Sampana Mavo
Ny Sampana mavo dia manana ny talenta « Tia Fandriampahalemana »
Ho an’ny beazina lovitao dia ny talenta “Tia fandriampahalemana” ihany aloha no ampiharina.
Sampana Maitso
- Tsara fifandraisana amin’ny manodidina
- Afaka manazava ireo didy folon’ny fifankahazoana (10 principes du dialogue)
- Mamorona lalao na kilalao mivoy ny fiombonana ao anatin’ny fahasamihafana
- Afaka mamantatra sy misoroka ny mety ho fototry ny disadisa ao anaty fiarahamonina iray
Sampana Mena
Ambaratonga : Mpiatrika
Mahafeno ireo fepetra takiana amin’ny sampana maitso, miampy ireto manaraka ireto :
- Nitrandraka fahaiza-manao momba ny fanelanelanana na ny fahaizana mifanakalo hevitra
- Mahalala sy afaka manazava ireo fahasamihafan’ny mponina ao amin’ny fireneny.
- Mahalala ireo karazana fahasamihafana misy ao amin’ny faritra manodidina azy ary manana tetika fisorohana ny mety hahatonga izany ho disadisa ao amin’ny fileovana
Sampana Menafify
- Mahafeno ireo fepetra takiana amin’ny sampana maitso sy mena, miampy ireto manaraka ireto :
- Manatanteraka tetikasa ho fisorohana na fanarenana ny disadisa na ady, na fifampiresahana anaty fahasamihafana eo amin’ny faritra misy azy
- Mandrafitra boky milaza ny antsipirihan’ny hetsika na tetikasa natao;
- Manolotra ampahibemaso ny vokatry ny tetikasany
Tahirin-kevitra fitrandraka
- Torolalana iraisam-pirenena Patrimonito. Version 2018 : https://learn.scout.org/resource/world-scouting-unesco-world-heritage-recognition-programme-guidelines
- https://sdgs.scout.org/challenges/patrimonito/nso
ODD mifandray :