Sokajy
Sampana Menafify

Dingana arahina amin’ny fanokanana Sampana Menafify

Toy izao no dingana mila arahina ho an’ny Fivondronana manam-pikasana hanao
fanokanana sampana Menafify.

Fepetra takiana

Ireto foto-kevitra 5 ireto no tsy maintsy fenoina vao afaka miroso amin’ny fanokanana sampana Menafify ny Fivondronana iray

  • Efa nahafeno herintaona nijoroana
  • Nahatanteraka fandaharam-panabeazana herintaona
  • Rafitra tafatsangana : manana Zokiolona 2, Loholona 2, Fokonolona 2, Mpitarika 4
  • Taratasy « fanolorana » manokana ny Zokiolona avy amin’ny K.P.
  • Efa nahatsangana tetik’asa (fohy na lavitr’ezaka ) ho tanterahina anatin’ny taona hanokanana

Ireo no atao antontan-taratasy (dossier) alefa isan’ambaratonga (Faritany-Foibe), ka mahazo ny fankatoavana avy amin’ireo isan’ambaratongan-drafitra ireo vao azo tanterahina ny Fanokanana Sampana Menafify amin’ny Fivondronana iray.

Fizotran’ny Fanokanana Sampana Menafify

Fiarahabana apostolika sy sapaoritra

Ry fiangonana malala … Ho aminareo mandrakariva anie ny fahasoavana sy fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompontsika

Fifaliana lehibe ho anay Filoha eto amin’ny Faritany Tily …… no mijoro eto mba
hanatanteraka ny fanokanana [sy fampanaovana Fanekena Mpiandraikitra]. Adidy nomena ary izany ka indro hotanterahanay am-panetren-tena.

Ankehitriny ary dia mangataka ny skoto rehetra manao fanamiana ara-dalana mba
hitsangana.

« Tandremo Tily hatrany hatrany ! » Vonona !
[HIRA] Indreto vonona !

Filazalazana momba ny Sampana ho tokanana

Hiroso amin’ny fanokanana ny sampana Menafify isika. Ny sampana Menafify dia sampana faha-efatra miorina ao amin’ny Tily eto Madagasikara. Manabe
tanora 21 ka hatramin’ny 25 taona ho tonga olona azo itokisana ary ilain’ny
fiaraha-monina.

Ity sampana ity dia mikendry indrindra ny fampifandraisana ny fanabeazana atao
eo anivon’ny Tily eto Madagasikara sy ny fiainana andavanandro. Hahatonga antsika hanomana Tily vonona hiatrika ny fiainana sy izay rehetra olana mety hitranga eo amin’ny fiaraha-monina misy azy.

Misongadina amin’izany ny :

  • Fanomanana azy ireo amin’ny asa fivelomana sy ny fanampim-pivelomana
  • Fampivelarana ny fahalalana mamoron-javatra ho enti-manatsara ny fiainana
  • Firotsahana eo amin’ny famokarana sy fanatsarana ny fiaraha-monina

Ny filàna sy ny hetahetam-pibeazana noho izany dia afaka mamaritra ny antom-pisian’ny sampana menafify. Ankehitriny ary dia miorina eto amin’ny fivondronana faha…… eto amin’ny Faritany Tily … izany Sampana menafify izany ka hiroso amin’ny fanokanana sy fandraisan-tanana azy isika.

Ry Zokiolona RA …., Miangavy an’ise hanazava fohifohy mikasika ny fileovan’ise.

Zokiolona : …[Anaran’ny fileovana]… no fileovana misy anay. …[lokon’ny fehitendam-pivondronana]… no lokon’ny fehi-tendan’ny fivondronana ka midika toy izao…

Ny menafify dia manana fehitenda iraisan’ny menafify manerana an’i Madagasikara ka ny lokon’ny fehi-tenda isa-pivondronana no mampiavaka azy amin’ny Tily hafa. Mipetraka eo amin’ny zoron’ny fehi-tenda io loko io. Mangataka an’ise hiantso ny loholona mpiara-miasa amin’ise

Zokiolona : Ry loholona …… mangataka an’ise hiantso sy hilazalaza ny fokonolona tarihin’ise
(mihiaka ny fokonolona rehefa vita izany)

Rehefa vita izany dia mitarika hiaka sy hiran’ny fileovana ny Zokiolona. Rehefa vita ny an’ny Fileovana dia mitarika hiaka sy hira fanevan’ny Menafify ny Filoha mpanokana (filoha Menafify na Filoham-paritany)

  • Tandremo Tily hatrany hatrany !Vonona !
  • Hiakan’ny Menafify
  • Hira fanevan’ny Menafify

Ambara ampahibemaso ary fa mitsangana eto Fiangonana ….. Fivondronana faha-….. amin’izao ….. ora izao ny sampana Menafify.

Famaranana

Fandraisam-pitenenana :

  • Foibe Menafify
  • Filoham-paritany Menafify
  • Filoham-paritany (fisaorana nyfiangonana)

Vavaka ataon’ny Mpitandrina.

Izao dia mangataka ny skoto rehetra manao fanamiana hitsangana

Famaranana amin’ny hira « ho tiavinay »