Ireo ho trandrahina
- Fahalalana momba ny lalan’ny plastika sy ny fifandraisany amin’ny tontolo iainana (fomba famokarana azy, ny akora, ny faharetany ao amin’ny tany, …)
- Fahalalana ireo ODD 6 sy 12 sy ny fifandraisany amin’ny fiainana andavanandro
- Fahaizana manodina ny akora plastika efa niasa ho azo ampiasaina indray.
- Mampihatra andavanandro fomba fiaina mampihena ny fampiasana plastika ary manentana ny manodidina azy amin’izany
Sampana Mavo
- Mahalala ny fomba famokarana fitaovana plastika sy ny faharetan’ny fako plastika
- Afaka manazava tsotsotra ny fiantraikan’ny fahasimban’ny tontolo iainana sy ny fahasalamana.
- Mahavita asa tanana vita amin’ny fitaovana plastika efa niasa
Sampana Maitso
Mahafeno ireo fepetra takiana amin’ny sampana mavo, miampy ireto manaraka ireto :
- Afaka manazava fahalalana tsotsotra momba ny plastika
- Mamorona lalao na kilalao na fanentanana na hira momba ny fampihenana fako plastika
- Manentana momba ny fomba fanodinana sy/na fampihenana ny fako plastika.
- Manao fampiharana ho an’ny sokajy na ny tokantranony
Sampana Mena
Ambaratonga : Mpiatrika
- Mahafeno ireo fepetra takiana amin’ny sampana mavo sy maitso, miampy ireto manaraka ireto :
- Nitrandraka fahaiza-manao momba ny fampihenana sy/na fanodinana fako plastika sy nampihatra izany anaty tetikasa iray.
- Afaka manazava ny antony sy fiantraikan’ny fiparitahan’ny fako plastika amin’ny fiainana andavanandron’ny olona
- Nahavita tetikasa mampihatra ny fomba fampihenana sy/na fanodinana fako plastika ho an’ny fileovana na ny manodidina azy.
Sampana Menafify
- Mandray anjara amin’ny hetsika na fandaharam-panabeazana
miompana amin’ny fanodinana plastika; - Liana sy maneho fahavononana manokana mahakasika ny
tontolon’ny plastika; - Mampiseho ny fahaiza-manaony manokana hanodinana ny plastika
mba ho azo hampiasaina indray sy hiarovana ny tontolo iainana. - Mandrafitra boky milaza ny antsipirihan’ny hetsika na tetikasa natao;
- Ireto avy no tokony ho hita anatin’ilay boky*: famaritana ilay talenta sy tetikasa, ny tantarany sy ireo fiantraikany eo amin’ny fiarahamonina
- Manolotra am-pahibemaso ny tetikasa na hetsika natao sy ny fiantraikany eo anivon’ny fiarahamonina miaraka amin’ny zokiolona sy filoha ary ireo olona heverina fa manana andraikitra manokana amin’ilay sehatra irotsahana. Asongadina manokana ao anatin’ilay fanolorana ny fiantraikany ara-piarahamonina sy ny fanovàna entiny.