Rivodoza, tondradrano, doro tanety, haintany, fikaohanofontany, andiam-balala, valanaretina (tazomoka, pesta, COVID-19, …),

Raha ireo tahirin-kevitra sy vakoka dia efa hatramin’ny taona 1959 no efa nirotsaka sy nisongadina tamin’ny firotsahana eny amin’ny fiarahamonina ny Tily eto Madagasikara. Nitohy hatrany izany ary hatramin’izao dia lohalaharana isika rehefa misy ny voina manambana na mihatra amin’ny mpiara-belona.

Nandritra izay fotoana rehetra izay nefa dia mbola tsy nisy ny mari-talenta sahaza izany hahafahana mamporisika be be kokoa ireo tilintsika ho tsara fiomanana kokoa sy ho tena hanana ny fahaiza-manao hiarovana ny ainy sy ny ain’ny hafa rehefa mirotsaka amin’ireny fotoana fiatrehana loza voajanahary ireny.

Mamaly izany filàna goavana eto amin’ny firenena, sy ho an’ny fivoaran-tenan’ny tsirairay izany ity mari-talenta ity, ary tombony indrindra ny efa nisiany amin’ny sehatra iraisam-pirenena fa tsy nila namorona mari-talenta vaovao.

Ny talenta iraisam-pirenena YUNGA dia vondrona talenta maromaro, iarahan’ny skoto zazalahy manerantany (OMMS), ny skoto zazavavy manerantany (AMGE) sy ny Firenena Mikambana ary firaisa-monim-pirenena maromaro hafa. Ireo talenta ireo dia novolavolaina ahafahan’ny tanora manana fahalalana mafonja sy mandray andraikitra mahakasika lohahevi-panabeazana mahakasika azy sy ny tontolony.

Vakio : https://www.fao.org/yunga/resources/challengebadges/fr/

Sampana Mavo

Sampana Maitso

Mahafeno ireo fepetra takiana amin’ny sampana mavo, miampy ireto manaraka ireto :

Sampana Mena

Ambaratonga : Mpihary

Mahafeno ireo fepetra takiana amin’ny sampana mavo sy maitso

Ary nanao hetsika fiatrehana loza voajanahary na fanentanana fisorohana valanaretina iray.

⚠️ Raha valanaretina dia hatreo amin’ny fanentanana (Cholera, Pesta, COVID-19,…) no andraikitra raisin’ny beazina Sampana Mena 

Sampana Menafify

Mahafeno ireo fepetra takiana amin’ny sampana mavo, maitso, mena miampy ireto manaraka ireto :

Boky fitrandraka

Talenta iraisam-pirenena
25 juin 2024

Mitombo hatrany ny sehatra hahafahan’ny beazintsika mampivelatra sy mitrandraka ny talentany eto anivon’ny Tily Eto Madagasikara. Efa manana ireo talenta ao anatin’ny Boky Torolalana isan-tsampana isika nahafahantsika nanabe sy nanefy ny tanorantsika namakivaky izay zato taona lasa izay. Ankehitriny dia misy ireto Talenta iraisam-pirenena ireto iombonantsika eo anivon’ny Skotisma zazalahy maneran-tany (OMMS) sy ny Skoto […]

Talenta hafa manakaiky