Isan’ny firenena misedra olana indrindra manoloana ny tsifanjariantsakafo i Madagasikara nefa dia firenena mamokatra. Raha ny antontanisa dia zaza iray amin’ny roa ( 47% ) no tratran’ny tsifanjariantsakafo mitarazoka. 26% amin’ny tanora anelanelan’ny 15 hatramin’ny 19 taona, izany hoe 1 amin’ny 4 no tsy ampy lanja (emaciation).

Ankoatra ny antony hafa ara-toekarena dia isan’ny mila hamafisina ho fanarenana ireo olana laharam-pahamehana eto amin’ny firenena ireo ny fanabeazana ara-tsakafo, izany hoe ny fahaizana mampiasa ireo vokatry ny tany ao an-toerana, sy ny fizarana hanao sakafo voalanjalanja sy ara-pahasalamana miainga amin’izay vokatra misy.

Ny talenta iraisam-pirenena YUNGA dia vondrona talenta maromaro, iarahan’ny skoto zazalahy manerantany (OMMS), ny skoto zazavavy manerantany (AMGE) sy ny Firenena Mikambana ary firaisa-monim-pirenena maromaro hafa. Ireo talenta ireo dia novolavolaina ahafahan’ny tanora manana fahalalana mafonja sy mandray andraikitra mahakasika lohahevi-panabeazana mahakasika azy sy ny tontolony.

Vakio : https://www.fao.org/yunga/resources/challengebadges/fr/

Sampana MAVO

Sampana Maitso

Sampana MENA

Ambaratonga : Mpihary

Sampana MENAFIFY


Ireo sokajin-tsakafo 10

Sokajin-tsakafo ara-pahasalamana sy maroloko
Crédit : MSANP – UNICEF – ONN

Sakafo feno sy voalanjalanja

Ny sakafo indray mihinana ho an’ny olona iray (zaza, ankizy, olon-dehibe) dia tokony misy ireo sokajin- tsakafo 03 amin’ny sakafo feno:

Loharano nanovozan-kevitra :

ODD mifandray :
ODD 2 - Foana ny hanoanana

Talenta iraisam-pirenena
25 juin 2024

Mitombo hatrany ny sehatra hahafahan’ny beazintsika mampivelatra sy mitrandraka ny talentany eto anivon’ny Tily Eto Madagasikara. Efa manana ireo talenta ao anatin’ny Boky Torolalana isan-tsampana isika nahafahantsika nanabe sy nanefy ny tanorantsika namakivaky izay zato taona lasa izay. Ankehitriny dia misy ireto Talenta iraisam-pirenena ireto iombonantsika eo anivon’ny Skotisma zazalahy maneran-tany (OMMS) sy ny Skoto […]

Talenta hafa manakaiky