Mahafantatra sy mahay manazava ireo Tanjon’ny Fandrosoana Lovainjafy 6,13,14,15
Manentana mba hahatonga ny ranomasina sy renirano ary ny tanety ho voaaro amin’ny fandotoana avy amin’ny plastika sy ny voka-dratsy aterany
Mandini-tena sy resy lahatra amin’ny fampihenana ny fampiasan’ny tena manokana ny plastika amin’ny fiainana andavanandro ary hitarika ny hafa hanova ny fahazarana toy izany koa
Manohitra amin’ny fomba rehetra ny fandotoana avy amin’ny plastika mba hananana tontolo mahasalama ary mampahafantatra ny fiantraika ratsin’ny fampiasana plastika be loatra amin’ny tontolo.
Mitandro hatrany sy mampirisika hananana tontolo madio sy planeta mahasalama mba ho tena tontolo mahate honina maharitra.
Mandalina sy mifehy ny tsingerin’ny (cycle) fahalovana sy ny faharetan’ny fako plastika
Mikaroka sy mamorona fitaovana vaovao amin’ny fanodinana ny plastika
Mampitombo ny fahalalana sy ny fahaiza-manao tompon’andraikitra amin’ny alalan’ny hetsika Earth Tribe sy ny fanabeazana ho an’ny Tanjon’ny Fandrosoana Lovainjafy.
Mamorona lalao ho an’ny sokajy na ny antoko mifototra amin’ny famahana ny tsindry amin’ny tontolo iainana indrindra ny avy amin’ny plastika, ny fako plastika ary ny fandotoana avy amin’ny plastika.
Miaro sy manarina ny fahasimbana nateraky ny fandotoana amin’ny plastika eo amin’ny tontolo iainana an-dRano sy an-Tanety
Talenta
Plastic tide turner
