Mahafantatra sy mahay manazava ireo Tanjon’ny Fandrosoana Lovainjafy 7,13
Mandalina momba ireo angovo azo havaozina fa indrindra ny herin’ny masoandro sy ny fifamatoran’ny angovo avy amin’ny masoandro sy ny toetr’andro ary ny tontolo iainana.
Mandalina momba ny sosoka Ozone sy taratra UV avy amin’ny masoandro ary mahay manazava ny fifandraisan’ireo
Mahay ny fiantraikan’ny taratra UV avy amin’ny masoandro eo amin’ny fahasalamana sy ny tontolo iainana ankapobeny ary ny fiarovana amin’izany
Mamorona lalao na kilalao mampiasa ny fahazavana omen’ny masoandro
Mahay ireo fihetsika fitsaboana ny fahamaizana ateraky ny taratry ny masoandro
Mamantatra ny teknolojia momba ny angovo avy amin’ny masoandro sy mahay mampiasa izany
Mampiasa sy mampita ny SODIS (solar water disinfection) hanadiovana ny rano ampiasain’ny sokajy
Mampiasa fitaovana mandeha amin’ny angovo avy amin’ny masoandro
Mahavita fatana na lafaoro na rano mafana mandeha amin’ny herin’ny masoandro ary manao sakafo sy mamokatra rano mafana amin’ny alalan’izany ho an’ny sokajy
Mahay mamantatra ny ora amin’ny alalan’ny toerana misy ny masoandro
Mahavita mametraka angovo avy amin’ny masoandro hampiasain’ny fiara-hamonina
Mandray anjara mivantana amin’ireo hetsika fanentanana eo amin’ny fiarahamonina, nasionaly na iraisam-pirenena momba ny fampiasana ny angovo avy amin’ny masoandro

Talenta