Eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona, ary noho ny fahasoavan’i Jesoa Kristy lohan’ny Fiangonana no anekeko, amin’izao irotsahako ho isan’ny Tily eto Madagasikara izao, fa :
- Hanompo an’Andriamanitra
 - Hiasa ho an’ny tanindrazana sy ny namana
 - Hanoa ny lalàn’ny Tily
 
Ireto telo ireto no eken’ise raha miditra ho Tily ise:
Hanompo an’Andriamanitra
Hiasa ho an’ny tanindrazana sy ny namana
Hanoa ny Lalàna Tily
TADIDIO IRETO :
- Tsy misy mahazo manery an’ise hanao ny Fanekena.
 - Eny an-kalamanjana mandrakariva no hanaovana azy.
 
