Sokajy
Vakoka sy tantara

Lasin’ny skoto Protestanta Malagasy tamin’ny Aogositra 1951

Loharano : Archives départementales du Val-de-Marne   
Dikateny sy feo lafika : Mi-Tily Serasera

Hijery horonantsary miavaka ianao, notsoahina tamin’ny tahirin-tsarin’ny « éclaireurs et eclaireuses unioniste de France ».

Ity horonatsary ity dia notontosaina tamin’ny taona 1951 ary voatahiry amin’ny arisiva ao Val de Marne, tafiditra tao anatin’ny PAGEB
Maneho antsika ny lasy niraisan’ny « éclaireurs protestant » teto Madagasikara ny volana Aogositra 1951.

Ny skoto « Eclaireurs Unionistes de France à Madagascar » dia niforona ny taona 1924 tamin’ny alalan’i filoha Jean Beigbeder izay lasa filohan’ny Scoutisme Français.

Ny lasy nasionaly voalohany notontosain’ny Eclaireurs Unionistes de Madagascar dia natao ny volana Aogositra 1951 teny Ivato, Antananarivo. Nahavondrona skoto 500 avy amin’ny lafivalon’ny nosy.

Tamin’ny taona 1947, no niova ho « Tily » izay midika hoe « mpiambina » ny anaran’ny Eclairaurs Unionistes de Madagascar. Tao aorian’ny tabataba 1947 izay hetsika fanoherana ny fanjanahantany.

Teto Antananarivo tao amin’ny Foyer Chrétien des Jeunes gens no fampivondronana vao nanainga ho amin’ny lasy.

Tao amin’ny Foyer tao Antsahamanitra ny Tily, voatokana ny taona 1951. Tamin’ny feon’anjomara no niantsoan’i Chef Randria ny fivoriana. Samuel Randria, 41 taona eto amin’ny sary, teraka tany Fianarantsoa. Nianatra tao amin’ny Mission Luthérienne Américaine de Fort-Dauphin. Nahazo ny mari-pahaizana Certificat de l’enseignement du second degré, izay diplaoma ambony indrindra ho an’ny malagasy tamin’izany ary niasa tamin’ny sehatry ny fampianarana.

Skoto nanomboka ny taona 1930, efa Filoha (Commissaire Eclaireurs) nanomboka ny 1941 ary nanokana ny fotoany ho amin’ny skotisma nanomboka ny 1944.

An-dalana hamonjy ny lasy

Nandray ny kamiao nipetraka teo anilan’ny tranon’ny Haut-Commissaire ireo tily handeha hilasy. Nandeha tamin’ny Avenue de la libération, Avenue an’ny fahaleovantena ankehitriny ny fiara izay mitondra ho eny amin’ny gara. Mitodika miakandrefana mihazo ny lalana mankany Ivato misy ny seranam-piaramanidina ankehitriny, mamakivaky ireo lemaky Betsimitatatra.

Eny an-dalana, sarety mpitatitra entana no mifamezivezy arahana fiara vitsivitsy. Misalotra lamba na lahy na vavy araka ny fihaviany avy.
Teo Ambohimanarina, nihoatra antokon’olona miakanjo fotsy mihira sy mandihy miaraka amin’ny tsihy sy angady ary saina, ireo tily. Mitanjozotra ho any amin’ny tanindrazany hanao famadihana.

Milasy eny Ivato 15 km miala ny tanana an-Antananarivo
Tonga eto amin’ny toerana hilasiana isika. Fianakaviana iray mpino protestanta no tompon’ny toerana malalaka.

Eo am-pidirana ny mariky ny Unioniste. Ny vavahady hazo miodina izay handrasan’ireo mpilasy dia tandindon’ny vavahady hakodia fampiasa fahiny teto Imerina izay, afovoan-tany izay misy an’Antananarivo.
Ny delegasiona avy amin’ny faritra hafa dia miditra ao anatin’ny faritry ny lasy.

Miantso fifamoriana indray Chef Randria ary arahana fampiakaran-tsaina. Misokatra ny lasy.

Manangana tanana avy hatrany ny mpilasy.

Atsangana ireo tranobongo 80 amin’ny alalan’ny teknika fanaovana koja, mampiasa hazo mimoza, mololo sy zozoro ary taretra sy raphia. Samy nitondra ny fitaovana avy amin’ny faritra nihaviany avy ireo mpilasy. Manaraka ny fananganana trano malagasy avokoa ireo fanorenana natao. Rindrina 4 sy tafo 2 mifamaly.

Mandritra ny fotoana hilasiana, ny tranolay sy ny sakafo dia miaina amin’ny zava-misy tanteraka. Avy nisakafo dia misy fiatona kely, mandeha ny fitsidihana ireo trano rava sady mihinana fary, fotoanany rahateo

Andro fanokanana

Ny alahady 5 Aogositra 1951 no fanokanana amin’ny fomba ofisialy
ireo faritany tonga nanatrika : Diégo- Mahajanga- Tomasina- Vatomandry- Soavinandriana – Arivonimamo – Toliara – Fianarantsoa –Ambalavao – Manakara- Farafangana – Fort- Dauphin sns

Niroso teo anatrehan’ireo filoha isam-paritany avokoa ireo tily 500 isa. Samy manao ny fanamiana skoto, ny fehitedan’ny fivondronanany, ny sasany manao beret, ny sasany manao ny satroka misy tendro 4, ny sasany nanao satroka manamarika ny toeram-piaviny avy. Misy ireo manao kiraro ary ny sasany tsia. Misy vondrona milatro miaraka amin’ny baiboly.

Ny isan’ireo mpilasy nanatrika dia azo lazaina ho maro ihany, araka ny faritra nihaviny avy : ireo Betsileo 105 tily, Toamasina 35, Diégo 12, ry zareo avy any Atsimo-Andrefana dia tonga niaraka tamin’ny osy manamarika ny faritra misy azy.

Misy sokajy 1 sady nhahitana malagasy no nahitana vazaha eropeana na metisy. Fa mitokana hatrany ny vahiny sy ny zanatany.

Fotoam-pivavahana tao an-dasy

Ny fotoam-pivavahana dia notaritin’i Pastora J. Vernier, Filohan’ny hetsika eto Madagasikara

Ny fankalazana ny tenin’Andriamnitra dia natao ankalamanjana voadidin’ireo kininim-potsy, tarihan’ny Mpitandrina Jacques Vernier Filohan’ny Champ de Mission Evangélique de Paris fantatra eto Madagasikara amin’ny MPF Mission Protestante Française
Eo amin’ny lohalarahan’ny fivoriam-bavaka, Marc André Ledoux Chef Mamy, teny malagasy midika hoe Doux.

Taorian’ny fianarana tao amin’ny Oniversite HEC teoa amin’ny Faha 22 taoanany Marc André Ledoux dia nisafidy ny ho lasa mpitandrina.
Ny volana Aprily taona 1947, ny Commissaire du Mouvement Unioniste, Maurice Caustile, nanome sosokevitra azy ny handeha ho aty Madagasikara.Ledoux sy ireo ekipa malagasy no miara-miombon’antoka, hampandroso sy hampahaleo-tena ny skotisma malagasy.

Nisy tily sy mpitsidika voaasa hanontrona ny fanokanana
Mandray anjara amin’ny fanompoana ny vahiny, ny éclaireuses manao ny satroky ny mpanjanan-tany miaraka amin’ny sefotenina

Famakiana baiboly

Ny fiainam-pinoana no ivon’ny fiainana ao an-dasy. Mifototra amin’ny famakiana ny tenin’Andriamanitra izay nananganana fiangonana tao an-dasy. Misy fotoam-pivavahana isa-maraina.

Manao ny fitsidihana fitsirihana ireo filoha
Anisan’ireo filoha mpitarika Paul Rakoavololona 30 taona, nanatanteraka ofana tany Frantsa. Izy no Sekretera Jeneralin’ny hetsika no mpandrindra voalohany ny lasy.
Jerena ny endriky ny fanevan-tsokajy, ny fandrindrana ny fandrahoan-tsakafo.
Mahasarika ny mpandalo eto Antananarivo ny fisian’ny lasy izay nahatratra hatramin’ny 10.000.
Anatin’ireo misy ireo tompon’andraikimpanjakana vazaha mpjanaka sy misionera

Seho ny fiainana an-dasy
Voarindrana sy voalamina toa ny tanàna iray ny lasy. Misy fizaràny sy ny vohitra avy.
Ny Mpiandraikitra ny lasy no tompon’andraikitry ny tanana sady lehiben’ny fokonolona.
Ankoatra ny raharaha mikasika ny fatsakana rano. Ny “reliure”, ny fandrariana, ny fakana sary, ny fanaovana asa-tanana amin’ny tanimanga, ny fitsidihana, ny fanjonoana ary lalao samihafa no mandrafitra ny fandaharam-potoana ao an-dasy.
Manana ny tsenany manokana ny lasy. Manjifa sakafo ny mpilasy amin’ny alalan’ny tapakila omen’ny Mpitarika lasy. Kapoaka-dronono Nestlé no famarana ny vary.
Tonga mamantatra ny vaovao ao an-tanana. Ny hetsika voaomana ho atao sy tanterahana, ny gazetin-jobily. Mindrana boky. Manana ny radio manokana ny lasy izay ahahafan’ny tily mihira sy maneho hevitra.
Misy paositra ifandraisan’ireo valan-tsokajy.

Firahalahiana tily

Mifamangy ny sokajy tsirairay mba hifankahalalana amin’ireo tily avy amin’ny faritra hafa.
Ny fifampitsidihana dia tafitra anatin’ny ofana omena ireo tanora amin’ny fahatsapan’izy ireo ny firaisana eo amin’ny samy malagasy.

Mpirahalahy sy mpinamana avokoa ny tily na aiza faritra niavina na aiza eto amin’ny lafy valon’ny nosy
Ilay tily avy any Atsimo, misy varika eo amin’ny soriny dia mitarika fitangoronana. Anatin’ny fotoana fialana sasatra, misy ireo manala ny fanamiany ka misalotra ny lamba fanaon’ny faritra fiaviny, lambahoany na salova.
Anatin’ny fianana an-dasy manana anjara toerana lehibe ny fanatanjahan-tena
Ny fanatanjahantena iraisana, Volley sy basket, teraka ny faramparan’ny taon-jaoto faha 19 tany Amerika Avaratra teo anivon’ny Unions Chrétiennes des Jeunes Gens no noentin’i Jean Beigbeider teto Antananarivo ny taona 1924 sy 1927.
Niampy ny Ping-pong ny lalao voalaza tetsy aloha izay nampalaza ny Foyer des Jeunes de tananarive izay foiben’ny skotisma unioniste.

Isan’andro dia mivondrona hihira ny mpilasy rehetra
Mamorona hiran’ny lasin-jobily mandritra io fotoana io
Ledoux no lasa sefon’ny chorale amin’ny famerenana ny hiran-jobily

Afon-dasy

Rehefa hariva dia mivondroa avokoa ny ao an-dasy manodidina ny afon-dasy
Ny 15 Aogositra tao an-tsahamanitra ny afon-dasy farany niarahana. Ny 16 Aogositra no fotoam-pivavahana hamaranana ny jobily. Ny 17 Aogositra no nisaraka ireo sokajy.

Eto Madagasikara na manerana izao tontolo izao dia Jesosy Kritsy no lehiben’ny lasy, Izy no tompon’ny lasy. Aminy no hanaovan’ny tily eto Madagasikara fanekena
Ny fanekena Tily eto Madagasikara
Eto anatrehan’Andriamanitra sy ny olona ary noho ny fitiavan’i Jesosy Kritsy Tompon’ny fiangonana no anekeko izao ilatsahako Eclaireur Unioniste de France eto Madagasikara fa : hanompo an’Andriamanitra, hiasa ho an’ny tanindrazana sy ny namana ary hanoa ny lalàn’ny tily

Manaiky ny tily fa hanompo an’Andriamanitra, hanaja ny lalàn’ny skoto ary hiasa ho an’ny tanindrazany