Sokajy
Vakoka sy tantara

Tantaran’ny skoto Malagasy voalohany

Tamin’ny Alahady 09 avrily 1922 (Alahadin’ny sampan-drofia io andro io) no niseho voalohany tamin’I Revérend Joseph Fuhler RADLEY teo amin’ny tohatoha-bato miakatra ho an’ny Antaninarenina ireo sokajy voalohany izay notarihan’I Michael Rajohnson sy ny ekipany dia
– Eugène RAZAFITRIMO
– Philippe ANDRIANARIJAONA
– Alban RATSIVALAKA
– Albert Rakoto RATSIMAMANGA

Toy izao ny fitantaran’i Albert Rakoto RATSIMAMANGA :

Isaky ny fotoam-pialan-tsasatra dia nentiny nandeha an-tongotra hatrany Ramaniandro sy nihanika ny tendrombohitr’Ankaratra izahay. Samy mitondra ny vatsy sahaza azy sy ny fitaovana nilaina rehetra. Nanao asa soa koa izahay teny an-dalana nandalovanay toy ny fanampiana ny sahirana sy ny marary.

NAMPAHALALAINA ANAY NY SKOTISMA
Teny am-pandehanana teny no niresandresahan’ny Rev. Radley taminay ny momba an’i Baden Powell sy ny zava-kendren’ny SKOTISMA. Nafana fo tokoa izahay nandre ireny dinidinika ireny, ka naniry mafy ny mba ho SKOTO.
Rajhonson, zokiny indrindra taminay, no tena nafana fo ka nitady fomba nahazoanay nanao skoto. Koa nampanjaitra fanamiana ho anay izy, fa efa nampisehoan’ny Rev. Radley taminay ny fanamiana skoto tao an-tranony.
Nafeninay fatratra izany fiomanana izany, ka tamin’ny Alahadin’ny Sampan-drofia taona 1922 dia nanao izany fanamiana skoto izany izahay ary nilahatra teo amin’ny tohatohabato miakatra tao amin’ny fiangonanan Anglikana tao Atsimon’Anjoma teo Antaninarenina (misy ny Paositra ankehitriny), mba hiandry ny Rev. Radley hiditra tao am-piangonana.

NISEHO SKOTO IZAHAY
Ny zokinay Rajohnson no nibaiko anay amin’ny fomba skoto rehefa nandalo ny Rev. Radley sy Ramatoa Pryce Brown. Tena tsy nampoizin’ny Rev. Radley izany fihetsika sy fomba nasehonay izany. Hany heriny namely tsisazoka ny arahabanay sady nandray Tanana anay tsirairay avy.

Nandritra ny herinandro Masina dia niely tao amin’ny High School Ambohimanoro iny zava-niseho iny. Araka ny fanaon’ny Sekoly dia milahatra eo an-tokontany avokoa ny mpianatra alohan’ny hidirana an-dakilasy. Vory atrika avokoa na ny mpampianatra na ny mpianatra rehetra. Indro tonga ny Rev. Radely talen’ny sekoly nanao “Fanamiana maha skoto” azy sady nanao ny “samboady maha mpianatry ny Oxford” azy.
Teo no nilazany am-pahibemaso hoe

« Faly ny foko fa teraka eto amin’ity sekoly ity ny Skoton’I Baden Powell ary tsy izaho no namorona azy fa ireto tovolahy dimy notarihin-dRajohnson Michael ireto”

Révérend Joseph Fuhler RADLEY

Nanao teny fanazavana ny amin’ny Skotisma koa izy. Zava-nahagaga ny maro ilay “fanamiana skoto” nanaovan’ny Rev Radely fa nitovitovy tamin’ny fanamian’ny miaramila anglisy sy kanadiana.

NIELY NY RESAKA
Hatreo dia niely ny resaka fa “lasa miaramila amerikana indray, hono, ny mpianatra ao Ambohimanoro”
Ka nony afaka herinandro vitivitsy dia tonga tao amin-dRamatoa renin-dRajohnson tao Ambodifilao, ny polisy namotopotopotra ny nahatonga ny zanany ho miaramila amerikana, ary alalana avy aiza, hono, no nahazoany nanao izany. Tsy afaka namaly izany anefa izy satria tsy fantany velively izany.
Dia tonga tany an-trano-dRazanatefy sy ny Dr Raharinosy koa ny polisy. Dia nampiantsoina tany amin’ny Administratera lehiben’ny tanàna izy ireo nefa samy tsy afaka namaly ny fanontaniana, afa-tsy ny hoe : “Ataonay fa tsy heloka ny manao fanamiana. Fanamiana mahafinaritra azy no nentiny ka tsy hitanay izay mahadiso azy”.
Fa nampiantso ny Rev. Radley izy taty aoriana. Olom-pantatra tsara izy amin’ny fankasitrahany ny kolontsaina frantsay sady nanana ny legion d’honneur ka nilamina mora foana ny iny ahiahin’ny fitondrana iny.
Heno koa taty aoriana fa natoky ny skotisma ny fanjakana frantsay.

Nalaina tao amin’ilay Boky NY SKOTISMA SY NY TILY ETO MADAGASIKARA nosoratan’I Jean Lequerre Rajoelisolo