Sokajy
Soatoavina Tily

Fanekena Tily

Eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona, ary noho ny fahasoavan’i Jesoa Kristy lohan’ny Fiangonana no anekeko, amin’izao irotsahako ho isan’ny Tily eto Madagasikara izao, fa :

  • Hanompo an’Andriamanitra
  • Hiasa ho an’ny tanindrazana sy ny namana
  • Hanoa ny lalàn’ny Tily

Ireto telo ireto no eken’ise raha miditra ho Tily ise:

Hanompo an’Andriamanitra

Hiasa ho an’ny tanindrazana sy ny namana

Hanoa ny Lalàna Tily

TADIDIO IRETO :

  • Tsy misy mahazo manery an’ise hanao ny Fanekena.
  • Eny an-kalamanjana mandrakariva no hanaovana azy.