Sokajy
Fandraharahana

Ireo taratasy ilaina ahazoan’ny fiara « Autorisation spéciale »

Talenta azo trandrahana :

Ireo fiara fitateram-bahoaka (Taxi Be na Taxi-Brousse), maniry hitatitra olona ivelan’ny Zotra izay nahazoany alalana ao anatin’ny taratasy fahazoan-dalana hitrandraka Zotra na « Licence d’exploitation » dia mila fahazoan-dalana mialoha avy amin’ny Sampandraharahan’ny fitaterana an-tanety (ATT). Io ilay antsointsika mahazatra hoe fiara « manao spécial »

Ity tahirin-kevitra ity dia nalaina avy amin’ny Sampandraharahan’ny Fitaterana an-tanety (ATT)

Fa maninona no mila manao « Autorisation Spéciale » ?

  • Ahafahana manamarina fa ara-dalàna avokoa ny antontan-taratasin’ny fiara, ny mpamily ary ny mpandeha rehetra mialoha ny hiaingana
  • Taratasy ilain’ny mpitandro ny filaminana, ny Fitsarana ary ny Trano fiantohana ny « Autorisation Spéciale » raha sanatria ka sendra misy lozam-pifamoivoizana mitranga
  • Fandikan-dalàna ary mahavoasazy ny fitaterana olona ivelan’izay voalaza ao anatin’ny « Licence d’exploitation »

Isan’ny arofanina iray hiarovana ny ain’ny tily iandraiketan’ise ny dingana fanamarinana sy fanarahan-dalàna toy ity.

Aiza avy ireo toerana hahafahana mangataka « Autorisation Spéciale » : 

  • Ho an’ny eto Antananarivo dia eny amin’ny Foiben-toeran’ny ATT eny Analakely, 
  • Ho an’ireo any amin’ny Faritra kosa, dia any amin’ireo Masoivoho na Tendro ATT isaky ny Faritra.

Misy sarany ve ny fangatahana « Autorisation Spéciale » ? 

  • Eny, arakaraka ny isan’ny seza handoavam-bola ao anatin’ny fiara sy faharetan’ny andro hijanonana any amin’ilay toerana izay handehanana.

Maharitra hafiriana no mivaly ny fangatahana ?  

Raha ara-dalàna sy feno tsara avokoa ny antotan-taratasy fangatahana dia tokony ho vita eo no ho eo ny taratasy fahazoan-dalana. Miankina amin’ny ora fivoahan’ny birao nefa izany (izay samihafa ny eto Antananarivo sy any amin’ny Faritra), ary miankina ihany koa amin’ny habetsahan’ny olona izay tonga mangataka taratasy fahazoan-dalana, noho izany tsara raha tsy miandry amin’ny ora farany vao manao ny fangatahana. 

Inona avy ary ireo antotan-taratasy ilaina raha hanao fangatahana « Autorisation Spéciale »

  • Taratasy fangatahana fahazoan-dalana manokana vita sonia sy fitomboky ny tompon’andraikitra mahefa ao amin’ny Koperativa na rafi-pitaterana misy ilay fiara « original » iray (01) miaraka amin’ny dika mitovy anankiroa (02)
  • Lisitry ny mpandeha « original » iray (01) sy dika mitovy iray (01)
  • Dika mitovy, hay vakiana, tsy lany fetrandro :
    • Karatra volombatolalaka na « carte grise », 
    • Karatra volomparasy na « carte violette » sy « procès-verbal Visite Technique »
    • Taratasy fiantohana na « attestation d’assurance »
    • Taratasy fahazoan-dalana hitrandraka Zotra na « Licence d’exploitation »,
    • Karatra manamarina maha ara-dalàna ny fandoavan-ketra « Carte fiscale », 
    • Taratasy fahazoan-dalana mamily fiarakodia na « permis de conduire » miaraka amin’ny « visite médicale », mila mpamily anankiroa « chauffeur doublage » raha handeha lalana mihoatra ny 600km,
  • Taratasy fanekena voasonian’ny mpamily na « lettre d’engagement »