Sokajy
Fandraharahana

Fepetra fananganana fivondronana vaovao

  1. Azo atao ny fanokanana Sampana Mpanazava (na/sy) Tily rehefa nahazo ny fankatoavan’ny Foiben’ny Synodam-piangonana (FSFLM/SKOA/SAMPATI/SFTIMPA/SATIMPA) sy ny Komity Lehibe MTEM ary ny Foibe (MEM/TEM).  Ka ireto avy no fepetra takiana amin’izany :
  • Sampana efa nitsangana enim-bolana fara-fahakeliny 
  • Sampana efa vonona ary ara-dalàna tsara eo anivon’ny Fiangonana 
  • Sampana efa vonona  ary ara-dalàna tsara eo anivon’ny Fikambanana (MEM sy TEM)
  1. Ny fotoana hanokanana Sampana Mpanazava (na/sy) Tily eo anivon’ny Fiangonana dia tsy maintsy ary ifanarahan’ny Synodam-piangonana (FSFLM na SKOA na SAMPATI na SFTIMPA na SATIMPA) sy ny Fikambanana (Komity Lehibe, ary ny Foibe MEM sy TEM).
  1. Amin’ny andro hanokanana, dia ilaina ny mampiseho amin’ny Fiangonana ny fiaraha-miasa sy ny firaisana ary ny fiombonan’ny Synodam-piangonana sy ny Fikambanana. Izany dia marihana amin’ny alalan’ny fijoroan’ny :
  • Solontenan’ny Synodam-piangonana (FSFLM na SKOA na SAMPATI na SFTIMPA na SATIMPA)
  • sy ny solontenan’ny Fikambanana (Komity Lehibe ary ny Foibe MEM sy TEM)
  1. Ezahana mba ho ny fanahin’ny fanompoana sy ny firaisan–tsaina ary ny fifanankalozan–kevitra, no hanjaka eo anivon’ny Synodam-piangonana sy ny Fikambanana, mandritra ny fanomanana sy ny fanatanterahana ny Fanokanana. 

Ireo mpandray anjara mandritra ny fanokanana fivondronana :

  • Ny Mpitondra fivavahana
  • Ny Solo-tenan’ny Synodam-piangonana
  • Ny Komitim-paritany
  • Ny Filoha avy amin’ny Faritany

Ireo antontan-taratasy ilaina raha hanokana fivondronana vaovao

Ireto taratasy ireto dia alefan’ny Komitim-pivondronana amin’ny Faritany, ary ny Faritany no mankatoa azy sy mandefa azy amin’ny Foibe.

  1. Taratasy fangatahana avy amin’ny Komitim-pivondronana
  2. Lisitry ny mpikambana rehetra
  3. Taratasy fifanarahana fananganana fivondronana (araka ny modely omena)
  4. Fanazavana ny lokon’ny fehitendam-pivondronana sy ny heviny

Fizotran’ny fanokanana Fivondronana

Manaraka ny litorjia araka izay fandaminan’ny synodam-piangonana ny fizotran’ny fanokanana.