"Mifikira amin'ny tsara" Romana XII 9 D.

Tily mpitondra hafatra
ho an'ny fandriam-pahalemana

NEWSLETTER
FOIBE TILY ETO MADAGASIKARA
Foyer Chrétiens des jeunes Gens Antsahamanitra
BP: 771 - 101 Antananarivo MADAGASCAR
Tel: (+261) 32 65 810 85

international@scout.mg
messagers de la paix

Ny tsara ho fantatra momba ny skotisma

Ny fikambanana skoto dia misy amin’ny firenena maro maneran-tany ary mivondrona ao amin’ny Organisation Mondiale du Mouvement Scout na OMMS. Mpikambana feno ao amin’ny OMMS ny Tily Eto Madagasikara. Manana ny mampiavaka azy manokana ny skotisma ary anisan'izany ireto lazaina manaraka ireto:

Ny vinan'ny skotisma maneran-tany

Ny VINAN'NY skotisma dia ny “Hanorina tontolo tsara kokoa”.

Ny zava-kendren'ny skotisma

Ny ZAVA-KENDREN’NY Tily Eto Madagasikara dia ny hitaiza sy hanolokolo ary handray anjara amin’ny fampivelarana ny maha-olona feno ny ankizy sy ny zatovo ary ny tanora zazalahy ao aminy ho vavolombelon’i Jesoa Kristy, ho olom-pirenena vanona, ho andrin’ny Fianakaviana.

Ny Fototra ijoroan'ny Skotisma

Ny FOTOTRA IJOROAN’NY Skotisma ampiharin’ny Tily Eto Madagasikara amin’ny fitaizana ataony amin’ny Mpikambana ao aminy dia : Adidy amin’Andriamanitra, Adidy amin’ny hafa ary Adidy amin’ny tena.

Adidy amin’Andriamanitra

- Mino ny fisian’Andriamanitra telo izay iray
- Miaina ny maha-Kristiana isan’ny Fiangonana
- Mandalina ny Finoany sy ny firaisam-pinoana
- Mitory ny Filazantsara
- Mijoro ho vavolombelon’ny Finoana

Adidy amin’ny hafa


- Mitia sy miasa ho an’ny Tanindrazany
- Mampanjaka ny fahamarinana, ny fandriampahalemana ary ny fifankatiavana ao amin’ny fiaraha-monina, ny firenena ary ny iraisam-pirenena.
- Mitandro ny maha-olona sy mikajy ny tontolo iainana.
- Mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny mpiara-belona.

Adidy amin’ny tena

- Mandray andraikitra amin’ny fampivoarana ny tena sy amin’ny fiatrehana ny fiainana ankehitriny ary ny ho avy.
- Manao izay ahatonga ho olon-dehibe mahavelon-tena ary azo anankinana andraikitra.

Ny fomba fanabeazana skoto

Anisan’ny mampiavaka ny fikambanana skoto raha miohatra amin’ny fikambanana hafa ny fananany fomba fanabeazana manokana dia ny “Fibeazan-tenan’ny tsirairay”.

Ampiharina amin’ny alalan’ireto singa fito izay tsy afa-misaraka ireto izany:
- ny Lalàna sy Fanekena,
- ny Fanabeazana amin’ny alalan’ny asa,
- ny Fiainam-bondrona,
- ny Fomba sy Tarazo,
- ny Fiainana ankalamanjana,
- ny Ambaratonga sy Talenta,
- ary ny Fifandraisan’ny olon-dehibe sy ny beazina.