Sokajy
Aim-panahy

Fandalinana ny bokin’ny Efesiana : fitarihan-teny

Isan’ny taratasy nosoratan’i Paoly Apostoly tany Roma, tamin’izy
navela hitoetra tao an-trano nohofany (Asa 28, 30 ) ity epistily ity.
Misy fisalasalana be ihany na ny fiangonana tany Efesosy irery no
nanoratany azy, na ny fiangonana hafa koa, satria tian’i Paoly raha vakiana amin’ny fiangonana maro ny epistily (Kol 4, 16 ).

Efa nitoetra telo taona tany Efesosy i Paoly (Asa 20, 31 ), ka dia fantany tsara ny olona nanoratany. Mampahatsiaro ny Efesiana izy fa “mpifatotra an’i Kristy Jesoa noho ny aminareo jentilisa” ny tenany (Efes 3, 1 ). Nataon’i Paoly ho zavatra tena mahagaga mandrakariva ny nandraisan’Andriamanitra ny jentilisa ho mpiray lova sy mpiombona ny teny fikasana ao amin’i Kristy Jesoa noho ny filazantsara (Efes 3, 4-6 ).

Ny zava-dehibe ao amin’ny boky Efesiana

Ny hevi-baventy voalaza ao amin’ity taratasy ity, dia ny firaisan’i Kristy amin’ny fiangonana sy ny olona Kristiana, ary ny haben’ny harena ara-panahy izay lovany noho izany firaisana izany.

Fanoharana telo no nentiny nanazava izany :

  • Tempoly ho fonenan’Andriamanitra ny Kristiana (Efes 2, 19-22 ) ;
  • Kristy no Loha ary ny fiangonana no tenany (Efes 1, 22-23 , Efes 4, 15 ) ;
  • ny fanambadian’ny olona no nataony sarin’ny firaisan’i Kristy sy ny fiangonana (Efes 5, 25-32 ).

Azo lazaina fa tsy mba taratasy ho an’ny fiangonana anankiray ihany akory ity epistily ity, fa ho an’ny fiangonana rehetra na aiza na aiza eran’izao tontolo izao, ary izany indrindra no nandraisan’ny fiangonana Kristiana azy.

Fizaran’ny boky

Toko 1 hatramin’ny 2 (andininy faha-10)

Fiarahabana sy fiderana an’Andriamanitra noho ny soa avy amin’ny fanavotana nataon’i Kristy (Efes 1, 1-14)

Ny vavaka nataon’i Paoly ho an’ny olona nanoratany mba handroso amin’ny fahalalana tsara ny famonjena sy ny halehiben’ny fitiavan’Andriamanitra (Efes 1, 15-23 ; Efes, 2, 1-10)

Toko 2 (andininy faha-11) hatramin’ny toko faha-3

Ny famindram-pon’Andriamanitra amin’ny jentilisa amin’ny andraisany azy ho ao amin’ny Fiangonana (Efes 2, 11-12).

Zava-miafina taloha fa tanteraka ankehitriny ny ahatongavan’ny jentilisa ho mpiombona amin’ny filazantsara (Efes 3, 1-14).

Vavaka nataon’i Paoly (Efes 3, 14-21)

Toko 4 hatramin’ny 6 (andininy faha-9)

Fananarana ny olona mba hifanara-tsaina sy haharitra ary handroso amin’ny tsara (Efes 4, 1-16)

Anatra ho an’ny olona momba ny fitondran-tena madio sy ny toetran’ny tokantranony na tompo na mpanompo (Efes 4, 17-32; Efes 6, 9)

Toko 6 (andininy faha-10) hatramin’ny andininy faha-24

Ny adim-panahin’ny Kristianina sy ny fiadiany (Efes 6, 10-20).

Ny amin’i Tykiko izay nirahin’i Paoly hitondra ity taratasy ity, sy hamangy ny Fiangonana (Efes 6, 20-22)

Tso-drano (Efes 6, 23-24)