Sokajy
Fandraharahana

Tsara ho fantatra momba ny fiantohana (assurance)

Nohavaozina ary manan-kery manombika ny zoma 10 febroary 2023 ho an’ny herintaona manaraka ny fiantohana antsika (Assurance)

Araka ny fehin-kevitry ny FIFITI 2022 Morondava dia nohatsaraina izany fiantohana izany ka niakatra ho 200.000Ar ny tahan’ny fandraisana an-tanana fitsaboana (raha toa ka 60.000Ar) izany teo aloha.

Ny vola alohan’ny Tily tsirairay rehefa mandoa FAFI dia tsy assurance no anarany fa latsak’emboka ka tafiditra ao ny :

  • fampandehanan-draharaha anatiny  sy ivelany
  • vidin’ny karatra maha-mpikambana
  • fiantohana (Assurance)

Ny trano fiantohana miahy antsika dia :

  • SANLAM Madagascar
  • Police : 1002/8220000034
  • Catégorie : Individuel Accident
  • Durée du contrat : 1 an sans tacite reconduction
  • Capital Décès : 500.000ar
  • Plafond frais de traitement : 200.000 ar (ity ilay niakatra)
  •  Ireo no mifanaraka amin’ny latsakemboka alohantsika.

Ny Tily eto Madagasikara no manao fifanarahana (contrat) any amin’ny « assurance ». Noho izany, ny tily manana karatra manan-kery, ao anaty hetsika ara-dalàna ato amin’ny Tily Eto Madagasikara dia voaantoka avokoa.

Ny atao hoe hetsika ara-dalàna dia:

Hetsika ao anaty fandaharana herintaona/telovolana/Fivoriana/Fivoahana antsaha/Lasy misy Sonia sy fitomboky ny Filoham-paritany na Filohan’ny Foibe na ny solotenany (voatendry an-tsoratra)

Raha Fivoahana antsaha sy Lasy dia nanaovana fangatahana alalana hilasy tany amin’ny  Faritany sy/na Foibe, ary nahazoana ireto manaraka ireto :

  • Taratasy alefa amin’ny Faritany sy/na Foibe: fangatahana fahazoan-dalana hanao weekend na lasy (DFaV). Nahazo alalana = Nivaly ary misy sonian’ny Filoham-Paritany na Filohan’ny Foibe na ny solotenany voatendry an-tsoratra ny taratasy fahazoan-dalana.
  • Taratasy fangatahana  fahazoan-dalana any amin’ny toerana hilasiana misy fanamarinana avy amin’ny Sefo Fokotany sy/na ben’ny tanana na préfet de police
  • Lisitry ny mpilasy misy laharan’ny  karatry ny tsirairay
  • Fandaharana + Fiche teknika rehetra

Raha misy voina mitranga :

  1. Miantso ny DFaV Faritany sy DFaV Foibe ao anatin’ny 48h (roa andro) ary lazaina ny voina nitranga, toerana, fomba nitrangan’ny loza, isan’ny niharam-boina.
  2. Atao an-tsoratra ireo avy eo ary alefa amin’ny DFaV Foibe misy Sonia sy fitomboky ny Faritany/Foibe
  3. Misy antontan-taratasy maromaro avy eo karakaraina miandalana (5 andro), alefa amin’ny DFaV Foibe
  4. Anjaran’ny DFaV Foibe no miantso sy mifandray amin’ny assurance rehefa voaray ny antso an-tariby avy amin’ny niharam-boina