Sokajy
Izy no ...

Izy no … Samuel RANDRIA (Requin Bolide)

Filoha Foibe Tily malagasy voalohany, nitarika ny lasy Ravinala voalohany. Fantatrao ve? Mitondra ny anaran’i Chef Samuel RANDRIA ny kihon-dalana mampifandray an’Anosy sy Antsahamanitra.

RANDRIA Samuel AndrĂ© no anarany feno. Teraka ny 22 Jolay 1910 tao Tolagnaro izy ary avy any Fianarantsoa ny ray aman-dreniny : RANDRIAMALAZAVOLA, mpampianatra avy any Ambalavao Ivondro, sy RAVOLAMITSIRILAZA, avy ao Atsimon’Ambohimandroso Fianarantsoa. Izy no zaza faha-7 amin’ireo 12 mianadahy nateraky ny ray aman-dreniny.

Tao Manatantely (Tolagnaro) i Chef Randria no nanomboka ny fianarany faha-zaza, niatrika ny fanadinana Certificat d’Etudes du Second DegrĂ© (CESD) tao Farafangana, ary nanohy ny fianarany tao amin’ny Sekoly Paul Minault Antananarivo.

Nanala ny fanadinana bakalorea izy ny taona 1937, saingy tsy afaka. Najanony ny fianarany ny taona 1942 fa nanomboka nampianatra tao amin’ny Sekoly Ambohijatovo Atsimo izy. Nirona tamin’ny asa fanaovan-gazety indray kosa izy taty aoriana ka lasa tonian-dahatsoratry ny gazety “Etsy babeko” (gazety famalifaliana ankizy), tonian-dahatsoratry ny gazety “Isika ihany”, ary taty aoriana dia lasa mihitsy izy nandalina manokana ny asa fanaovan-gazety tany Etazonia (1966).

Nanomboka ny taona 1963 izy no sady talen’ny “Jeune Foyer” tao Tolagnaro, ary nanomboka ny taona 1971 hatramin’ny 1985 dia nifindra nitantana ny kilasimandry zazalahy tao Ampandrana Gilpin.

Nanambady i Chef Randria, ny taona 1954. Ary nanan-janaka lahitokana saingy nodimandry io zanany io ny taona 1985.

Tantara maha-skoto

1930 : Nirotsaka ho Tily izy, tao amin’ny Antoko faha-V. 

1932 : Loha-tsokajin’ny sokajy Vorombola izy (Antoko faha-V).

1936 : Nanao ny fanekena skoto izy, ary nantsoan’i Cheftaine Beigbeider sy Chef Charles hamorona ny lovitao malagasy voalohany. Isan’ireo anarana lovitao nentiny tamin’izany fotoana izany : Rafandrana, Raedy, Roger, Phosy.

1938 : Nandritra ny fakan-drivotra nataony tany Fort-Dauphin dia i Filoha Lequerre no nisolo ny toerany tamin’ny asa fiandraiketana.

1941 : Nantsoina ho « Commissaire Louveteaux » izy.

1943 : Nanatanteraka fizahan-tany (« explo« ) namakivaky ny ala atsinanana izy sy i Chef Paul RAKOTOVOLOLONA : niainga avy any Soanierana Ivongo hatraty Ambatondrazaka.

1944 : Raharaha mafin’ny Skotisma, kanefa tsy nisy afatsy izy irery ihany no « Commissaire professionnel »

1945 : Voatendry ho « Commissaire professionnel » raikitra izy ka namoy ireo rendrarendram-piainana rehetra. Hoy izy : « fantatro fa tsy nataon’ Andriamanitra ho ahy ny hanan-karena »

1946 : Nanao « explo » mafy be indray izy niaraka tamin’i Chef Paul RAKOTOVOLOLONA : niainga teny Imerimandroso ka hatrany Fenoarivo Atsinanana.

1947 : Nandray anjara tamin’ny « Jamboree Mondial de la Paix » tany Frantsa izy niaraka tamin-dRakotomalala Pierrot (Skoto Katolika). Nanatrika ny « Camp Cappy » koa izy ka nahazo ny marika maha-mpitarika lasy na ny « Tison de Cappy »

1948 : Nanao « stage » momba ny Skotisma tany France, Belgique, SuĂšde, Allemagne, Danemark ary NorvĂšge izy. Tany Frantsa io no nahazoany ny solon’anarana « Requin Bolide » noho izy kinga teo amin’ny lomano.

1949 : Niverina teto Madagasikara izy ary nitana ny andraikitra maha-« Commissaire National » ny Tily eto Madagasikara niaraka tamin’i Paul RAKOTOVOLOLONA, Charles RAVAOJANAHARY, Lequerre RAJOELISOLO, ary Parfait RAVALOSON.

1950 : Taona nanaovana ny Pow Wow tao Antsahamanitra, tsy afaka nanatrika anefa izy satria mbola tao anatin’ny aretina mafy.

1954 : Namonjy ny « Jamboree » tany Canada indray izy.

1955 : Nitarika ny skoto rehetra tao amin’ny « CommunautĂ© d’Outre-Mer » izy.

1957 : Nitarika ny Lasy Ravinala voalohany tao Dinta Ambohidratrimo.

1958 : Nahaleo tena ny Tily eto Madagasikara ka izy no Filoha Foibe Tily Malagasy voalohany.

1984 : Lasy Jobily faha-60 taona tao Betsizaraina, ary taona ihany koa nisehoany faramparany teo amin’ny sehatry ny skotisma.

“Raha asa no ho atao dia antsoy aho”

Chef Samuel RANDRIA

Efa toetrany hatramin’ny fahazazany ny fahamatorana sy ny maha-entitra, ka nanampy azy betsaka tamin’ny asa fanabeazana sy ireo andraikitra maro samihafa notanany (Kilasimandry zazalahy tao Ampandrana,Akanin’ny Tanora tany Fort‐Dauphin, ary amin’ny Tily eto Madagasikara). Ffiteniny matetika ny hoe « Aleo tsy manao toy izay manao kitoatoa », nefa koa tia manao hatsikana manabe izy ary saiky feno fifaliana sy hirahira hatrany ny fiainany.

Madio tena, fihetsika, fiteny : nandala tanteraka ny fahadiovana izy, tsy tia mandainga sy miteny ratsy. 

Tia manao Asa Soa : nifantoka tanteraka tamin’ny fanasoavana ny hafa no nandaniany ny fotoanany ka tsy mba nanana fananana be avela ho an’ny taranany izy. Ary izany indrindra no nanoratany ilay tononkalo famerimberiny matetika manao hoe « Ataon‐karena inona moa aho ? »

Azo lazaina ho manana toe-batana salama ihany izy, ary isan’ny zavatra izay nohalaviriny fatratra ny toaka sy ny rongony. Na izany aza dia olona mpifoka sigara izy ka nahatonga ny manodidina hiantso azy hoe « tsy maty afo ». Nahalany sigara hatramin’ny fonosana iray isan’andro mantsy izy tamin’izany fotoana izany. Ny taona 1982 izy no niditra hopitaly vokatry ny fifohana sigara, teo no nanapahany hevitra fa hiala amin’ny sigara. 

Nanana talenta manokana tamin’ny rafitra, sy ny asa tanimanga izy

Ny fitsofana « saxophone » dia isan’ny nampiavaka azy ihany koa fony izy tao amin’ny antoko mpihira « Amboaram-peo »

Mpanoratra sy mpandrindra an-tsehatra ireo tantara kanto sady nampihetsi-po filalaon’ny Tily isantaona tao Antsahamanitra ihany koa izy, ary ny « art dramatique » no tena nanavanana azy tamin’izany

Loharano nanovozan-kevitra

Iza moa i sefo Randria ? (2004). Fivondronana faha 118, FJKM Zoara Fanantenana Ambohipo.

Tantaran’i Sefo Randria. (2012). Nangonin’i Toky Rahaingo (Tantana Mikolo). https://www.facebook.com/notes/tily-eto-madagasikara-groupe/tantarani-sefo-randria/343439622365282/