Sokajy
Tranombitsika

Ireo dingana arahina ho eny amin’ny Tranombitsika

Miha-mahazo endrika tsikelikely ny Tranombitsika, tananantsika Tily rehetra, eny Antsahamarofoza. Taorian’ny fijoroan’ny trano Ivotoerana Fanofanana Tily Eto Madagasikara (IFTEM) ao anatin’ny tanàna dia efa ho vita koa ny Espace Vitsika. Fananana iombonan’ny Tily eto Madagasikara io tanàna io ka sady niara-nifanome tanana nanangana ny Tily rehetra, no ho afaka hisitraka hampiasa azy koa. 

Ireto manaraka ireto no dingana 4 tsotra arahina momba ny fampiasana ny Tranombitsika : 

  1. Mandefa taratasy fangatahana (email) amin’ny tranombitsika@ scout.mg, 20 andro mialoha fara-fahakeliny, ka ireto avy no tokony ho hita ao :
  • Daty hampiasana ny toerana
  • Iza no mpikarakara ary mety ho firy eo no isan’ny mpandray anjara ?
  • Inona no hampiasana ny toerana ary inona no fandaharam-potoana
  • Ireo fotodrafitr’asa angatahina ho ampiasana (oh: Kianja, Efitra X IFTEM, Espace Vitsika, …)
  • Io adiresy email tranombitsika@ scout.mg io irery ihany no manan-kery fandraisana ny fangatahana (fandaminana natao mba hampirindra ny fanarahana tamberin’andraikitra isan-tsokajiny) 
  1. Raisin’ny Departemanta Fotodrafitrasa sy Fiarahamiombon’antoka (DFF) Foibe ny fangatahana ary hamarininy raha feno ny fepetra, hadihadiana sy tombanana.
  2. Ankatoavin’ny tompon’andraikitra na tsia arakaraka ny toro (informations) nomena tao amin’ny fangatahana sy ny zava-misy hafa mety tsy maintsy hifandaminana.
  3. Manome valiny amin’ny alalan’ny email ny DFF Foibe miaraka amin’izay mety ho toromarika fanampiny.

Fanamarihana:

  • Ny hetsika rehetra tanterahina eny an-toerana dia mila manaraka ny lamina ara-pahasalamana rehetra napetraky ny fanjakana ary mampihatra avy hatrany ireo fepetra sy fihetsika ara-pahasalamana rehetra ireo.
  • Misy fandraisana anjara 1.000Ar/olona sy sandany arakarak’ireo efitrano ampiasaina ahafahana mikolokolo ireo fananana iombonana ireo ka amin’ny laharana 034 04 861 34 ihany no handefasana izany. Description MVola : « Location TB/[Anaran’ny hampiasa ny TB]« 
  • Raha tsy Tily no mpikarakara ny hetsika hampiasana ny Tranombitsika dia tsongaina araka ny tranga tsirairay (au cas par cas) ny fandinihana ny fangatahana.

Fanazavana fanampiny : 0341141225


Hamandrika toerana (Réservation en ligne)

Toerana ho ampiasaina

Facebook : https://facebook.com/tranombitsika
Scout.org : https://www.scout.org/node/549599
Google Map : https://goo.gl/maps/rW9ew7zLowhHjHph7