Ny UNICEF, na Tahirimbolan’ny Firenana Mikambana ho an’ny fahazazana, dia sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana najoro tamin’ny 11 Desambra 1946 mba hamaliana ny filàna maharitry ny ankizy sy ny vehivavy any amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana rehetra. Miasa any amin’ny Firenena maherin’ny 190 ny UNICEF.
Tamin’ny taona 1984 no nanomboka niasa teto Madagasikara ny UNICEF.

Ankehitriny, mirotsaka eo amin’ny sehatra samihafa ny UNICEF amin’ny alalan’ny fandaharan’asa miompana amin’ny: fahasalamana, fanjariantsakafo, rano fisotro madio, fanabeazana, fiarovana, ny vonjitaitra ary ny fampiroboroboana ny fandraisana anjara sy ny fanehoan-kevitry ny ankizy

Zon’ny ankizy
2 mars 2022

Amin’ny maha-hetsi-panabeazana tanora ny skotisma dia saika voakasiky ny zon’ny ankizy avokoa ny maro amin’ireo beazina ao (06 hatramin’ny 25 taona). Ny volana janoary 2022 dia nanomboka niara-niasa tamin’ny UNICEF sy ny Médiature de la République ny Tily eto Madagasikara, izay samy misehatra amin’ny fampiroboroboana ny zon’ny ankizy. Inona no atao hoe zon’ny ankizy ? […]

Partenaires