Sokajy
Fanabeazana Olon-dehibe sy kalitao

Toe-tsain’ny mpiandraikitra Tily : mibe tena aloha

Nalaina tao amin’ny boky “Guide du Chef Eclaireur”, boky nosoratan’i BiPi ho an’ny mpiandraikitra skoto ity, ary zarain’i Filoha DO Santatra, Filoha Nasionaly Departemanta Fanabeazana

Mibe tena aloha ny mpiandraikitra skoto vao afaka manabe.

Nalainy tao anatin’ny Lalàna Folon’ny Tily ny hoe “tokan-teny ny Tily”, “mahatoky ny Tily” “madio tena, fihetsika ary eritreritra ny Tily”. Tokony tsy hadinoina ny adidy amin’Andriamanitra, ny adidy amin’ny hafa ary ny adidy amin’ny tena, na dia inona na inona mety ho fotoan-tsarotra andalovana.

Milalao aloha ny mpiandraikitra vao mampilalao. 

Lalao ny skotisma ary ny lalao no entin’ny beazina mianatra ireo fitsipika ho arahiny amin’ny fiainana any aoriana. Mpampilalao mpampiray fa tsy manavakavaka ny mpitarika ka afaka mamolavola tsara ny beazina mba hitandro mandrakariva izany firaisana sy tsy fanavakavahana izany. 

Fitaratra ise

Mila tadidiana mandrakariva fa fitaratra ho an’ny beazina amin’ny lafiny rehetra ny mpitarika. Raha raisina ho ohatra ny fahadiovan’ny vatana : ny zoky fitaratra dia madio mandrakariva.

Omena lanja manokana fampiainana ny beazina ho tia ny natiora. “Rehefa mankafy ny natiora … dia misaotra sy midera an’Andriamanitra”. 

Farany, mazotoa mamaky boky fa any no tena ibeazan’ny mpitarika.