Sokajy
Aim-panahy

Vavaky ny Tily

Ry Andriamanitra ô, Raiko any an-danitra Ianao.
Mahatsiaro ny tenako ho kely aho ka mivavaka Aminao.
Omeo hery aho mba ho tonga zaza lahy salama,
matanjaka, sahy, maharitra sy marina.
Tohano aho mba hahay manoa ny Lalàna
sy manatanteraka ny Fanekena Tily
Tolory ny Fanahinao Masina aho
dia ho tonga zazalahy tsara fanahy,
madio fo sy mazava saina ka ho faly mandrakariva.
Ampio aho hahavita asa soa isan’andro sy hahay manompo Anao.
Noho ny fitiavan’i Jesoa Mpamonjiko ; mamela ny fahadisoako rehetra.
Mivavaka izany aho amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zokiko sy Mpitarika ahy.
Amena