Sokajy
Vakoka sy tantara

Firaisan’ny Skotisma eto Madagasikara (FSM)

Sata mifehy ny Firaisan’ny Skotisma eto Madagasikara (1997)

N.B : Ity dia sata nifehy ny FSM (zazalahy sy zazavavy) araka ny narafitra tamin'ny taona 1997. Ny sata mifehy ny skotisma zazalahy araka ny mifehy ny rafitra ankehitriny dia hita ato amin'ity pejy hafa ity.

Toko 1 : Fijoroany – Faharetany – Foiben-toerany

And. 1 : Hatramin’ny taona 1923 no niorenan’ny Skotisma teto Madagasikara. Fotoana samihafa no niforonan’ny karazam-pikambanana manao skotisma teto ary dia samy faritany am-pitan-dranomasina niray tamin’ny Frantsa izy rehetra.

Rehefa nahaleotena ireo fikambanana manao skotisma teto Madagasikara teo amin’ny manodidina ny 1958, dia nijoro ny « Firaisan’ny Skotisma eto Madagasikara » na ny FSM nanambatra ny :

  • Antilin’i Madagasikara (AIM)
  • Fanilon’i Madagasikara (FIM)
  • Mpanazava eto Madagasikara (MEM)
  • Tily eto Madagasikara (TEM)
  • Kiadin’i Madagasikara (KIM)

And. 2 : Tsy miandany amin’ny firehana ara-politika ary tsy miankina amin’Antoko Politika sy FSM, nefa kosa miray zava-kendrena ireo fikambanana ireo izay itovizany amin’ny Skoto eran-tany. Marihina ihany koa fa fehezin’ny Didy hitsivolana Laharana 60-133 izay nivoaka ny 3 oktobra 1960 ity FSM ity.

And. 3 : Tsy voafetra ny faharetany.

And. 4 : Ao amin’ny Foibem-pikambanana misy ny FIlohany no ahitana ny Foibeny ary eto Antananarivo.

Toko 2 : Foto-kevitra ijoroany sy zava-kendreny

And. 5 : Miombona an-tsitrapo ireo fikambanana ireo ary fitaovam-panabeazana tanora sy ankizy izay itovizany amin’ny Skoto eran-tany araka ny fototra namoronan’i Robert Baden Powel azy :

  1. Handray anjara amin’ny fanabeazana ny Tanora Malagasy sy ny ankizy Malagasy amin’ny alalan’ny fanampiana azy ho tonga amin’ny fahafenoana sy ny fivelarana tanteraka ara-batana, ara-tsaina, ara-panahy sy ara-pifandraisana amin’ny maha-olona azy, amin’ny maha-olon’ny Tanindrazana azy ary amin’ny maha-olon’ny fiombonana azy isan-toerana eo amin’ny Firenena ary eo amin’ny iraisam-pirenena;
  2. Hampanjaka ny fifankatiavana eto an-toerana sy iraisam-pirenena;
  3. Hanatanteraka ny hevitra fototra niorenan’ny Skotisma arak’i Baden Powel;
  4. Fitiavana sy fanompoana an’i Madagasikara, mitsinjo hatrany ny fampanjakana ny fandriam-pahalemana, ny fifankahazoana sy ny fiaraha-miaina eto amin’ny Firenena ary eran-tany;
  5. Fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana sy ny fampivoarana ny fiaraha-monina ao anatin’ny fanajana ny zava-boahary.

Ireo foto-kevitra ijoroany sy tanjona tratrariny ireo raha atao bango tokana dia mitaky adidy lehibe:

  • adidy amin’Andriamanitra: Finoana, fivelomana ary fanekena ny fanatanterahana ny adidy avy amin’izany
  • adidy amin’ny namana sy ny mpiara-monina ary ny Tanindrazana.
  • adidy amin’ny tena: fandraiketana sy fandraisana an-tanana ny fanabeazana sy ny fanondrotana ny tena.

Toko 3 : Fomba fampandehanana sy ireo rafitra ao aminy ary ny fahefana ananan’ireo mambran’ny birao

A. Rafi-pandaminana

And. 6 : Toy izao ny rafi-pandaminana hita ao aminy:

  • Kolejy Federaly
  • Birao mpitantana
  • Fivoriambe
Ny Kolejy Federaly

And. 7 : Filoha efatra atolotry ny isam-pikambanana no hivondrona hanorina ny Kolejy Federaly.

And. 8 : Ireo mambra ao amin’ny Kolejy federaly no mifidy izay ho birao ka manana solontena ao ny fikambanana tsirairay avy izay ny Filoha Iombonana isam-pikambanana.

And. 9 : Mivory indray mandeha isan-telovolana ny Kolejy Federaly raha kely indrindra. Ny fivoriana rehetra dia anaovany tatitra ary tsy maintsy andefasany koa ny olon’ny Kolejy sy amin’ireo Firaisan’ny Skotismam-Paritany (FSP).

And. 10 : Andraikitry ny Kolejy Federaly.

Toy izao ny andraikitry ny Kolejy :

Mandinika sy manapaka ireo volavolan-kevitra atolotry ny Birao. Mandinika sy manapaka ny tetibolan’ny FSM. Mandinika sy manapaka ny teti-pifandraisan’ny FSM amin’ny Fanjakana sy ny Fikambanana hafa. Mandinika sy manapaka ny fandraisana mpikambana vaovao ao amin’ny FSM. Mandrindra ny lahasa iraisana. Manangana vaomiera maharitra na vonjimaika mba handinika hevitra ilàna fanomanana na fandinihana manokana. Ny olon’ny Kolejy no miandraikitra ny vaomiera. Tokony hanana solotena amin’ireny ny isam-pikambanana.

And. 11 : Satria misy ny sampana ivondronan’ny zazavavy sy zazalahy :

  • ny an’ny zazavavy antsoina hoe : Skotisma Zazavavy eto Madagasikara (SZM) izay mandinika momba ny Skotisma Zazavavy ranofotsiny ary mifandray any amin’ny Birao iraisam-pirenena Skoto zazavavy any Londres.
  • ny an’ny zazalahy di aantsoina hoe Firaisan’ny Skotisma Zazalahy eto Madagasikara (SZL)1 izay mandinika ny momba ny Skotisma zazalahy ranofotsiny ary mifandray any Genève2.
Fanamarihana (2022) : 
1. Araka ny Fivoriambe notanterahina ny 21-22 mey 2022 dia antsoina hoe "Firaisan'ny Skotisma eto Madagasikara - manabe Zazalahy" (FSM-ZL) izao ny mandinika ny Skotisma zazalahy.
2. Na dia mbola misoratra ara-dalàna ao Genève aza ny Birao iraisam-pirenena dia efa nifindra any Kuala Lumpur kosa ny birao.

Ny mpikambana ao amin’ny Kolejy Federaly ihany no mitondra ny feon’ny sampana roa ireo fa tsy misy solon-tena hafa.

Ny Birao mpitantana

And. 12 : Ny birao mpitantana dia ahitana :

  • Filoha 01
  • Filoha lefitra 01
  • Mpitan-tsoratra 01
  • Mpitan-tsoratra lefitra 01
  • Mpitam-bola 01

Telo taona ny fe-potoana iasan’ny birao ary azo fidiana izay tao amin’ny birao teo aloha.

And. 13 : Indray mandeha isam-bolana no fivorian’ny birao ka isaky ny Zoma voalohan’ny volana.

And. 14 : Andraikitry ny birao.

Mandinika sy mandamina ny raharaha ho entina eo amin’ny fivorian’ny Kolejy Federaly ary mitarika ny fivorian’ny Kolejy. Manapaka raha misy raharaha maika tsy afa-miandry nefa tsy maintsy anaovany tatitra izany amin’ny fivorian’ny Kolejy manaraka. Mifandray amin’ny Firaisan’ny Skotism-paritany (FSP) manerana ny Nosy, mandrindra raha misy zavatra manahirana ilàna azy. Mifandray amin’ny Fanjakana sy ny Fikambanana hafa ilàna izany.

B. Ireo fahefana ananan’ny mambran’ny birao

Filoha

Misolotena ny FSM eo amin’ny fampiraharahana amin’ny Fanjakana rehefa nomen’ny Birao fahefana hanao izany. Mandrindra ny fivoriana sy ny fihaonana rehetra karakarain’ny FSM. Manara-maso sy mandrindra ny asa rehetra ato amin’ny FSM. Mandray ny taratasy rehetra amin’ny anaran’ny FSM. Manao sonia ny taratasim-bola miaraka amin’ny mpitam-bola.

Manome fahefana ny Filoha lefitra amin’ny fotoana tsy ahafahany. Manao sonia ny taratasy rehetra ifandraisana amin’ny eto an-toerana sy any ivelany. Ny Délégué ny Kaominina no manao rangopohin’ireo takelaky ny boky voaisa raviny mialoha ny hampiasana azy ireny.

Filoha lefitra

Misolo ny Filoha amin’ny fotoana tsy maha-eo azy. Manara-maso ny fifandraisan’ny FSM amin’ireo Fikambanana samihafa. Mifandray amin’ny Firaisan’ny Skotismam-paritany manerana ny Nosy sy manao izay hampiroborobo azy.

Mpitan-tsoratra

Mitahiry ny taratasy FSM rehetra (archives). Manatontosa ny fitanana an-tsoratra ny fivoriana rehetra ary manao ny fiantsoana ny fivoriana rehetra. Mamaly ny taratasy FSM miaraka amin’ny Filoha. Manao ny fotopototry ny fivoriana rehetra (Birao, Kolejy, Fivoriambe).

Mpitan-tsoratra lefitra

Misolo sy manampy ny mpitan-tsoratra amin’ny andraikiny. Manara-maso sy manatanteraka miaraka amin’ny Filoha ny fehim-pihavanana FSM. Manentana ny fandrosoan’ny asan’ny vaomiera.

Mpitam-bola

Mitana ny bokim-bola sy ny kaontin’ny FSM. Manambara isaky ny telovolana ny fandehan’ny volan’ny FSM eo amin’ny Fivorian’ny Kolejt. Manao sonia ny taratasy famoaham-bola rehetra miaraka amin’ny Filoha (na ny Lefitra). Miandraikitra ny raharaham-bola rehetra ato amin’ny FSM. Manao ny vinavinam-bola (budget) sy ny kaontim-pamaranana (Bilan). Mitana vola tsy mihoatra ny 75.000 Fmg fa ny sisa rehetra dia tsy maintsy arotsany any amin’ny kaotin’ny FSM.

Fomba fiasan’ny birao

And. 15 : Faritany’ny Birao mialoha ny andro sy ny fotoana hivoriana mandritra ny telo volana ary zaraina amin’ny fikambanana tsirairay avy. Tsy maintsy anaovana tatitra ny fivoriana rehetra. Tsy maintsy alefa herinandro mialoha ny fivoriana ho avy ary ampatsiahivina amin’izany hatrany ny fivoriana manaraka sy ny lahadinika.

Fifidianana ny mambran’ny birao

And. 16 : Miara-miandraikitra ao amin’ny birao ny Fikambanana mitambatra ao amin’ny FSM. Ny Filoha no fidian’ny Kolejy amin’ny latsa-bato miafina fa ny sisa kosa dia mifampizara andraikitra.

Ny fivoriambe

And. 17 : Ny Kolejy Federaly, ny Foibe, ny Biraon’ny FSM miampy ny kolejy isaky ny ambaratongan’ny FSP isam-paritany sy FSF no mandray anjara amin’ny fivoriambe

And. 18 : Isaky ny telo taona no hanaovana ny fivoriambe ka ny biraon’ny FSM no miantso sy mitantana ny fanatanterahana azy. Azon’ny Birao hatao ny miantso fivoriambe tsy ara-potoana raha misy ny hamehana.

And. 19 : Andraikitry ny fivoriambe

Mihaino ny tatitra ny asa vita sy ny tatitra ara-bolan’ny FSM sy FSP nandritra ny telo taona. Mandinika sy mamaritra ny zava-kendrena sy tontosain’ny FSM mandritra ny telo taona.

Toko 4 : Filatsahana ho mambra – fialana – fanesorana

And. 20 : Raisina ho ao amin’ny FSM ireo fikambanana ankizy sy tanora mikarakara Skotisma eto Madagasikara nefa ny Kolejy Federaly no mandinika sy manapaka ny fandraisana na ny fialana na ny fanesorana ny mpikambana vaovao rehefa nampahafantarina amin’ny fikambanana tsirairay. Ny fanapahana dia ataon’ny Kolejy Federaly amin’ny Fivoriambe tsy ara-potoana.

Toko 5 : Ny Firaisan’ny Skotismam-paritany na faritra

And. 21 : Ny FSM dia manana rafitra isehoany :

  • isam-paritany na Firaisan’ny Skotismam-paritany (FSP)
  • isan-tanàna na koa Faritra antsoina hoe Firaisan’ny Skotismam-paritra (FSF)

And. 22 : Manana fitsipika an-tokan-tranony koa ireo rafitra ireo izay tsy maintsy ankatoavin’ny Kolejy Federaly.

And. 23 : ny isam-pikambanana no manendry izay ho solotenany isaky ny rafitra.

Toko 6 : Fidiram-bola sy fandaniana

And. 24 : Toy izao ny fidiram-bolan’ny FSM :

Latsakemboka (Cotisation) izay avy amin’ny fikambanana miray amin’ny ato amin’ny FSM ary voafetra ny fitsipika anaty, fanampiana samihafa avy amin’ny Birao iraisam-pirenena, mpikambana tranainy na koa fanomezana avy amin’ny malala-tanana ka nahazoana alalana mialoha avy amin’ny manam-pahefana. Ireo vokatra azo avy amin’ny fihetsiketsehana samihafa.

And. 25 : Ny fandaniana samihafa dia izay voafaritry ny teti-bola ihany.

Ireo fandaniana avy amin’ny lahasa tsy voatsinjo noho ny voina voajanahary. Ny volan’ny FSM dia mipetraka any amin’ny Kaonty Banky na CCP misokatra amin’ny anaran’ny Fikambanana.

Toko 7 : Fanovana atao eo amin’ny Fitsipika Fototra sy ny fitsipika anatiny eo amin’ny Foiben-toerany ary ny anarana entiny

And. 26 : Azo atao ny manova ny Toko sy ny andininy ato amin’ity fitsipika fototra ity raha lanieran’ny mpikambana amin’ny fivoriambe tsy ara-potoanan’ny Kolejy Federaly. Toraka izany koa ny amin’ny foiben-toerany ary ny anaran’ny Fikambanana.

Toko 8 : Faharavana sy ireo fananana sisa tavela

And. 27 : Raha misy ny faharavan’ny FSM, ny fananana sisa rehetra dia atolotra izay fikambanana mijoro ara-dalàna mampihatra tanjona mitovy aminy izay tapahin’ny fivorian’ny Kolejy Federaly amin’ny fivoriambe tsy ara-potoana rehefa nialan’ny trosa rehetra.

Toko 9 : ny amin’ny fanapahan-kevitra sy ny fivoriana

And. 28 : Raha misy Fikambanana izay tsy tonga nefa nandeha ara-dalàna ny fampatsiahivana azy amin’ny fivoriana, ka tsy nampilaza ny tsy fahafahany hamonjy ny fivoriana dia azo atao ny mandroso ny fivoriana ary manapaka izay tonga.

And. 29 : Raha misy ny filazana mialoha manambara ny tsy fahafahany : na hahemotra ny fivoriana na mivory ihany izay tonga fa tsy mandray fanapahan-kevitra. Anatin’izay fotoana izay dia miantso fivoriana tsy ara-potoana haingana ka manapa-kevitra na firy na firy no tonga.

And. 30 : Eo amin’ny fanapahan-kevitra : 2/3 ny nantsoina no tonga vao azo atao ny fivoriambe. 2/3 amin’ireo vaton’ireo mpivory kosa vao azo ekena ho lany ny fanapahan-kevitra.

Toko 10 : samihafa

Misy fitsipika anaty mameno izay banga amin’ity fitsipi-panorenana ity, izay nofaritan’ny Kolejy federaly.

Ny Filoha
RASOANAIVO François Xavier


Jereo koa :