Sokajy
Sampana Mavo Tily (Lovitao) Vakoka sy tantara

Tantaran’ny lovitao malagasy

Navoaka araka izay nanoratan’i Chef Samuel RANDRIA azy tao anaty Gazety Vonona ny 02 Jolay 1976 ho fankalazana ny faha-40 taonan’ny lovitao.

1936 : Efapolo taona lasa izay. Vao avy nanamarika ny faha-folo taona niorenany tamin’ny Lasy natao tany Antsirabe, ny volana Aprily, ny Antoko faha-V Ambohijatovo Atsimo (FFMA) no nanapa-kevitra ny “Conseil de Chefs” (Fivorian’ny Mpiandraikitra) fa hanorina “Clan de Routiers” sy “Meute de Louveteaux” ka ireo “Chefs instructeurs” efa-dahy miara-miasa ao no haparitaka handray izany andraikitra vaovao izany.

Ny fanambaran’i Chef Beigbeder, Commissaire de Province, (fa mbola Province nitambatra tamin’ny fikambanana tany Frantsa ny teto Madagasikara tamin’izany) ; ny fanambarany taminay sy Chef Charles Ravoajanahary no nahalalanay mirahalahy io fanapahan-kevitry ny CDC izay tsy natrehanay io. Namporisika anay tsy dia nazoto ho amin’izany Rabeigy hoe : “Mbola fanandramana ihany izao, sady ao rahateo koa I Cheftaine Beigbeder izay efa Cheftaine de Meute tany an-dafy hiaraka aminareo : hitarika sy hampianatra anareo”.

Sarotra ny mandà ny tenin-dRabeigy sady ao rahateo ny lalàna hoe : “Un éclaireur est discipliné » ka nanaiky tsisazoka izahay ary nihaona tamin’i Cheftaine.

Natomboka ny raharaha. Ankizy enina aloha no noraisina na betsaka aza ireo nandre ka naniry hiditra. Samy zandrin’ny Eclaireurs tao amin’ny 5ème Troupe izy enin-dahy.

Nivory isaky ny Zoma hariva izahay mpitarika, nanomana ny « Sortie » tapak’andro isan’Asabotsy : nizara andraikitra, nanazava ny fomba fanao sy fanatanterahana ny anjarany avy. Ny nokendrenay tamin’izany dia ny hahatonga azy enin-dahy voalohany ho tena lovitao tsara amin’ny lafiny rehetra : ara-teknika sy ara-toetra fa izy ireo no homanina ho « Sizainiers » (Ndlr: Zokienina ) sy « Sous sizainiers » (Ndlr: Solon-jokienina) tena « varatra » aloha, izay vao hampiditra ankizy vaovao hafa indray.

Nazoto dia nazoto ry zalahy madinika ary nahatsiaro sambatra sy finaritra noho ny fandaharana narindra tsara : feno lalao vaovao niasan’ny fandrenesana rehetra sy herin’aina, nielanelan’ny hira tsy nisy mpahay (tamin’ny teny frantsay), nihainoana ny tantaran’ny Jungle nampihetsi-po izay mbola nantitranterina tamin’ny alalan’ny lalao sy dihin’i Jungle. Tena velona sy niaina tamin’ny « atmosphere Jungle » izy enin-dahy ary nafana tokoa.

Nifarana ny telo-volana nanaovana “sortie” tsy ankijanona isan-tsabotsy. Samy nanao ny Fanekeny izy ireo. Ny telo lahy nahazo 2ème étoile avy ; ny telo lahy votsavotsa zandriny kosa nahazo ny 1ère étoile. Dia nampiditra ankizy enina vaovao indray izahay. Niha-nirodorodo sy vao mainka nafana ny “Sortie” sy ny “Chasse” teny amin’ny Jungle nanodidina an’Antananarivo (Ambohimiandra, Ambohijanahary, Fiadanana, Mandroseza, Ambohidepona, Ankatso, Andraisoro, Ambohipo, Amboditsiry, Antsahamanitra mbola ati-ala)

Kanjo tsy ela akory narary ny mason-dRabeigy. Tsy vita teto ny fitsaboana azy ka voatery nody izy mivady, nefa dia niafara amin’ny fahajamban-dRabeigy izany.

Nanana fikasana hiverina any amin’ny Troupe izahay mirahalahy nony lasa i Cheftaine fa vao telo taona mahery kely no niarahana taminy. Nampalahelo anay anefa ireto izy 12 lahy efa lovitao nafana fo, tena nazoto ary raiki-pitia taminay. Nisy koa feo niely hoe “tsy maintsy ho faty ny Meute satria lasa i Cheftaine Beigbeder ary izy roalahy mbola mpanavao.” Teny noraisinay ho fanoitra. Niempo ny hambom-pon-dehilahy. Nanohy ny sortie isan’asabotsy izahay sady nikaro-kevitra hampandrosoana ny Meute : nanomana fety hitadiavam-bola aloha no tetika.

Izy 12 lahy no namorona zavatra isan-karazany : Hira, dihy mirindra, Tantara kely holalaoviny. Roa volana, vita ny fanomanana. Nantsoina ny Troupes rehetra nisy teto an-drenivohitra. Nasaina koa ny ray aman-dreny rehetra. Tao amin’ny toerana fanaovam-pety tao amin’ny Foyer Amparibe no nanaovana ny Fampisehoana. Nisy vidim-pidirana. Feno ny trano, olona nentin’ny fanontaniana hoe : “inona no ho vitan’izay louveteaux 12 lahy?” no nanatrika. Nahomby ilay fampisehoana fa zava-baovao sy momba ny lovitao tamin’izany sady nahafatifaty ny mpijery ireo ankizy, ny fahakingany sy ny fahasahiany.

Nanafaranay boky tany an-dafy ny vola rehetra azo tamin’io fety io, dia ireo boky isan-karazany momba ny “Louvetisme” (Comment conduire une Meute, Livre de Louveteau, Sagesse de Jungle, Livre de Jeux louveteau, Histoire de la Jungle, Piste de la Jungle).

Dia niha-nadroso sy niredareda ny Andiany fa vao nampitomboina ho 18 indray ny isany, telo volana taorian’io. Nisosa tsy hitahita akory ho nifandimby ny taona iray, roa, telo, efatra noho ny fahasambaranay rehetra tao. Dia nafindra hiakatra any amin’ny Troupe ireo telo lahy voalohany ary isan-taona taorian’io dia namindra ny vokatry ny asanay ho amin’ny Antoko samihafa ny Andiany. Ary izy rehetra ireo dia lasa Tily tsara tany amin’ny Antoko nandray azy ary tsy vitsy taminy no lasa Mpiandraikitra Antoko sy Andiany, eny Filoha nafana vay nony taty aoriana.

Tsy maintsy lazaina, eto am-pamaranana, fa raha vao lasa nody i Cheftaine Beigbeder (izay nanahirana sy nandany fotoana ny fandikana ny teniny rehefa miresaka amin-dry zalahy tsy mahavoa teny frantsay) dia nisaina sahady ny hanova ny fitondrana lovitao ho antonona ny zaza malagasy izahay, ka namorona hira sy angano ary lalao, eny fomba koa aza mba hialana tsikelikely amin’ny an’ny vaza ; nitady vokabolary vaovao ho an’ny zavatra sasany azo avela na adika. Nikatroka nandika ho amin’ny teny malagasy ny « Frères de Mowgli » izay navoaka ho boky ATIALA nony taty aoriana. Ary izany fikarohana nentanin’ny saina te hanova ny Louvetisme ho Malagasy hifanentana amin’ny toe-tsaina sy fon’ny zaza malagasy no vy miaina nampitombo ny fitiavany ny andraikitray tao amin’ny Andiany : Andraikitra feno fahasahiranana sy fandavan-tena betsaka (toy ny an’ny mpialoha lalana rehetra – « pionnier ») nefa ny fotoana nahafaly sy nahafinaritra ary nahasambatra indrindra tamin’ny androm-piainan’ny fahatanoranay.

Vao mainka sambatra izahay misaina ankehitriny fa izy enin-dahy, Lovitao malagasy voalohany nentinay iny no any niteraka ny Andiany rehetra manerana Nosy mankalaza ny faha 40 taonan’ny Lovitisma Malagasy.

Isaorana Andriamanitra ! Azy irery ny voninahitra mandrakizay.

— Ny Akela antitra Chef Randria, 02 jolay 1976

=========

Nalaina tao amin’ny VONONA – Gazetin’ny Mpiandraikitra TILY – Jona 1976

Nangonin’i Lalaina Randriarimanana (Desambra 2009). https://www.facebook.com/notes/tily-eto-madagasikara-groupe/tantaranny-lovitao-malagasy-ny-andiany-voalohany/605270402848868/