Sokajy
Sampana Menafify

Ny toe-tsaina menafify

Tovolahy, Tily, 21 taona hatramin’ny 25 mifanabe ka antsoina hoe: « Mpitarika » no antsoina hoe Menafify.

Misy lafiny roa mampiavaka ny « Mpitarika » :

  • Manana « FANIRIANA » izy. Io Faniriana io no apetrany ho tanjona dia ny haha-mpitarika azy rahatrizay,
  • Manana « TOETSAINA » mpitarika. Tokony hananan’ny Menafify rehetra ny faharesen-dahatra hoe « MPITARIKA AHO ».

Sahy. Mahery fo. Maharitra amin’ny asany.

Tsindriana manokana ny lalàna Tily « SAHY, mahery fo, maharitra amin’ny asany » (Lalàna faha-9). Mila fahasahiana na toe-tsaina SAHY vao afaka mitarika. Rehefa SAHY mitarika nefa dia mazava ho azy fa any amin’ise avokoa ny mason’ny rehetra ary hianteheran’ny namana, na ny hafa na ny fiaraha-monina ise. Eo no ilaina ny maha-ANDRY an’ise.

Noho ireo dia hianteheran’ny manodidina azy ny Menafify ka tsy mety raha mivadika na koa miverin-dalana na mora kivy na tsy mahatoky.

Taratry ny fanefen-toetra azony toe-tsain’ny Tily Menafify, toetra hita ety ivelany ka azon’ny olon’ny tahafina :

  • TENA tompon’andraikitra eo anivon’ny ankohonany, ny fiangonana ary eo amin’ny mpiara-belona sy ny fiarahamonina.
  • Tsy Tia-tena, fa mijery sy mikatsaka hatrany ny soa hiombonana sy izay mahasoa ny hafa noho ny tenany aza. Be fandavan-tena ny menafify noho izany.
  • Tia mikaroka
  • Tsy miankin-doha,
  • Tia manampy ny hafa,
  • Fitaratry ny mpiara-belona.

Rehefa aravona izany rehetra izany dia famelabelarana ny « Lalana Folon’ny tily » sy ny fanatratrarana ireo « Vikina dimy » eto anivon’ny Tily eto Madagasikara. Ho lasa toetra ka mitarika ny maha ANDRY sy SAHY ary MPITARIKA.

« Ny Menafify no misy,
vonona hiatrika ny ho aviny, satria andry sy Sahy.
Ny Menafify mandray antanana ny fiainany,
Satria lehilahy, ka mampiseho, maneho, ireo Asa rehetra novokariny,
ny Menafify no misy olona ilain’ny fiaraha-monina »

Hiran’ny FOTASA Menafify