Sokajy
Vakoka sy tantara

Tantaran’ny Faritany Tily Matsiatra Ambony

Faritany :

1938: Dokotera teny Tambohobe i DENIS RAKOTOARIMANANA. Izy no namory tanora maromaro tao Ivory Avaratra fa manam-pikasana hitondra ny skotisma tao Fianarantsoa.

Teny amin’ny Sekoly Rabaut Saint Etienne Ivohidahy no nisoratra anarana, ary teny no nivory ireo nanolo-tena hanao Skoto tao Fianarantsoa. 12 mirahalahy no niara-nivory, nianatra teknika sy ny momba ny Tily. Tafatsangana soa amantsara ny Ier Troupe teny amin’ny RABAUT ST ETIENNE Ivohidahy ka i Dr Denis no Chef de troupe (Mpiandraikitra) voalohany tao.

Nifanindran-dalana amin’ny fotoana fiakaran’ny voasary teto Fianarantsoa io fotoana io ka nosafidiany ny loko volomboasary ho lokon’ny fehitenda, ny mainty sisiny dia fampiadiana loko, ary dia narahin’ny rehetra taty aoriana io loko mainty amin’ny sisiny io.

02 Novembre 1938 : Tamin’ireo 12 mirahalaly nisoratra anarana tany am-boalohany dia 8 mirahalahy no niroso tamin’ny fanekena skoto voalohany :

  • RALANDISON DesirĂ©
  • RAFAKO Seth
  • RAOLSON RAJAOSOLO (RACROC)
  • RABEZANDRINY
  • RAJAONASOA ElisĂ© ( ZEBU)
  • RAMAROSAHANINA
  • RASOLO Johanesa
  • ANDRIAMASY Victor

Volana Desambra 1938 : Lasy voalohany tany Tolongoina (FCE)

1938-1947 : Niisa efatra ireo Troupe teto Fianarantsoa

  • Ier Troupe : Sekoly Rabaut St Etienne ( RANDZAVOLA)
  • IIĂšme Troupe : Ivory Avaratra
  • IIIĂšme Troupe : Masombahoaka
  • IVĂšme Troupe : Antranobiriky

Ny taona 1947 io ihany dia efa natao Distrika mahaleo tena Fianarantsoa fa tsy niankina tamin’ny Antananarivo intsony. Notendrena ho Commissaire du District ny chef MALAISIE ary nantsoina hoe Faritany AFOVOANY ATSIMO.

Ireo fotoana sy hetsika manan-danja indrindra ara-tantara

Volana Aprily 1940 : Lasy Fanomanana Mpiandrakitra tany Carion Antananarivo, nandefa Mpiandraikitra hiofana ny Faritany dia i RAJAOSOLO, RABEZANDRINY, RAJAONARISOA Elisé ary RALANDISON Desiré

Taona 1942 : Natsangan’i Mlle FORD ny Lovitao, maro dia maro ny ankizy. Nanampy an’i Mlle Ford tamin’izany RAJAONARISOA ElisĂ© sy RAOLOSON RAJAOSOLO. Nisy ny lamina napetraka teto Fianarantsoa tamin’izany : Ny lovitao mivory rehefa zoma hariva amin’ny 4 ora sy sasany, ny eclaireur kosa ny sabotsy tolakandro.

1945 : Tonga teto Fianarantsoa ny Commisaire de Province CHEF PELUGER nanomana lasy « Camp de l’ocean » tao Manakara niarahan’ny Ier sy ny IIĂšme Troupe. Nisy Donakafo niarahana tamin’i Pasteur GROULT sy Chef MALAISIE ary Mompera DUPONT.

Desambra 1946 : Nody i Mlle Ford izay mpitarika ny lovitao ka nandray andraikitra ny amin’ny fitarihana ireo lovitao i RAOLOSON sy RAJAONARISOA ElisĂ©.

Avril 1947 : Tonga tao Fianarantsoa i Pasteur MAURICE COSTIL, Filoha Nasionalin’ny Eclaireurs Unionistes de France nametraka azy ho Distrika mahaleo tena ka notendrena ho Commissaire de district i CHEF MALAISIE.

Jona 1947 : Maro ireo Chef de Troupe teto Fianarantsoa, Antananarivo, Manakara, Mananjary, Tolagnaro, Ambatondrazaka, Mahajanga, Vohemar, Antalaha, Toamasina, Moramanga no voarohirohy tamin’ny raharaha 1947, ary nisy aza ny maty nohon’ny fampijaliana natao taminy. V

1949 : Lasy Nasionaly tao Isoragna. Ainga voalohany natao hatramin’ny nanagasiana ny Tily eto Madagasikara. Fifankalalan’ny vahoaka samy vahoaka avy tamin’ny faritra samihafa sy nametrahana ny fanabeazana skoto satria nampisarabazana ny akon’ny Tabataba 47. Nitarika izany ny Filoha Foibe LEDOUX (MAMY) ary nivoahan’ilay hira ‘RY FIFANKATIAVANA O !’.

1959-1968 : Tena nipariaka eran’ny faritany ny Tily, fanokanana etsy sy eroa ary indrindra fa any ambanivohitra any : Alakamisy Itenina, Alakamisy Ambohimaha, Andranovorivato, Befeta, Ankarasnosy, Isorana, Ivoamba, Tohono, Talata Ampano, Manolafaka, Fenomby ( FCE), Kilasy mandry zazalahy amboniavaratra ( VIIIùme), Antranosoala ( IXùme), Antanifotsy ( Xùme), Ivory Avaratra, Ankofafa, Beravina ( METM), Masombahoaka

1968 : Jobily faha-30 taonan’ny Tily Fianarantsoa tao Soaindrana.

1972 : Nohon’ny zavanisy teto amin’ny firenena dia nahato avokoa ny hetsika rehetra ka DELEGATION SPECIALE no niandry ny Tily teto Fianarantsoa dia FILOHA RALANDISON DESIRE sy RAJAONARISOA ELISE.

1974 : Jobily faha-50 taonan’ny Tily eto Madagasikara ka maromaro ny avy tao Fianarantsoa no namonjy izany tany Sambiranto Alasora Antananarivo.

1975 : DĂ©lĂ©gation spĂ©ciale indray no notendrena hiandry ny fikambanana satria nihantona avokoa ny fikambanana nohon’ny nahafaty ny Filoham-pirenena Malagasy Colonnel RICHARD RATSIMANDRAVA.

1977 : Nisaona ny Faritany Fianarantsoa fa maty ny Filoham-paritany ‘RAZAFINDRALAMBO (LAMBO)’

1977: Nisy ny lasy fiofanana Nasionaly tapany atsimo (TanĂ -Tulear) tao Ambalavao Tsienimparihy.

1978 : Fankalazana ny faha-40 taonan’ny Tily Fianarantsoa tao Alakamisy Ambohimaha.

1980 : Lasy fiofanana Nasionaly tao Ilavarano Ambohimahasoa. Tao amin’izany ny Filohan’ny Foibe : RAHARISON Gabriel sy ASSAN Nathanaela, Ekipa Foibe.

1984 : Lasin-jobily faha 60 taonan’ny Tily eto Madagasikara tao Antananarivo. Maro ny solontena avy tao Fianarantsoa no nandeha ary nisy 8 mirahalahy nandeha an-tongotra mandroso sy miverina (Fianarantsoa-Antananarivo-Fianarantsoa) hiatrika izany.

1985 : Lasy fiofanana Nasionaly natao tao Sahambavy, maro ireo ekipa Foibe avy any Antananarivo : Filoha Louise Odette, Bokia Miboela, Doudou, Sitry Malina, LĂ©a, Pacquie, Esther.

1988 : Lasin-jobily faha-50 taonan’ny Tily eto Fianarantsoa natao tao Sahambavy ary nanaovana jobily an’i Filoha RAJAONARISOA ElisĂ©e izay nahavita be teo anivon’ny faritany Fianarantsoa.

1993 : Nodimandry ny Filoha RAJAONARISOA Elisée ary nalevina any Besoa Ambalavao Tsienimparihy. Nisy 24 ireo solontena namonjy ny fandevenana tany.

2 Avril 1995 :Famangiana nataon’ny Commissaire International du Scoutisme aty Afrika ABDOULA SENE ka niaradia taminy tamin’izany ny Foibe Tily : RABEHAJA CĂ©lestin Solofo, Kiady : RAHANIRAKA William, Antily : RANDRIAMBOLOLOMANANA Henri, E.V.F : RANDRIANASOLO Armand ( TEM).

1998 : Lasy fankalazana faha-60 taona tao TALATA AMPANO.

2010 : Lasy fankalazana faha-70 taona tao ANDRANOVORIVATO.

2019 : Lasy fankalazana faha-80 taona tany ANDRIAMBOASARY

Ireo filoham-paritany Tily nifandimby tao Fianarantsoa

Ialana tsiny aty ampiandohana fa misy ny tsy hita ny tantara fa fitadidiana sy fifanampiana avy amin’ireo namana tranainy ny sasany.

  • 1938-1947 : Mbola niankina tamin’Antananarivo ny E.U.F ka mbola tsy nisy ny Chef de District
  • 1947-1952 : Filoha Malaisie
  • 1952-1958 : Filoha RALANDISON DĂ©sirĂ©
  • 1958-1964 : Filoha RASAMIMANANA Roger
  • 1964-1968 : Filoha LALA AimĂ© Solofoniaina
  • 1968-1972 : Filoha RAFILY
  • 1972 : Delegation speciale Filoha RALANDISON DĂ©sirĂ© sy RAJAONARISOA ElisĂ©
  • 1973-1977 : Filoha RAZAFINDRALAMBO (LAMBO)
  • 1975 : DĂ©lĂ©gation SpĂ©ciale
  • 1977-1981 : RAJAONARISOA ElisĂ©
  • 1981-1985 : RAJAONARISOA ElisĂ©
  • 1986-1987 : RASOLONJATOVO Benjaniaina
  • 1987-1990 : RABEHAJA Celestin Solofo (TATA)
  • 1990-1994 : RAKOTOANANY ANDRIANOME Jules ( SOROHITRA MIKALO)
  • 1994-1998 : ANDRIANTSALAMA Rafenomanana ( SORA MIAHY)
  • 1998-2002 : ANDRIANTSALAMA Rafenomanana ( SORA MIAHY)
  • 2002-2005 : ANDRIANTSALAMA Rafenomanana ( SORA MIAHY)
  • 2005-2010 : ANDRIANAIVO Maminirintsoa ( VIVY MANDALINA)
  • 2010-1014 : RABEMIAFARA Marie Paulin ( TRIOTRIO MISONGA)
  • 2014-2018 : ANDRIANAIVO Maminirintsoa ( VIVY MANDALINA)
  • 2018-2021 : RAINIHIFINA MAHEFASOA Mamy Haja

Ireo anaran’nentin’ny Faritany Tily

  • FARITANY AFOVOANY ATSIMO
  • FARITANY FIANARANTSOA
  • FARITANY SOAFIAVY
  • FARITANY MATSIATRA AMBONY

Nanangona sy nikaroka: ANDRIANTSALAMA Rafenomanana ( SORA Miahy)