Sokajy
Vakoka sy tantara

Hafatra farany napetrak’i Baden Powell ho an’ny skoto

Ry skoto namana,

Raha efa nahita ilay tantara andapihazo Peter Pan iny ise dia tsaron’ise tsara angamba ilay lehiben’ny jiolahin-tsambo, mandany fotoana ery mamerina foana ny hafatra farany ho apetrany. Satria manahy mafy izy hoe raha tonga ny andro hahafatesany dia tsy hanam-potoana anaovana izany intsony izy.

Tonga eo amin’izany toerany izany aho ankehitriny, eny na dia mbola tsy tonga amin’ny fotoana ahafatesako aza aho dia fantatro fa ho avy izay fotoana izay indray andro any ka te hanao veloma an’ise aho.

Tsarovy fa ity no hafatra farany hapetrako ho an’ise ka noho izany diniho sy fakafakao tsara. Niaina tao anaty fahasambarana tanteraka aho, ary iriko mba ho toy izany daholo koa ise rehetra. Mino koa aho fa ny antony nametrahan’Andriamanitra antsika ety an-tany dia mba ho sambatra sy haka fy ny fiainana.

Tsy ny vola aman-karena no mahasambatra, tsy ny fahombiazana amin’ny asa na ny fanatanterahana ny sitra-po rehetra ihany koa.

Ny dingana voalohany ho amin’ny fahasambarana dia ny fitandroana ny vatana ho salama sy tomady dieny mbola kely mba hahafahana maka fy ny fiainana rehefa lehibe. Ny fandinihana ny zava-boahary no hampianatra an’ise fa tsara sy mahatehotia ny asan’Andriamanitra ary nohariany ireny ho antsika olombelona.

Mifalia amin’izay ananan’ise ary trandraho ho amin’izay tsara indrindra azo ampiasana azy izany. Ny lafitsara foana jerena amin’ny zavatra rehetra fa aza mijery ny lafiratsiny. Fa ny lalana tena mitondra ho amin’ny fahasambarana nefa dia ny fizarana fifaliana amin’ny manodidina. 

Miezaha hamela ity tontolo ity ho tsara kokoa noho ny tamin’ny nihavin’ise. Ka raha ho avy ny anjara andro hahafatesan’ise, dia handry am-pahasambarana ise satria fantatr’ise fa tsy lanilany foana ny fotoana niainan’ise, fa efa nanome ny tsara indrindra ise.

Mivonòna, hiaina sambatra ary ho faty am-pahasambarana. Tano mafy ny Fanekena skoto izay nataon’ise na dia efa tsy zaza intsony aza ise. Ny herin’Andriamanitra anie hanampy an’ise amin’izany.

Ny naman’ise

Baden Powell