Sokajy
Tranombitsika Vakoka sy tantara

Tantaran’ny Tranombitsika

Ao amin’ny Akanin-jazalahy ao Antsahamanitra no misy ny Foibe-toeran’ny Tily eto Madagasikara ankehitriny, toerana izay mbola hikambanana amin’ireo Fikambanana Kristiana naorin’ny Misionera teto Madagasikara raha nampiditra ny Fivavahana Kristiana teto amintsika izy ireo,

Taona vitsivitsy taorian’ny namoronan’i Baden Powell (Bipi) ny Skotisma dia nanangana ivotoerana antsoina hoe “Gilwell Park” izy ao Angletera, toerana  nanofanana ireo olon-dehibe izay hanampy azy amin’ny fampivelarana ny Skotisma maneran-tany

Ny Ekipa Foibe rehetra izay nifandimby nitarika ny Tily eto Madagasikara dia samy naniry avokoa ny mba hananan’ny Tily Eto Madagasikara ivotoerana manokana tahaka ny “Gilwell Park”, izany indrindra no antony nanaovan’izy ireo ezaka mba ahazoana ny tany teny Samboranto, Antsahamarofoza, Soamahamanina …

1994

Nandritra ny fankalazana ny faha 70 taonan’ny Tily Eto Madagasikara no  nahazoantsika ny tany teny Antsahamarofoza. 20 taona taty aoriana, tsy mbola voajary izany toerana izany, ary raha ivotoerana no noeritreretina hatsangana teo dia saiky lasa toerana fanarian’ny olona fako no niafarany.

Nanomboka ny taona 2014 dia vinan’ny Tily eto Madagasikara, notarihan’ny Filoha RAOELIJAONA Michel (KALIA Miaritra) ny hamelo-maso indray an’Antsahamarofoza, ary hamadika ho tena izy ny nofinofin’ireo zokintsika tany aloha dia ny mba hananan’ny Tily Eto Madagasikara ivotoerana tahaka ny « Gilwell Park »

16 Desambra 2017

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny Tranombitsika, hetsika izay manetsika sy mitaona ny Tily rehetra na ny teto an-toerana na ny tany ivelany, na ny tranainy na ny amperin’asa mba hiara-hitondra am-bavaka ny asa fanajariana, handray anjara biriky amin’ny fanatanterahana ny asa ary hiaina sy hikolokolo ireo soatoavina skoto

Ny Soratra Masina « Mandehana … diniho ny fanaon’ny vitsika ka mba hendre » ao amin’ny Ohabolana 6, 6, ny fahendrena Malagasy manao hoe « Ny tao-trano tsy efa irery » ary ny vinan’ny Tily Eto Madagasikara izay mifanaraka tsara amin’ny vinan’ny Skotisma maneran-tany manao hoe « Ny ho avy no aorintsika » no fototra nanorenana ny Tranombitsika.

22 septambra 2018

Nisy ny lanonana nitokanana ny tanàna Tranombitsika : taratasy ara-dalana manamarina ny maha an’ny Tily Eto Madagasikara ny tany (titre & borne), vavahady lehibe, Ivotoerana Fanofanana Tily Eto Madagasikara (IFTEM), saha ahitana ireo karazan-kazo mampiavaka an’i Madagasikara, atiala, toerana ahazoana rano fisotro madio, toerana fanaovana fanatanjahan-tena, toerana fiantsonan’ny fiara, …

Isika rahateo dia efa manana drafi-panajariana ny toerana iray manontolo, ao anatin’ny fananganana trano faharoa isika ankehitriny, efitrano mahazaka fivoriana na lanonana mahazaka olona marobe izay hampitondraina ny anarana hoe « Ants Space ».

2019

Tonga teny amin’ny Tranombitsika ny UK Scouts (avy any Angletera) sy ny Scotland Scouts (avy any Ecosse), tahaka izay nataontsika, dia tonga koa izy ireo nitondra am-bavaka ny asa, nanao lasin’asa nandritra ny iray volana, ary nandray anjara vola tamin’ny fanajariana ny toerana.

Tohizana ary amafisina manomboka ny volana Desambra 2019 ity ireo ezaka rehetra izay efa vita hatramin’izay, ny vahiny aza avy any amin’ny an’aliny kilometatra, miantoka saran-dalana, saran-dasy sy sakafo, fitaovana hampiasaina, vola, ary miasa andro aman’alina manajary ny Tranombitsika.

Ny IFTEM sy ny Ants Space (Espace Vitsika) vao naorina

Isika tompony indray ve sanatria no handraraka ilo mby an-doha ?


Facebook : https://facebook.com/tranombitsika
Scout.org : https://www.scout.org/node/549599
Google Map : https://goo.gl/maps/rW9ew7zLowhHjHph7