Sokajy
Marika sy endrika fampiainana

Ny marika « Ravinala » sy « SCOUTS » (logo)

Mampiasa marika roa samy sarobidy aminy ny skoto Tily eto Madagasikara :

  • ny marika (logo « SCOUTS ») sy faneva (Fleur de lys) an’ny skotisma iraisam-pirenena, mariky ny fiombonana amin’ireo skoto rehetra manerana an’izao tontolo izao.
  • ny marika Ravinala, mariky ny fiombonan’ny skoto Tily rehetra eran’i Madagasikara sy any ampitan-dranomasina.

Mariky ny fiombonana ny marika ampiasaintsika, ary na aiza na aiza aleha eto Madagasikara na any ampita dia Tily iray ihany isika, ary mpirahalahy daholo. Izany no antony maha-kevoka antsika mitafy azy eny amin’ny fanamiana (ho an’ny Tily rehetra) sy eny amin’ny fehi-tenda (ho an’ny Filoha).

Tantara nipoiran’ny marika Ravinala

Endriky ny marika Ravinala araka ny naseho tao anaty boky Antsaha (1955)

Tamin’ny taona 1955, raha ny tahirin-kevitra ananana, no fantatra fa nanomboka nampiasa ny marika Ravinala ny Tily eto Madagasikara. Niaraka tamin’ny nahazoana ny fahaleovan-tena tamin’ny skotisma frantsay sy nanagasiana ny skotisma teto Madagasikara io fotoana io.

Martin RAZAFINDRAKOTO, géographe ary diakona tao amin’ny Tranovato Faravohitra, no namorona azy.

Amin’ny ankapobeny dia tsy niova mihitsy io marika ampiasain’ny Tily eto Madagasikara io hatramin’ny niforonany, na ny endriny na ny heviny.

Taorian’ny fanapahan-kevitry ny Fihaonan’ny Filoha ny taona 2018 dia nasiam-panavaozana ny marika hifanaraka amin’ny fitombo sy fivoaran’ny skotisma Tily eto Madagasikara ka nampidirana ny loko Menafify ao anatiny (raha Vony, Maitso, Mena irery ihany no nisy hatrany am-piandohana). Nivoatra araka izay koa ny hevitra fonosiny ary tontosa io fanovana io ny 22 febroary 2022.

Hevitry ny marika « Ravinala » ampiasain’ny Tily (logo)

Miendrika boribory ny logo na marika Ravinala ho fanehoana endrika ampinga.

Misy hazo fijaliana, karazany antsoina hoe « croix florencée » ho fanehoana ny maha-kristianina. Ary ireo fleur de lys amin’ny hazo fijaliana no mampatsiahy fa skoto isika. Ny voambolana nilazana azy tao anaty Antsaha tany an-doharano dia hoe fanehoana fa « Tily mivavaka » isika.

Ny sarin’ny Ravinala eo aminy no nahatonga ny fiantso ny logo an’ny Tily eto Madagasikara hoe « marika Ravinala ». Io no fanehoana fa i Madagasikara no firenentsika, na eto Madagasikara no mikatroka na any ampitan-dranomasina.

Atao tafo fialofana ny ravinala ary fanao vilia fihinanana. Ny tahony kosa fanao tsikala (lafika fiarovana), ary ny vatany mitahiry rano ho an’ny mpandeha.

Miisa folo (10) ny ravin’ny ravinala ho fanehoana ireo Lalàna folon’ny Tily.

Misy loko dimy eo amin’ny marika :

Manga : satria Nosy i Madagasikara

Ireo sampana efatra : Mavo (vony, araka ny nanoratan’ny mpamorona ny marika), maitso, mena ary Menafify (loko nampidirina ny 22 febroary 2022).

Rehefa dinihina dia avy ato anatiny (mavo : hazo fijaliana) miha-mipariaka any ivelany (menafify : boribory fehiny) ireo loko ireo. Hampatsiahivana fa manabe olona hipariaka sy hiasa eny amin’ny fiaraha-monina ny Tily eto Madagasikara.

Fanamarihana : Ampiasaina manontolo araka io endriny feno io ny marika Ravinala fa tsy tokony anampiana na anesorana na ampiasaina mitokana ireo singa ireo.

Ny marika sy fanevan’ny skotisma iraisam-pirenena

Misy karazany roa ny famantarana ny skotisma iraisam-pirenena :

  • Ny fleur de lys no faneva (emblême), mipetaka eny amin’ny fanamian’ireo skoto rehetra ara-dalàna. (Afaka hamarinina ato ny lisitr’ireo tena fikambanana skoto isaky ny firenena : scout.org )
  • Ny logo ahitana ny soratra hoe « SCOUTS » sy ny vina.

Ny faneva « Fleur de Lys »

scout emblem
Fleur de lys – fanevan’ny skotisma iraisam-pirenena (Emblême)

Fleur de lys no marika natao hanondro ny avaratra tamin’ny saritany fahiny. I Baden Powell no nisafidy hampiasa io mari-pamantarana io ho antsika skoto ho fampatsiahivana fa tokony ho azo hitokisana sy azo ianteherana toy ny fanondroavaratra (boussole) ny skoto, ary hahay hampiasa ireo soatoavina maha-skoto mba tsy hahavery mandeha eo amin’ny fiainana.

Hevitry ny fleur de lys
  • Fleur de lys, fanjaitra : fanondroavaratra
  • Ravin’ny fleur de lys (3) : Adidy amin’Andriamanitra, Adidy amin’ny Firenena, Adidy amin’ny tena.
  • Tendron’ny kintana (10) : Lalàna 10 iombonan’ny skoto rehetra.
  • Tady misy vona fisaka : firahalahiana maneran-tany.
  • Loko fotsy : fahadiovana (mahatoky).
  • Loko volomparasy : fahendrena, fahamendrehana, andraikitra sy haja.

Ny marika (logo) SCOUTS

Logo « SCOUTS » – mariky ny skotisma iraisam-pirenena

Ny logo dia fitambaran’ny faneva (emblème), sy ny anarana “SCOUTS”, ary ny antom-pisiantsika “Hanorina tontolo tsara kokoa”. Ary misy ilay soratra ® satria marika voaaro amin’ny sehatra iraisam-pirenena io marika io.

Marihina fa mijanona ho “SCOUTS” foana no fanoratra rehefa amin’ny logo na inona na inona tenim-pirenena satria anaran-tsamirery (toy ny hoe Samsung, na Coca-cola). Fa rehefa anaty fehezan-teny sy ampiasaina ho anarana iombonana kosa dia azo adika teny malagasy (skoto).

Loharano nanovozan-kevitra ahafahana mandalina kokoa:

Fomba fampiasana ny marika

Ireto no fara-fahakeliny tsara ho fantatra momba ny fampiasana io marika fananantsika io.

Logo Tily eto Madagasikara "Ravinala" sy SCOUTS
Fomba fampiasana ny marika amin’ny ankapobeny.

Raha mbola azo atao dia ezahina foana ampiasaina miaraka amin’ny logo SCOUTS feno ny marika antsika. Indrindra raha ho ampiasaina amin’ny sehatra iseraserana amin’olona tsy skoto.


Logo faha-100 taona Tily eto Madagasikara

Fanamarihana : Mandritra ny fe-potoana fankalazana ny faha-100 taona dia ny mariky ny faha-100 taona no misolo ny marika SCOUTS eo anilan’ny Ravinala.


Rehefa sehatra iarahana amin’ny MTEM (taratasy na hetsika iombonana) dia toy ity manaraka ity (hajaina ny filaharany) : AMGE-MEM-FMT2S-TILY-OMMS

Fomba fampiasana ny marika rehefa amin’ny sehatra iarahana ho MTEM.
Ireo loko ampiasaintsika miaraka amin’ny marika Ravinala.

Iza no afaka mampiasa ny marika ?

Afaka ampiasain’ny Tily ara-dalàna rehetra ny marika raha fampiasana samirery na ao anaty sehatra fanabeazana.

Raha misy takalo ara-bola kosa dia voasokajy ho fitrandrahana ara-barotra, na iza na iza mivarotra azy, ka tokony hisy fifampiraharahana mialoha iarahana amin’ny Foibe Tily eto Madagasikara mba ahafahanao mampiasa azy ao anatin’ny sehatry ny ara-dalàna.