Sokajy
Skotisma Iraisam-pirenena

Jamboree 2023 : Tandremo voalohany!

Tapaky ny Fivoriambe faha-41 notanterahin’ny Organisation Mondiale du Mouvement Scout (OMMS) tany Baku (Azebaidjan) ny taona 2017, fa ny Repoblikan’i Korea Atsimo no hampiantrano ny Jamboree faha-25, ny 1 hatramin’ny 12 Aogositra 2023. ao amin’ny tanàna antsoina hoe SaeManGeum, Jeollabuk-do. 

Inona no atao hoe Jamboree ?

Ny Jamboree dia hetsi-panabeazana iraisam-pirenena karakarain’ny OMMS isaky ny 4 taona. Fotoana iray ihaonana sy ifanakalozan’ireo skoto lahy sy vavy, avy amin’ny firenena miisa 171, mandritry ny 10 andro ao amin’ny toerana iray. Fotoana ivoizana ny firahalahiana sy fifankatiavana ary ny fandriam-pahalemana maneran-tany koa. Lalao sy fifanakalozana ara-kolotsaina maro no mamaritra ny fandaharam-potoana.

Ny Organisation Scoute Nationale (OSN) sy Association Scoute Nationale (ASN) mpikambana ara-dalàna amin’ny OMMS no manatrika sy mandray anjara amin’ny Jamboree mondial. Izany hoe, ho an’i Madagasikara dia ireo skoto ao amin’ny Firaisan’ny Skotisma Eto Madagasikara (OSN), izay ivondronan’ny ASN : Antilin’I Madagasikara, Kiadin’I Madagasikara ary ny Tily Eto Madagasikara.

Iza no afaka manatrika ny Jamboree ?

Ny beazina 15-18 taona no afaka manatrika ny Jamboree, izy ireo no mpandray anjara feno amin’ireo sahan’asa rehetra voafaritra ao amin’ny fandaharam-potoana. 

Ho an’ny Jamboree 2023 araka izany dia voafaritra mazava tsara ho ireo beazina teraka teo anelanelan’ny 22 jolay 2005 hatramin’ny 31 jolay 2009 no afaka mandray anjara.

Ireo tanora 18 taona no miakatra kosa dia afaka manatrika feno jamboree, fa misalotra ny andraikitra IST (International Staff Team) – Izany hoe ekipan’ny Jamboree. Maro lafy ny andraikitra azo raisina: hisahana ny fandraharahana, hampilalao, ekipan’ny lakozia, ekipan’ny filaminana, mandrindra ny fitaterana sns.

Fitsipika sy Fepetra 

  1. Ara-dalana amin’ny maha-mpikambana eo anivon’ny ASN amin’ny fotoanan’ny Jamboree. Izany hoe manana karatra maha-mpikambana manan-kery.
  2. Vonona ny hanaja sy hanaraka an-tsakany sy an-davany ny Lalàna sy Fanekena skoto.
  3. Vonona hitondra avo ny haja sy soatoavin’ny firenena Malagasy.
  4. Manana taratasy fanolorana (fanomezan-dalana) ataon’ny Ray aman- dReny.
  5. Efa nahavaky ny tsara ho fantatra mahakasika ny fitondran-tena lavitry ny herisetra (“Safe From Harm”) izay navoakan’ny OMMS. https://www.scout.org/sites/default/files/library_files/SafefromHarmWorldPolicy_2017_FR_0.pdf 
  6. Vonona ny hanaja ny fitsipika mifehy ny Jamboree.
  7. Misoratra anarana eo anivon’ny Foibe Antilin’i Madagasikara, Foibe Kiadin’i Madagasikara, Foibe Tily eto Madagasikara.
    Ho an’ny Tily dia efa azo atao en ligne amin’ity rohy manaraka ity io fisoratana anarana fampahafantarana ny Foibe io : https://www.scout.mg/skotisma/hetsika-iraisam-pirenena/ 
  8. Mivondrona ho contingent (“Délégation”) ny firenena iray.
  9. Ny mpandray anjara no miantoka feno ny fandaniana rehetra.
  10. Miara mianga, ary miara miverina ny FSM miatrika ny Jamboree.