Sokajy
Skotisma Iraisam-pirenena

Maniry handray anjara amin’ny hetsika iraisam-pirenena aho

Ny Skotisma dia iray amin’ireo fikambanana lehibe indrindra maneran-tany mampivondrona ny tanora avy amin’ny firenena miisa 171 mpikambana ao amin’ny OMMS.
54 tapitr’isa no isan’ny mpikambana maneran-tany ankehitriny, ary isan’izany isika eto Madagasikara. Ankoatra ireo hetsika nasionaly dia afaka mandray anjara amin’ ireo hetsika iraisam-pirenena ihany koa ise.

Hitan’ise ato ny lisitr’ireo hetsika iraisam-pirenena rehetra voalahatra eo anivon’ny OMMS mandritra ny fe-potoana 2019-2023 : Liste des manifestations internationales 2019-2023 (lisitra nivoaka talohan’ny COVID-19).

Efa hetsika iraisam-pirenena sahady koa ny JOTA-JOTI izay fihaonan’ny skoto rehetra eran’izao tontolo izao amin’ny alalan’ny internet sy ny radioamateur, isaky ny zoma, sabotsy, ary alahady fahatelon’ny volana oktobra. Io JOTA-JOTI io no fantatra fa hetsika mampivondrona tanora betsaka indrindra isan-taona.

Iza no afaka manatrika hetsika iraisam-pirenena ?

Afaka manatrika hetsika iraisam-pirenena OMMS avokoa vao mahafeno ireto fepetra manaraka ireto :

  • skoto am-perinasa, lahy na vavy, 14 hatramin’ny 25 taona
  • misoratra ho mpikambana ara-dalàna (= manana karatra manan-kery amin’ilay taom-panabeazana diavina) amin’ireo firehana skoto eto Madagasikara (Antilin’i Madagasikara, Kiadin’i Madagasikara, Tily eto Madagasikara).
  • ARY nahazo fankatoavana avy amin’ny Firaisan’ny Skotisma eto Madagasikara (FSM) (amin’ny alalan’ny famenoana ny fafana fenoina etsy ambany).

Mety hisy koa ny fepetra mampiavaka ny hetsika tsirairay ka mila fantarina mialoha. Anisan’ny takiana matetika ohatra ny fahaizana teny vahiny (anglisy sy/na frantsay, na hafa).

Inona avy no dingana arahina raha te hanatrika hetsika skoto iraisam-pirenena ?

  1. Mahita hetsika iraisam-pirenena mahaliana aho. Vakiana tsara ny andinindininy rehetra rehetra ary hamariniko hoe mahafeno ny fepetra rehetra aho.
  2. Omaniko avokoa ny « dossier » fisoratana anarana takiana amin’ilay hetsika sady ampahafantariko ny mpiandraikitra (MP) sy ny ray aman-dreniko.
  3. Fenoiko ny fafana etsy ambany ho fampahafantarana ny Foibe Firaisan’ny Skotisma eto Madagasikara (FSM).
  4. Raha ara-dalàna avokoa ny antontan-taratasy nalefako dia mandefa valiny (email) amiko ny tompon’andraikitry ny FSM miaraka amin’y toromarika fanampiny.
  5. Alefako ny « dossier » fisoratana anarana araka izay toromarika ao amin’ilay tranonkalan’ilay hetsika tiako ho atrehana.

Fafana fampahafantarana ny Foibe Tily eto Madagasikara sy Firaisan’ny Skotisma eto Madagasikara (FSM)

Fenoy ity fafana ity ahafahan’ise mampahafantatra mialoha ny fisoratan’ise handray anjara amin’ny hetsika iraisam-pirenena iray.

Alohan’ny handefasan’ise ny antontan-taratasy fisoratana anarana any amin’ireo mpikarakara no efa tokony hamenoan’ise an’ity sahady mba ho fampahafantarana sy ahafahan’ny rafitra Tily manohana ny fisoratana anarana alefan’ise raha tsapa fa ilaina izany.

Tsy mahasolo ny fisoratana anarana ataon’ise any amin’ireo mpikarakara ilay hetsika ity fa fanampiny ihany hahazoan’ise fankatoavana avy amin’ny Tily eto Madagasikara sy ny Firaisan’ny Skotisma eto Madagasikara (FSM).