Sokajy
Olon-dehibe sy kalitao

Ny mpiandraikitra Tily sy ny kalitao

Tato anatin’ny taona vitsivitsy izay dia novoizina teto anivon’ny skotisma ny teny hoe « kalitao ».

Tsy teto Madagasikara ihany fa nanomboka tany amin’ny fitantanana manerantany (OMMS) no nanaparitaka sy nivoy izany, ho fenitra iaraha-manatratra manoloana ny fanabeazana ny tanora sy ny fitantanana madio sy mangarahara amin’ny endriny rehetra. Ho antsika Tily amin’ny maha-kristiana dia toe-tsaina tahafintsika amin’Ilay Ray Mpahary « Tsara sady mpanao ny tsara » izany kalitao izany, mampatsiahy antsika fa izay no itarihana antsika hitrandraka fahatsarana hatrany amin’izay rehetra atao.

Nanohy izany i Baden Powell, mpanorina ny skotisma, nitarika antsika amin’ny endrika sy teny samihafa ny amin’ny tokony hanaovana hatrany ny « tsara kokoa » amin’izay rehetra atao. Na milalao, na mianatra, na miasa dia tsy mionona amin’ny nahavita, fa mitrandraka foana ny fahatsarana. Iarahan’ny skoto rehetra manerantany ankehitriny ny vina hoe « créer un monde meilleur » (« Manorina tontolo tsara kokoa ») ary hanairana ny saintsika mpanabe skoto rehetra ankehitriny: trandraho mandrakariva ny « tsara kokoa » eo amin’ny adidy amin’Andriamanitra Mpahary, adidy amin’ny hafa, ny Fiangonana, ny Firenena, ny Tily eto Madagasikara.

Napetraky ny Tompo amin’ise ireo ondry kely beazina ireo, nomen’ny Tompo ho andraikitra manokana, ho tefena ho tonga olom-banona sy vonona, ilain’ny Firenena ary ho vavolombelon’i Jesoa Kristy.

Ary ny farany fa tsy ny kely indrindra dia ny adidy amin’ny tena. Ezaho vakiana sy arahana isan’andro ny lalàna folontsika Tily, ary iaino hatrany ny tondrozotrantsika hoe « Asehoy ny tenanao ho fianarana ny asa tsara » Titosy 2, 7.

Teboka efatra (04) hamaritan’ise mpiandraikitra ny beazina manana kalitao

  1. Mazoto mivory sy mamonjy hetsika iraisana (fanamarinam-pahatongavana)
  2. Manao fanamiana ara-dalàna foana (mariho ohatra hoe : DATY 02 oktobra 2015 : Adino ny fehikibo)
  3. Marim-potoana (mariho anaty firaketana raha misy fahatarana)
  4. Manana karatra ara-dalàna (manana laharana FAFI avy amin’ny Foibe)

Etsy anie e ! Manàna kahie firaketana sy fanaraha-maso ireo mba hananan’ise tahiry sy mari-pandrefesana azo antoka.

Teboka 10 hamaritana ny Mpiandraikitra manana kalitao

Dinihan’ny Filoham-paritra sy/na Toniam-pivondronana

  1. Mazoto mivory sy mamonjy hetsika iraisana (fanamarinam-pahatongavana)
  2. Manana karatra ara-dalàna (manana laharana FAFI avy amin’ny Foibe )
  3. Mazoto miofana, sy mivoatra araka ny tokony ho izy
  4. Manana Jinja vokatra feno ara-dalàna
  5. Manana antontan-taratasy misy ny fisin’ny beazina tsirairay
  6. Mpianatra ho mpanatona na Mpandray ny fanasan’ny Tompo
  7. Manana fandaharana ara-dalàna tsara, nandalo ny rafitra rehetra (Tonia, Komitim-Pivondronana, Filoha)
  8. Manana fisy teknika amin’ny hetsika atao rehetra
  9. Mandefa tatitra ara-dalàna any amin’ny Filoha misahana azy
  10. Miaina sy mampiaina ireo lalàna folon’ny Tily