Sokajy
Olon-dehibe sy kalitao

Fihaonan’ny Filoha Tily (FIFITI)

Iray amin’ireo sehatra teknika nasionaly mpanapa-kevitra ho an’ny mpanabe eto amin’ny Tily ny FIFITI.

Ny Fihaonan’ny Filoha dia iray amin’ireo sehatra teknika nasionaly fanapahan-kevitra ho an’ny Mpanabe Tily, araka ny voasoratra ao amin’ny Fitsipika Fototra & Fitsipika Anatiny, andininy faha-142.

Ireo Filoha sy Tari-panofanana manana karatra ara-dalĂ na no manatrika ny FIFITI ary ny Foibe Tily eto Madagasikara no milarakara azy. (Jereo Tovana Fitsipika Fototra & Fitsipika Anatiny, pejy 78 & 79).

Isan-taona no tanterahina ny FIFITI.

Ny hevitry ny sary famantarana ny FIFITI


Loko Manga :
ranomasina maneho ny maha nosy antsika, mifanaraka ihany koa amin’ny hevitry ny marika Ravinala, izay mampiavaka antsika Tily Eto Madagasikara.
Loko Fotsy :
maneho ny FAHADIOVANA sy ny fitoviana ary ny fahamasinana.
Tady : endrika fampifandraisana ny skotisma Tily Eto Madagasikara amin’ny Skotisma maneran-tany, endriky ny firahalahiana, sy maneho ny maha iray ny skotisma eran-tany, sady mivelatra no mijanona ho iray hatrany.
Saritany Madagasikara voadidina loko efatra MAVO MAITSO MENA MENAFIFY :
maneho ny sehatra irotsahantsika, dia eto Madagasikara ary ahitana ny Sampana efatra mifanohy sy mifandray.
Ny filaharan’ny sarin’i Madagasikara sy ny marika Ravinala : ny TEM dia ianteheran’I Madagasikara eo amin’ny fampandrosoana azy.

FIFITI : Fanafohezana ny hoe FIhaonan’ny FIloha TIly

Ahoana no fomba hisafidianana ny toerana hanaovana ny FIFITI  ? 

Isaky  ny FIFITI no manao antso amin’ny izay Faritany rehetra manerana ny Nosy ny Foibe Tily. Maneho ampahibemaso ny fahavononany izay Faritany Tily hampiantrano dia , ny Filoha rehetra kosa no manapaka izay toerana hanaovana ny FIFITI ho amin’ny taona manaraka.  

Ahoana ny fomba fiaraha-miasa eo amin’ny Foibe sy ny Faritany izay mandray FIFITI ? 

Araka izay voalazan’ny Fitsipika Fototra sy ny Fitsipika Anatiny dia ny Foibe no mikarakara ny FIFITI. Ara-pandaminana, ny Faritany izay mampiantrano kosa dia manana andraikitra hanamora ny fanatanterahana ny asa rehetra any an-toerana.  

Inona avy no atao any amin’ny FIFITI ?

Araka izay voalaza ao anaty Fitsipika Fototra sy Fitsipika Anatiny, dia azo fintinina amin’ireto zavatra manaraka ireto ireo zavatra izay hotanterahana mandritra ny FIFITI :

  1. Mandray ny hetaheta sy ny filàn’ny mpikambana, mihaino sy mifanakalo hevitra momba ny zava-misy any amin’ny Faritany, manao fehin-kevitra, 
  2. Mandrafitra ny drafi-panabeazana sy ny drafi-piofanana, niainga avy amin’ny Fivoriam-ben’ny Mpanabe, ny Fivoriam-ben’ny TP/TEM ary ny Fihaonan’ny Filoha,  
  3. Manao tatitra, jery todiky ny fandaharam-panabeazana tamin’ny taona lasa ary mandany ny soritr’asa hanabeazana ho amin’ny taona manaraka (sehatra Faritany/Foibe),
  4. Manapaka mikasika ny fomba sy tarazo, ny fanamiana, lafin-javatra samihafa mahakasika ny fanabeazana,
  5. Mampahafantatra sy manofana ny Filoha rehetra mahakasika ny boky sy ny tahirin-kevitra navoakan’ny Foibe sy na ny TP/TEM momba ny fanabeazana : Fomba, Tarazo, Fanamiana, Fanekena …
  6. Mifampizara traikefa sy haizatra, mampitovy tadin-dokanga,
  7. Manapa-kevitra momba ny tolo-kevitry ny Foibe momba ny fitantanana, fandaminana ary fifandraisana anatiny sy ivelan’ny TEM 
  8. Mamolavola hevitra hodinihan’ny Fihaonam-ben’ny Mpanabe (Pow Wow)

Fe-potoam-piasana 2002 – 2006 notarihan’ny Filoha RAKOTONARIVO Haja (ARA Mientana)

TaonaToeranaFaritany nampiantrano
2003ToamasinaAtsinanana 
2004SoamahamaninaItasy 
2005Toliara Atsimo Andrefana 
2006Isoavina Ambanitsena Analamanga 5

Fe-potoam-piasana 2006 – 2010 notarihan’ny Filoha Ny Hasina RAKOTONDRAJAO

TaonaToeranaFaritany nampiantrano
2007AntsirabeVakinakaratra
2008MahajangaBoeny
2009FianarantsoaMatsiatra Ambony
2010Alarobia AntananarivoAnalamanga 5

Fe-potoam-piasana 2010 – 2014 notarihan’ny Filoha RATOVOHERY Ratobison Lanto (MAMBA Maharitra)

TaonaToeranaFaritany nampiantrano
2011IFLA AntananarivoAnalamanga 5
2012Joffre Ville AntsirananaDiana
2013AmbatondrazakaAlaotra
2014Ambatomanga AntananarivoAnalamanga 5

Fe-potoam-piasana 2014 – 2018 eo ambany fitarihan’ny Filoha RAOELIJAONA Michel (KALIA Miaritra)

TaonaToeranaFaritany mpampiantrano
2015Basia Tsianaloke/Père Barré Sanfily ToliaraAtsimo Andrefana
2016Village d’Enfant SOS MangaranoToamasinaAtsinanana
2017Le Bonheur Antanimasaja MahajangaBoeny 
2018FOFIKRI Ankadikely Ilafy AntananarivoAnalamanga 

Fe-potoam-piasana 2018 – 2021 eo ambany fitarihan’ny Filoha RAOELIJAONA Michel (KALIA Miaritra)

TaonaToeranaFaritany mpampiantrano
2019FJKM Dzamandzar Nosy Be Hell VilleDiana
2020TRANOMBITSIKA AntsahamarofozaFFP – Foibe
2021FJKM MoramangaMangoro Moramanga