Sokajy
Izy no ...

Izy no … DO Fetsy

Isan’ireo tena nanana ny mahaizy azy teo amin’ny tantaran’ny Tily eto Madagasikara Itompokolahy Solofo RAZANAJAONA. Ingénieur en statistique no asany andavanandro fahiny. Do Fetsy no anarana nahafantarana azy teo amin’ny sehatry ny skotisma.

Tena nampiavaka azy manokana ary nampiaiky ny mpiray fikambanana rehetra ny fahakingany sy ny fahaizany mamolavola ireny Hafatra miafina ireny n’a ny  “message codé”. Mpamoron-kira ihany koa izy. Hira tsy zovina amin’ny rehetra ohatra ny hira “Tsikitsiky ihany” Hirao 75, Tak.72, 1983. 

Tao amin’ny fivondronana faha-5 Gilpin, Ampandrana, Antananarivo izy no nandranto ny fanabeazana Tily tamin’ny fahatanorany. Ary mbola tsaroany ny nahazoan’ny Sokajy Triotrio notarihiny ny laharana voalohany tamin’ny Lalao Fifaninanan Tetika sy Teknika tao Antananarivo. Isan’ireo voalohany nisalotra solon’anarana nony taty aoriana. 

Sokajy Triotrio, Fivondronana faha-5 Gilpin. DO Fetsy no lohan-tsokajy.
Sokajy Triotrio, Fivondronana faha-5 Gilpin. DO Fetsy (ilay misatroka) no lohan-tsokajy.
Tahirin-tsary : DANGORO Ranitra (1961)

Rehefa tapitra ny fotoana nibeazany dia nitana andraikitra maro teo anivon’ny faritany Antananarivo ihany koa izy, anisan’izany ny naha Filoham-paritany azy ny taona 1984.

Teo anelanelan’ny taona 1977 ka hatramin’ny 1992 dia anisan’ny nandrafitra ny Ekipa Foibe Tily Eto Madagasikara izy. Ary mbola isan’ireo Tari-panofanana hatramin’ny fotoana farany.

Nitarika ny Lasy Ravinala faha-28 tao amin’ny Kolejy Teolojika Ivato koa izy ny taona. 

Notolorana Tapa-porohona efatra, nandritry Lasy Ravinala tao  Manerinerina, Antananarivo. 

01 mai 2016, isan'ireo 15 voalohany notolorana ny marika Ravinala Volafotsy i DO Fetsy. Sary: Franck RAMA
01 mai 2016, isan’ireo 15 voalohany notolorana ny marika Ravinala Volafotsy i DO Fetsy. Sary: Franck RAMA

Raha ny dian-tanana teto amin’ny fikambanana no resahana dia anisan’ny namela marika naha-izy azy ny Tily Eto Madagasikara izy satria:

  • Namolavola ny fanomezana solon’anarana ho fitaovana entina hanabeazana ny Tily Sampana Maitso izy, 
  • Nanolotra tsangambato nentina nankalaza ny faha-75 taonan’ny Skotisma maneran-tany ka nandrafitra niaraka tamin’ny ekipa Sampana Mena sy ny fandraharahana teo amin’ny faritany Antananarivo, ny bokin-kira “HIRAO 75”. 
  • Filohan’ny Sokajin-dasy Tily tranainy tamin’ny lasy Jobily faha-80 taona Tily Eto Madagasikara, dingana iray niteraka ny Fikambanan’ny Mpanazava sy Tily Tranainy sy Sakaiza (FMT2S) io. 
  • Namerina ny Tapa-Porohana 4 naha-mpanofana azy izy sy i Filoha Lambo Misedra ny volana novambra 2013, mba ho « fanilo miampita »

Niaina feno sy tanteraka ny maha-Tily azy izy mandrapahafatiny. Nikorina tany anaty ràny mihitsy aza ny fitiavana ny skotisma satria nampitainy tamin’ny taranany izany fitiavany izany. Porofo mivaingana ny nampandovany ny solon’anarany DO ho an’i reo zanaka naterany (Do-Santatra, Do-Risika, Do-Ranitra). 

Ny 01 may 2016 izy dia isan’ireo 15 voalohany notolorana ny marika Ravinala Volafotsy, fankasitrahana ireo olona isan’ny nahavita be indrindra ho an’ny skotisma Tily. 

74 taona izy no nodimandry, ny 05 novambra 2020, ary azo lazaina fa very olo-kendry, olo-be ny Tily eto Madagasikara nilaozany. Ny asany kosa nefa dia mitoetra hovoizina hatrany.