Sokajy
Fanabeazana

Zon’ny ankizy

Partenaire(s) : ,

Talenta azo trandrahana :

Amin’ny maha-hetsi-panabeazana tanora ny skotisma dia saika voakasiky ny zon’ny ankizy avokoa ny maro amin’ireo beazina ao (06 hatramin’ny 25 taona).

Ny volana janoary 2022 dia nanomboka niara-niasa tamin’ny UNICEF sy ny Médiature de la République ny Tily eto Madagasikara, izay samy misehatra amin’ny fampiroboroboana ny zon’ny ankizy.

Inona no atao hoe zon’ny ankizy ?

Ny taona 1959 no nanao fanambarana hiarovana ny zon’ny ankizy ny Firenena Mikambana. Ny tanjona dia ny hanomezana lasitra fiarovana ny ankizy rehetra (izany hoe izay olombelona rehetra latsaky ny 18 taona) manerana an’izao tontolo izao, na iza izy na izy, na avy aiza na avy aiza.

Telopolo taona taty aoriana (1989) vao tena noraisina sy tafavoaka tanteraka ny Fifanarahana Iraisam-pirenena ho an’ny Zon’ny Ankizy. Ary nanasonia izany i Madagasikara ny taona 1991. Ankehitriny dia io no fifanarahana iraisam-pirenena be nanasonia indrindra satria Firenena 196 no efa mampihatra, ny firenena tokana mbola tsy nanasonia azy amin’izao fotoana izao (2022) dia i Etazonia.

Ireo sokajin-jo 05 ananan’ny ankizy

Misy andininy 54 isa ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zon’ny ankizy. Afaka avondrona sy sokajiana ho zo fototra dimy (05) ireo zo rehetra ireo.

1.      Zo hanana anarana sy firenena (and .7, 8)

Raha vao teraka ny zaza, dia tokony manao fanambaram-piterahana any amin’ny firaisana misy ny toerana nahaterahan’ilay zaza ny ray aman-dreniny. Ho voarakitra anatin’ny rejistra maha-olom-pirenena ny momba ilay zaza. Ny fahavitan’ny  fanambaram­-piterahana dia ahafahana manamarina ny fisiana sy ny maha-olom-pirenena ny zaza. Raha tsy vita izany dia  toy ny tsy misy akory ilay zaza ka ho sarotra ny fiarovana azy. Ho voaharo amin’ny famarotana, ny fangalaran-jaza,ny fanambadiana tsy ampy taona, ny fanararaotana ara-nofo, ny fampiasana ny ankizy tsy ampy taona amin’ny asa an-terivozona, fanakaramana ny ankizy hanao miaramila. Ny fananana KOPIA dia manampy betsaka ny fampidirana ny zaza an-tsekoly  sy ny fandehanany ny amin’ny tobi­m-pahasalamana.

2.      Zo ho salama (and. 3, 6, 24, 26, 27)

Ny zo ho salama dia tokony hananan’ny zaza rehetra. lsan-taona  nefa mbola maro  ny zaza maty tsy mahatratra ny faha-dimy  taonany akory. Maherin’ny 9 lavitrisa (9.000.000.000) ny zaza maty eran-tany. Ny fototra mahatonga izany dia ny tsy fahampian-tsakafo, tsy fananana rano fisotro madio sy foto-drafitr’asa mifanentana amin’izany, ny pneumonie, ny tazomoka, ny VIH/SIDA, ny tsy fisian’ny fitsaboana ara-dalàna.

3.      Zo hianatra (and. 22)

Tokony hianatra ny ankizy satria manampy ny fahafantarany avy hatrany ny fomba fiarovana amin’ny aretina, sy fampihenana ny taha-pahafatesan’ny zaza sy ny reny, ny fanabeazana  ny zaza hianatra, hivoatra ary hiady amin’ny fahantrana sy ny fanamparam-pahefana.

4.      Zo ho arovana (and. 19, 22, 32, 33, 34, 35, 39, 40)

Ny dikan’ny hoe fiarovana dia ahafahana misoroka ny herisetra rehetra. Anisan’izany ny fanararaotana ara-nofo atao fahazoam-bola, ny fivarotana sy ny fampiasana ny ankizy, ny fomba amam-panao mitera-doza, ny fanambadian’ny zaza tsy ampy taona.

5.      Zo handray anjara (and. 12, 13, 14,15,17)

Ny fiaraha-monina manana fahalalahana na demokratika  dia manan-jo  amin’ny fandraisana anjara avokoa ny olom-pirenena ao aminy, eny fa na dia ny ankizy aza. Omena vaovao sahaza ny taonany ny ankizy, ampandraisina anjara izy ireo amin’ny  fanapahan-kevitra any an-tokantrano, any an-tsekoly, any amin’ny fokontany  misy azy ireo. Adidy sy andraikitr’ireo firenena sy fanjakana nankato ny zon’ny ankizy ny fampandraisana anjara ny zaza.

Credit Photo: Tily Analamanga Atsimo

Ireo andininy tsirairay ao amin’ny Zon’ny ankizy

Andlnlny 1: Famaritana ny atao ho zaza

Ny olona rehetra latsaky ny valo ambin’ny folo taona araka ny voasoratra ato anatin’ny FIZOZAZA no atao hoe zaza.

Andininy 2: Tsy fanavakavahana

Ny zo rehetra dia mahakasika ny zaza rehetra tsy an-kanavaka na manan-karena na mahantra,na mitondra kilema na tsy misy kilema. Tsy mijery ny tenin-drazana, na fihaviana, na finoana, na kolotsaina. Mitovy lanja ny fikarakarana ny zaza rehetra.

Andininy 3: Ny tombontsoa lehibe indrindra ho an’ny zaza

Tokony katsahin’ny olon-drehetra, indrindra fa ny lehibe ny tombotsoa lehibe indrindra ho an’ny zaza, indrindra moa rehefa maka fanapahan­-kevitra dia tokony hitandrina tsara izy ireo mba tsy anohintohina ny zaza izany.

Andininy 4: Fizakana ny zo

Ny fanjakana no miantoka ny fiarovana ny zon’ny zaza rehetra. Tokony hanampy ireo ray aman-dreny izy ireo amin’izany ary koa mametraka fiaraha-monina afahan’ny zaza mitombo sy ivoaran’ny fahaizany.

Andininy 5: Fanoroan-dàlana ny zaza sy fivoaran’ny fahaizany

Manana andraikitra lehibe amin’ny fizakan’ny zaza ny zony ny ray aman-dreny no sady miantoka ny fanajana ireo zon’ny zaza rehetra.

Andininy 6: Fiainana sy fivelarana feno

Manana zo hiaina ny zaza rehetra.

Andininy 7: Zo hanana anarana sy Firenena

  • Vao teraka dia tokony hanana anarana ny zaza ary koa mizaka zom-pireneny;
  • Tokony eken’ny fanjakana ny fananan’ny zaza izany rehetra izany.

Andininy 8: Fiarovana ny mombamomba ny zaza

Manana zo hanana ny mombamomba azy ny zaza. Voarakitra anatin’ny sora-piankohanana sy fanambaram-piterahana izany. Tsy misy olona na iray aza afaka mamafa ny mombamomba ny zaza.

Andininy 9: Ny fisarahana amin’ny ray aman-dreny

Manana zo hiara-monina amin’ny ray aman-dreniny ny zaza raha tsy voatohintohina ny tombotsoan’ny zaza. Manana zo hiara-monina amin’ny fianakaviana afaka hamelona azy ny zaza.

Andininy 10: Fampiraisana ny isam­-pianakaviana

Raha tsy iray toerana amin’ny ray aman-dreniny ny zaza, dia manana zo feno izy handeha hiara­-monina amin’izy ireo.

Andininy 11: Fifindran-toerana sy tsy fampodiana tsy ara-dàlana

Tokony ho voaharo amin’ny fangalaran-jaza ny zaza.

Andininy 12: Ny hevitry ny zaza

Manana zo haneho ny heviny an-kalalahana ny zaza. Anjaran’ny lehibe no mihaino azy ary tsy mandika izany ho « hevi-jaza ».

Andininy 13: Fanehoan-kevitra an-kalalahana

Manana zo ny zaza hahafantatra ny zava-misy sy haneho an-kalalahana izany amin’ny hafa, amin’ny fandraisam-pitenenana, amin’ny fanaovana sary, amin’ny soratra na amin’ny endrika hafa koa, raha tsy manohintohina ny hafa izany.

Andininy 14: Fahalalahana ara-pisainana, ara-pieritreretana ary ara-pinoana

Manana zo hisafidy izay foto-pinoany ny zaza. Ny ray aman-dreny no manampy azy amin’izany safidiny izany ary mahafantatra izay mahasoa ilay zaza.

Andininy 15: Fahalalahana hiditra anaty fikambanana

Manana zo hisafidy izay ho namany ny zaza, sy hiditra sy mamorona (anatin’ny) fikambanana koa izy raha toa ka tsy manohintohina ny hafa izany.

Andininy 16: Fiarovana ny fiainana manokana (Vie privée)

Manana zo hanana ny fiainany manokana ny zaza.

Andininy 17: Fahazoana vaovao mifanentana amin’ny taona

Manana zo hahalala izay mahasoa azy ny zaza mba ahafahany mivelatra ara-tsaina. Ny radio, ny gazety, ny boky, ny solosaina ohatra dia tokony mampahafantatra azy izany. Andraikitry ny lehibe kosa ny miantoka fa vaovao sahaza ny taonany no ho zaraina amin’ny zaza ary manampy azy ireo mba hahatakatra ny hevitr’izany.

Andininy 18: Andraikitry ny ray aman-dreny

Raha ny tokony ho izy dia ny ray aman-dreny niteraka no miandraikitra ny fanabeazana sy ny fitaizana ny zanany. Zon’ny zaza rahateo izany.

Andininy 19 : Fiarovana amin’ny herisetra sy fampijaliana

Manana zo harovana amin’ny herisetra sy ny fampijaliana ny zaza, na ara-batana, ara-tsaina, sns …

Andininy 20: Fiarovana ny zaza tsy eo anivon’ny fianakaviana

Manana zo ho karakaraina manokana ny zaza tsy eo anivon’ny ray aman-dreniny na ny fianakaviany.

Andininy 21: Fananganan-jaza

Manana zo ho karakaraina tsara sy ho arovana ny zaza raha toa ka zaza natsangana na napetraka aman’olona.

Andininy 22: Zaza mitsoa-ponenana

Fiahiana manokana no omena ny zaza mitsoa-ponenana na voatery niala ny tokantranony ka monina any amin’ny firenen-kafa. Ny zo rehetra voarakitra anatin’ny zon’ny ankizy dia manan-kery aminy avokoa.

Andininy 23: Zaza manana fahasembanana

Ny zaza manana fahasembanana dia manana zo hahazo fitsaboana manokana sy fanabeazana ary fiofanana, indrindra fa ny fampiharana ny zo rehetra anatin’ny zon’ny ankizy mba ahafahany manana fiainana mirindra.

Andininy 24: Toe-pahasalamana sy fikarakarana ara-pahasalamana

Manan-jo ny zaza hahazo fitsaboana feno sy ara-dalàna, hanana rano fisotro madio ary sakafo ara­-pahasalamana, tontolo madio sy azo antoka. Omena azy ny fahalalana mba ahazoany fahalasalamana feno.

Andininy 25: Fanavaozana ny fikarakarana ny zaza

Mila arahi-maso matetika ny fiainan’ny zaza lavitra ny fianakaviany. Tokony hifandraika amin’ny tombotsoa lehibe indrindra ho an’ny zaza ny zava-misy hiainany.

Andininy 28: Fiahiana ara-tsosialy

Tokony hampian’ny fanjakana ny zaza mahantra sy tsy manan-koraisina.

Andininy 27: Fari-piainana

Manana zo hitafy, hisakafo ary hanana toerana sahaza azy ny zaza mba ahafahany miaina sy mahazo fitsaboana raha mila izany izy. Tsy tokony ambaka noho ny hafa ny zaza noho izany ka tokony ho afaka manao izay zavatra rehetra sahaza aminy izy.

Andininy 28: Fampianarana

Manana zo hahazo fanabeazana: fampianarana tena tsara ny zaza, tokony afaka hanohy ny fianarany izy raha mbola vitany izany.

Andininy 29: Zava-kendren’ny fampianarana

Ny fanabeazana/ny fianarana dia ahafahan’ny zaza mampitombo ny talentany sy ny fahaizany. Manampy azy hiaina am-piadanana, hiaro ny manodidina azy sy hanaja ny hafa ihany koa izany.

Andlnlny 30: Ny zaza avy amin’ny sokajim-piarahamonina vitsy an’isa na manana fomba fiaina manokana

Manan-jo hisafidy ny kolotsainy, ny teniny, ny finoany ny zaza. Mba ho fampiharana ny zon’ny ankizy dia mila fiarovana manokana ny zaza avy amin’ny sokajim-piarahamonina vitsy an’isa na manana fiainana manokana.

Andininy 31: Fialam-boly

Manana zo hiala sasatra sy hilalao ny zaza.

Andininy 32: Zaza miasa

Manana zo ho arovana amin’ny fampiasana azy amin’ny asa miteraka tsy fahasalamana ny zaza ary indrindra amin’ny asa manakana azy tsy handeha an-tsekoly. Raha zaza ampy taona tokony hiasa dia tokony handray karama ara-dalàna tsy misy fanambakana. Miaina anatin’ny fandriampahalemana izy amin’izany.

Andininy 33: Fandraisana sy fanondranana zava-mahadomelina

Manana zo ho arovana amin’ny fandraisana zava-mahadomelina sy fanondranana izany ny zaza.

Andininy 34: Fiarovana amin’ny fametavetana na ny fanararaotana ara-nofo

Manana zo ho arovana amin’ny fanararaotana ara-nofo ny zaza.

Andininy 35: Fivarotan-jaza

Tsy misy na iza na iza mahazo mangalatra na mivaro-jaza.

Andininy 36: Endri-panararaotana hafa

Manana zo ho arovana amin’ny endrika fanararaotana hafa rehetra ny zaza.

Andininy 37: Fampijaliana sy famonjana

Tsy misy olona afaka manasazy ny zaza amin’ny alalan’ny fampijaliana.

Andininy 38: Ady mitam-piadiana

Raha any amin’ny tany misy ady no misy ny zaza, dia tokony ho tandrovina mba hiaina milamina izy. Ny zaza latsaka ny 15 taona dia tsy azo terena hanao miararnila.

Andininy 39: Famerenana amin’ny laoniny sy fiverenana anivon’ny fiaraha­-monina

Manana zo ho arovana ny zaza raha maratra, raha iharan’ny fampijaliana.

Andininy 40: Fitsarana ny zaza tsy ampy taona

Manana zo hahazo fitsinjovana manokana ny zaza miakatra fitsarana anatin’ny rafi-pitsarana manaja ny zon’ny zaza.

Andininy 41: Fanajana ireo fepetra efa mipetraka

Raha manana lalàna afaka mitandro sy manaja ny zon’ny zaza ny firenena iray mihoatra amin’izay voarakitra ato anatin’ny fifanarahana iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny ankizy dia izay no manan-kery sy ampiharina.

Andlnlny 42: Fanapariahana ny Zon’ny ankizy

Manana zo hahafantatra ireo zony ny zaza. Anjaran’ny olon-drehetra ny manampy mampahafantatra izany amin’ny zaza.

Andininy 43 hatramin’ny 54: Fanapariahana ny Fifanarahana iraisam-pirenena ho an’ny Zon’ny ankizy

Manazava ny fomba fampiharana ireo zon’ny zaza ny andininy voatanisa. Manana adidy amin’izany ny fanjakana sy ireo sampan-draharaha iraisam-pirenena toy ny UNICEF mba ho voahaja araka ny tokony ho izy ireo zon’ny zaza.


Nosintonina avy tamin'ny https://www.unicef.org/madagascar/mg/tatitra/fifanarahana-iraisam-pirenena-ho-anny-zonny-ankizy 

Jereo koa