Sokajy
Fanabeazana Totemisation

Ny fanomezana solon’anarana (totemisation) araka ny tantara

Teo amin’ireo amerindiens, foko zanatany tany Amerika, rehefa tonga teo amin’ny atao hoe « taonan’ny mpiady» ny zatovolahy iray dia alefa hitady volom-boromahery ka tsy mahazo miverina ao an-tanànany raha tsy mitondra. Izany no nentiny hanaporofoana fa afaka hiaro ny foko misy azy izy.

Tany amin’ny foko « zoulou » tany Afrika indray dia tahaka io ihany
no tanjona saingy hafa kosa ny fisehony. Lokoina fotsy amin’ny lokon-tany ilay tovolahy ka tsy mahazo miverina mamonjy ny foko misy azy raha tsy afaka iny loko iny (mety haharitra amam-bolana).
Mandritra izany anefa dia afaka hamono azy avokoa izay mahita azy rehetra hany ka maro ireo maty sy tsy tafaverina intsony.

Tany Australie koa ny « Aborigènes » dia mampiaina ny fomba fanomezana totem ho an’ireo tao anaty foko ary nanana ny tarazony tamin’izany.

Noraisin’ny Skotisma izany fampiainana ny fomba fanomezana totem izany taty aoriana ho fanomezana sy famporisihina ny tanora ao aminy hanana toetra sahy sy afaka hiatrika ny sarotra.

Tany Amerika teo anivon’ny «Boys Scout of America» na ny BSA no nampiaina ny Totemisation voalohany.

Tamin’ny taona 1915 i Ernest THOMPSON SETON no nampiditra ny fomba fanomezana totem ho entina hamolavolana ny toe-tsaina skoto. Natsangany tamin’izany ny «ORDER OF THE ARROW» na ny «ORDRE DE LA FLECHE ».

Ny fomba fanomezana totem dia nentiny namolavolana ny BSA hanana toe-tsaina Amerikana sy hanana toe-tsaina mpitarika. Kolotsaina roa no
nasongadina tamin’izany : kolotsaina Amerindien sy kolotsaina Amerikana