Sokajy
Fanabeazana

Talenta 10 afaka trandrahina ao an-trano

Talenta azo trandrahana : , ,

Mandalo vaninandro miavaka izao tontolo izao ka niteraka fiovana goavana maro teo amin’ny fomba fiainantsika toy ny fihibohana nandritra ny fotoana maharitra, ny fitafiana arotava lasa fitafy andavanandro, ny tsy fahafahana mivory sy mifampitakosona. Isan’ny tena iharan’izany indrindra ny skotisma, izay tena miaina ny fiainana ankalamanjana sy ny fiainam-bondrona. Tsy sakana amin’ny fivelaran-tenan’ny tsirairay nefa izany satria ny fahaizana miaina amin’ny zava-misy indrindra aza no tena mampiavaka ny skoto. Hany ka lasa fotoana ahafahana mitrandraka talenta sy hanamafisana ireo traikefa ilaina amin’ny fiainana ilay fotoana voatery nijanonana ao an-trano iny. 

Ireto ary misy karazana fahaiza-manao 10 afaka trandrahin’ise ao an-trano miaraka amin’ireo sopapa vitsivitsy ahafahan’ise manitatra misimisy kokoa. Tsy misy filaharany manokana ireto fa anjaran’ise no misafidy izay mahasarika kokoa an’ise.

Kabary sy kanto malagasy

Isan’ny tsy ilàna fitaovana maro no tsy ilàna toerana midadasika ny fianarana kabary sy ny zava-kanto vita amin’ny teny. Na teny malagasy io na teny vahiny. Azo atao tsara ny mitrandraka azy mialoha amin’ny alalan’ny boky na ny fifanakalozana amin’ireo mpiangaly hafa amin’ny alalan’ny fitaovam-pifandraisana misy. Ary rehefa hizara dia eo ny ankohonan’ise ho mpihaino voalohany. 

Ahafahan’ise mitrandraka

Asa tanana amin’ny taratasy

 Isan’ny fitaovana tsy misaraka amin’ny mpianatra mihitsy ny taratasy. Mba tsy verivery foana ireny taratasy tsy ampiasaina intsony ireny dia maro ny fomba mety mbola afaka hampiasana na hanodinana azy. Raha tian’ise kokoa ny miangaly zava-kanto dia mety ho fomba iray afaka ho trandrahin’ise hampiasana azy ireny ny fianarana asa tanana amin’ny taratasy, ilay antsoina hoe origami (raha famoretana taratasy tsy tapahina) na kirigami (raha mampiasa hety sy mila manapaka taratasy).

Ahafahan’ise mitrandraka :

Haitsiro sy fanaovana sakafo

Ahafahan’ise mitrandraka

  • Lalao Tsaiky : lalao facebook ianarana ireo karazan-tsakafo ara-pahasalamana
  • 750g : Fandaharana YouTube momba ny haitsiro
  • Sakafo sy ny tontolony : Vondrona facebook momba ny fahaiza-manao momba ny fikarakarana lakozia

Fitendrena zava-maneno

Ahafahan’ise mitrandraka

  • Hira Tily : Vondrona facebook fifampizarana hira tily mitaiza tonony, feony, solfa, solfège …

Hosodoko

Ahafahan’ise mitrandraka

Fikirakirana solosaina

Ahafahan’ise mitrandraka

  • IOGT Connect Smart : Ireo tsara ho fantatra mba ho mailo rehefa mampiasa internet : 
  • Thom Reo : Horonantsary YouTube fianarana mampiasa Word, Excel, Powerpoint, Wix, …
  • Microsoft.com : Torohevitra sy fikafika fampiasana Office (Word, Excel, Powerpoint, …)

Fitaizam-batana

Raha ny fikarohan’ireo manam-pahaizana momba ny fahasalamana dia tandindonin-doza ny fahasalaman’ny ankamaroan’ny tanora nohon’ny tsy fahampian’ny fitaizam-batana. Mety ho antony vao mainka hampihena izany fihetsiketsehana izany koa aza nefa ny fiovana nateraky ny fihibohana sy ny naha-voatery nijanona an-trano nandritra ny fotoana lava. Maro nefa ny fomba ahafahana manohy ny fitaizam-batana ao an-trano.

Ahafahan’ise mitrandraka

Zaitra

Sanatria anie ka ny Tily no ho voalaza hoe “tsy mahay mitam-panjaitra”. Isan’ny fahaiza-manao ilaina foana ny fahaizana manjaitra raha mbola mitafy akanjo koa ny olombelona. Azon’ise atao tsara amin’izao vaninandro izao no manomboka mampihatra amin’ny fanjairana arotava ho an’ise sy ny ankohonan’ise.

Ahafahan’ise mitrandraka

Ohatra ihany ireto nozaraina tamin’ise ireto fa azo antoka hoe mbola maro tsy tamby isaina ny karazana talenta sy fahaiza-manao azo trandrahina ao an-trano. Anjaran’ise sisa ny misafidy izay hita fa sahaza an’ise, mampihatra azy, ary aza adinoina ny mizara izay azo amin’ny ankohonana sy ny enina, sokajy na fokonolona misy an’ise … eny fa na mbola tsy afaka mihaona mivantana aza.

.

N.B : Ny fanomezana ireo rohy notsongaina ireo dia tsy midika fanohanana na fankatoavana manokana azy ireo avy amin’ny Tily eto Madagasikara fa ohatra omena ihany.