Sokajy
Sampana Menafify

Tetik’asa Menafify

Ny tetik’asa no fampiharana ny fomba fanabeazana skoto ao amin’ny Menafify ary mampiavaka azy amin’ireo sampana telo hafa. Fibeazana amin’ny alalan’ny fiatrehana tetik’asa. Io fiatrehana tetik’asa io dia natokan’ny Menafify hampisehoana ny talenta izay ananany.

Inona no atao hoe tetik’asa (projet) ?

  • Nofinofy anaty (intention) : tetik’asa nofinofy avadika tena izy (rêver en couleur, réalisation en noir et blanc).
  • Famahana olana (résolution de problème) : ny zava-mitranga iainana no mahatonga ny tetik’asa.

Amin’ny endrika tetik’asa ataon’ny tsirairay no fomba heverina fa hahatanterahan’ny Menafify ny fibeazan-tena ataony. Ka io tetik’asa (projet) io no asehony hanatratrarana ny TANJONA izay heverina fa lalana iray hanovozana ireo fahaiza-manaony maro samihafa tiana ho tratrarina.

Karazana tetik’asa afaka atao

  • Tetik’asa azo aranty (Exposition-Echantillon)
  • Tetik’asa mitaky fifindran-toerana : Fambolena, Fiompiana, Maçonnerie, Asa Fitoriana Filazantsara, Fanentanana
  • Tetik’asa iraisana nefa afaka ataon’ny tsirairay mitokana (cooperative)
  • Tetik’asa mipetraka : informatique, artisanat de service, Production

Antony anaovana tetik’asa

Asa iombonan’ny mpiray vondrona

  • Vokatra ilain’ny fiaraha-monina
  • Vokatra azo ampiasaina tsara
  • Vokatra mitondra voka-tsoa ho an’ny hafa

Asa itarafana ny firaisan-kina amin’ny fampiharana fomba fanabeazana Skoto

  • Miorina amin’ny lalana sy fanekena
  • Fibeazana amin’ny alalan’ny asa
  • Fiainam-bondrona
  • Fivoaran’ny tsirairay
  • Tarazo
  • Fandraisana andraikitra amin’ny mpiara-belona
  • Fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny tanora sy ny olon-dehibe
  • Fandalàna ny tontolo iainana

Asa hanomezan-danja ny safidin’ny tanora miainga avy amin’ny tsingerina tetik’asa sy ny zava-kendrena izay voafarita

  • Tsirin-kevitra
  • Fananganana drafitr’asa
  • Fanatanterahana
  • Tomban’ezaka

Ireo dingana arahina amin’ny fanaovana tetik’asa

Tsy sarotra ny fanaovana tetik’asa fa zavatra fanao andavan’andro ihany saingy arindra sy soratana ary arahina mba hampahomby azy.

Dingana fito (7) no tokony arahina :

  1. Ketrika : Fakan-kevitra (idée – élaboration)
  2. Vontady : Fandraisana Fanapahan-kevitra (décision-justification)
  3. Fandaminana (Plan d’action-stratégie)
  4. Fiomanana (Atelier)
  5. Ampamoloana : Fanatanterahana (Exécution-Réalisation-Exposition)
  6. Jery todika (Evaluation)
  7. Fankasitrahana (Célebration)

Rafitra enti-manangana tetik’asa

Ohatra iray amin’ny fomba fandrafetana an-tsoratra ny tetik’asa ity :

  1. Antony nisafidianana azy
  2. Tanjona
  3. Vokatra ho tratrarina
  4. Tetika hanatanterahana azy
  5. Ireo dingana arahina
  6. Fanampiana ilaina
  7. Fandaminana sy fomba fiasa
  8. Daty sy fotoana anatanterahana azy
  9. Vinavinam-pandaminana : *vola sy fitaovana
  10. Endriny
  11. Tetika ahatafitan’ny tetik’asa

Foaran’ny Tetik’asa ( FOTASA )

Fihetsiketsehana faratampony eo amin’ny Menafify ny FOTASA.

Lasy lehibe hihaonan’ny Menafify rehetra hanehoana ny tetik’asa isan-karazany ilofosan’ny isam-pivondronana (Fokonolona –Fileovana)

Eny ankalamanjana na anaty ala no anehoana azy.

Fifanakalozana traik’efa sy fisokafana amin’ny hafa no atao mandritra izany.