Sokajy
Sampana Menafify

Ireo tsara ho fantatra momba ny Menafify Faritany (MEFAR)

Fivondronana maromaro manana Tily Menafify no mivondrona ao anaty Menafiy Faritany na MEFAR. Mivory indray isam-bolana farafaharatsiny ny MEFAR na arakaraka ny fandaminana ao anaty faritany mba hsian’ny fihaonana iraisana.

Zava-kendren’ny Menafify Faritany (MEFAR)

  • Famelomana ireo fivondronana manana Tily Menafify vitsy (1 na 2 na 3 fotsiny)
  • Fifankazarana sy fifaneraserana eo amin’ny samy Menafify ao amin’ny faritany.
  • Fifampizarana sy fifanakalozana traik’efa
  • Fampiaharana ny Ambaratonga sy Talenta
  • Fananana Tily Menafify matanjaka eo amin’ny Faritany

Rafitra sy fandaminana MEFAR

Tsy rafitra maharitra ny MEFAR fa natao hanambarana hery eo amin’ny Fivondronana marefo na mbola vitsy an’isa.

Amin’ny maha fanabeazana Tily azy dia manaraka ny fandaminana ao amin’ny Sampana Menafify toy ny anaram-pokonolona, anaram-pileovana, hika sy hira, ny MEFAR.

Mandray anjara amin’ny FOTASA Nasionaly isan-taona na amin’ny sehatra Rezionaly.
Afaka mampiaina sy manolotra Ambaratonga sy Talenta ihany koa ny MEFAR.

Filoham-paritany Menafify ( na Filoham-paritany Tily na Filoham-paritany Fanabeazana) no mitarika ny MEFAR ka ny zokiolona iray eny anivon’ny Fivondronana no fidiana ho Loholna .

Manana vaomiera maromaro ny MEFAR, araka izay filĂ na misy eo an-toerana, toy ny serasera, vola , fitaovana…