Sokajy
Sampana Menafify

Hairaha Menafify

Ny Hairaha Menafify no foto-java-makadiry iorenan‟ny Sampana Menafify. Toy izao no firafitry ny HAIRAHA MENAFIFY izay aseho amin‟ny dingana telo mazava tsara :

Dingana telo no mandrafitra ny Hairaha Menafify : Ketrika, Vontady, Ampamoloana

Fanatanterahana ketrika Menafify

Ketrika no anarana iantsoana fivorian’ny Mpitarika ao amin’ny Sampana Menafify (Fokonolona – Fileovana). Ao amin’ity dingana ity no sehatra ifanakalozan-kevitra, ipoiran’ny hevitra iraisana ka ifanekena ho iaraha-manatanteraka.

Ny Loholona no mitarika ny KETRIKA, samy manao ny azy ny isam-pokonolona fa ny VONTADY kosa dia tsy maintsy eo ny ZOKIOLONA mitarika azy.

Manao ny famoriana ny Zokiolona. Itambarana io, avy eo samy miparitaka any amin’ny toerana efa nomanin’ny Loholona ny Fokonolona tsirairay.

Toy izao ny FIZOTRY NY FIVORIANA :

  1. Mihira ny hira FEO MIANTSO ny mpiandraikitra, manatona amin’ny dia mirindra sy valala manjohy ny isam-pokonolona, rehefa mahazo toerana miara-mihira ary tsy mijanona ny havia havanana raha tsy tapitra ny hira.
  2. Antsoina ny « Tily hatrany hatrany »; valiana hoe « Vonona »
  3. Manao ny hiaka sy hira ny fokonolona
  4. Hiran’ny Menafify tohizana amin’ny hiakaben’ny Menafify
  5. « Tily hatrany hatrany »; valiana hoe « Vonona »
  6. Hiraina ny « Indreto vonona » ; Omena ny samy maka ho azy
  7. Filazana ny antom-pivoriana (ataon’ny zokiolona)
  8. Mamerina manao hiaka dia samy miparitaka maka ny toerany araka ny fitarihan’ny Loholona

Toerana hanaovana ketrika : mety avokoa fa kosa tsy maintsy ankalamanana- mipetraka manodidina manano faribolana ny Mpitarika rehetra, ny loholona kosa no mipetraka ery aloha.

Misy lahadinika mazava tsara ny fifanakalozan-kevitra ao anatin’ny firahalahiana tanteraka – Ny zavatra tapaka ihany no soratana ao anatin’ny boky volamena miampy ny anaran’ireo manatrika sy nandray anjara. Iverenana iaraha-mamaky mba ho tena teny ifampierana tsara. Vita izany rehetra izany dia mivavaka ny Loholona, mifarana ny Ketrika ary miandry ny fiantsoana saparaoritra famaranana ataon’ny Zokiolona. Eo no hanambarana amin’ny fomba ofisialy izay tapaka mba ho ren’ny rehetra, miampy vavaka fisaorana dia mirava.

Fanatanterahana vontady Menafify

Izay zavatra rehetra tapaka teo amin’ny Ketrika no atao teny ierana ka miteraka VONTADY.

Fifampifehezana – fifampitondrana – fifamatorana fifanekena ( fokonolona mpandray anjara ankilany ; ireo hevitra na asa ho tanterahana andaniny).

Ny hetsika rehetra tanterahina eo anivon‟ny Menafify dia ahazoana mampiasa ny Vontady, indrindra eo amin’ny fanatanterahana ny “TETIK‟ASA”.

Ireto no fitaovana ilaina:

  • TADY LAVA: arakaraka ny hevitra hotapahina ny halavan’ny tady sy ny habeny,
  • BOKY VOLAMENA: manana boky volamena ny Fokonolona tsirairay mba hiraketany izay rehetra ifanekena ka atao Vontady.
Endriky ny vontady menafify

Fanatanterahana Ampamoloana Menafify

Sehatra hampiharana izay rehetra noketrehina, ka navonan’ny tsirairay, ary nifanekena fa hotanterahina nandritra ny Vontady ny Ampamoloana.

Toerana na kianja iray no anatanterahana azy hanehoana an-karihary ny zava-bita sy ny fahaiza-manao ( Hai-kanto).

Mety haka endrika :

  • Sehatra ifanakalozana (échange)
  • Sehatra hampiratiana (Exposition)
  • Sehatra hivarotana ( Vente)
  • Sehatra hilalaovana (Terrain-sport)

Eo amin’ny famaranana no amahana ny vontady satria efa vita izay rehetra nifamatorana. Eo ihany koa no hanolorana mari-pahatsiarovana (certificat) amin’ny fahatanterahan’ny tetikasa.