Sokajy
Sampana Menafify

Fandaharam-panabeazana menafify

« Tena ilaina sady azo itokisana ary maharaka ny fivoaran’ny teknolojia misy ny Menafify ». Manaraka ny Politika Nasionaly fanabeazana Tily eto Madagasikara ny Fandaharam-panabeazana Menafify.

Fandaharana atolotra

Fandaharam-panabeazana andraisan’ny tanora anjara

Tontolo iainana andavan’andro mihitsy no atrehan’ny Menafify ka ahitana Fihariana sy fitadiavana, Fiainam-piaraha-monina samihafa ary tontolo ivelaran’ny fanatontoloana.

Noho izany, ny fandaharam-panabeazana atolotra dia :

  1. Manomana ny Menafify amin’ny asa fivelomana
  2. Manomana feno ny tsirairay amin’ny fiainam-pianakaviana
  3. ampivelatra ny fahaiza-mamorona ho enti-miaina
  4. Mirotsaka amin’ny famokarana sy fanatsarana ny fiaraha-monina
  5. Manome sehatra bebe kokoa hatrany ny tsirairay ho tena kristianina mijoro sy fitaovana fampandrosoana ny fiangonana

Karazana hetsika anaty fandaharana

  • Asa fitoriana ny filazantsara
  • Fampiharana ny Ambaratonga Menafify araka ny voasoratra ao amin’ny torolalana
  • Fisindana an-tsaha ( lasy, foaran’ny tetik’asa FOTASA)
  • Fizahan-tany – asa soa (oh : don de sang)
  • Fitsidihana orinasa (usine , atelier…)
  • Ketrika menafify ( karoka, fanentanana, lalao samihafa,…)
  • Fitrandrahana talenta
  • Atrikasa samihafa ( s.r.s – e.v.f – projet wash ,…)
  • Tetik’asa (lavitr’ezaka sy fohy ezaka)
  • Asa firotsahana amin’ny fiaraha-monina ( ady amin’ny tsy fahaiza-mamaky teny sy manoratra, fanentanana momba ny fahasalamana, fanampiana ireo fiaraha-monina hiatrika loza voajanahary,…)
  • Fanaovana fanatanjahan-tena
  • Fikarakarana fety sy lanonana

Fomba fanabeazana skoto

Ireo singa 8 ao anatin’ny fomba fanabeazana skoto

Toy ny amin’ny fanabeazana skoto rehetra dia ampihatra ny fomba fanabeazana skoto, iraisana maneran-tany, ny fanabeazana Menafify. Ahitana singa valo io fomba fanabeazana skoto io :

Lalàna sy fanekena skoto

  • Lalana folon’ny Tily
  • Fanaovana Fanekena : fanekena Tily, Fanekena Fanorenana
    • Fanekena Tily : namana vaovao, vao hiditra Tily
    • Fanekena fanorenana : namana efa nahavita fanekena Tily, vonona hiroso amin’ny maha-Menafify

Fibeazana arak’asa

Fiainam-bondrona

Fileovana- Zokiolona- Fokonolona – Loholona

Fivoaran’ny tsirairay

Ambaratonga Menafify

  1. Mpiketrika mameno
  2. Mpialoha lalana
  3. Mahatsangy no ary

Talenta Menafify

« Certificat » no atolotra mba hanampy amin’ny fitadiavana asa. Ny Foibe Tily eto Madagasikara no mamoaka io certificat io.

Natiora

Lasy, fizahan-tany, FOTASA, fisindana, Asa Fitoriana Filazantsara,…..

Tohana olon-dehibe

Olon-dehibe eo anivon’ny Tily eto Madagasikara : Zokiolona, Tonia, Fioha, Tranainy, KP, KOPA.

Olon-dehibe ivelan’ny Tily eto Madagasikara : Mpitondra Fiangonana, olona ara-panjakana, mpitantana orinasa, Mpanofana ivelan’ny Fikambanana, ….

Asa firotsahana

  • Firotsahana eny amin’ny fiaraha-monina sy ny fiangonana.
  • Fiatrehana loza voajanahary
  • Loko Menafify

Fomba sy tarazo

Fanakena Tily, Fanekena Fanorenana, FOTASA, SAINA, fehitenda menafify , hiaka sy hira, fitohizan-tsampana, fanamiana, vontady, fandraisana namana vaovao, fitsofan-drano Menafify, Ketrika, Ampamoloana